Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao ![]()
|
Ohabolana Malagasy : " Vari-vory amin'abatoraka (karazam-bary) : totoina tsy miray fotsy, ahandroin-tsy miray masaka. " |
JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011
Manao andiany maro ireo dahalo no manafika tanana. 5O izy ireo no indray nanafika ny fokotany Bemenahihy ao anatin’ny distrikan’Amparafaravola ny fiandohan’ny volana may 2011 teo. Nidina ifotony ny zandary nanatanteraka ny fampandriana ny tany ao anatin’ny sisitany mampisaraka an’Alaotra sy faritra Betsiboka iny mihazo an’Andriamena sy ny kaomina Ampandrana.
Sendra ny mpaka kitay
Nifanehitra tamin’ireto andiany dahalo ireto izy ireo ka velona avy hatrany ny fifanjevoana naherivaika. Lavon’ny zandary tamin’izany ireo jiolahy raindahiny roa, dia izany Ratodivelona izany sy Tombo. Azo sambo-belona kosa i Rabe sy Kotohary izay nanoro ireo namany sy ny fomba fifankafantaran’ireo dahalo amin’ny alina. Tao anatin’ny 20 andro nanaovana ny fidinana ifotony dia tafiakatra 28 lahy ireo tratra hatreto, ka nisy tamin’izy ireo no mpitana sy mpilalao ody ratsy. Mpiaro ny dahalo amin’ny alalan’izany traikefa ratsiny izany izy ireo ary ireo koa no mpanafatra ireo dahalo. Tao koa ireo tena efa rain-dahiny amin’ny halatr’omby sy ny vono olona ary ny fametavetana. Basimborona miisa 6 no sarona tamin’izy ireo ka ny iray basy vita gasy miampy bala 12 tena izy.
Zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Amparafaravola notarihan’i Adjoda Razakatiana Fleurie miampy ny tao amin’ny borigadin’i Tanambe no nisahana izao hetsika izao.Nambaran’i kapiteny Andrianarivo Rianatsiory komandin’ny kaompanian’Ambatondrazaka fa tsy maintsy fongorina ireo malaso mpamono olona sy mpanagatra omby ary ny mpametaveta. Omby 61 no tafaverina amin’ny tompony tamin’ireo 331 nangalarin’ireto malaso izay nalaza tamin’ny anarana hoe “bande de 150” ireto. Tsara marihina fa fanafihana nisesisesy niandoha tany amin’ny volana avrily teo izao nahatonga hetsika nahazoam-bokany goavana izao. Mandrimandry indray izany aloha ny fitohizan’ny fiakaram-bokatra aty an-toerana. Efa nahiditra any amin’ny fonjan’Ambatondrazaka ny zoma teo ireo tsy valahara.

Anatin’ny fanamboarana sy fanarenana tanteraka ireo fotodrafitr’asa maro eto amin’ny renivohitra Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao. Ny fiomanana amin’ny fandraisana ny lalao ara-panatanjahan-tena an-tsekoly sehatra nasionaly izay hatao ny 01 volana septambra 2011 ka hatramin’ny 10 septambra 2011 no anton’izao filofosana tsy manam-paharoa izao. Noforonina hatramin'ny kianja marolafy mihitsy amin’izany ao Ambatondrazaka ao. Kianja azo hanaovana taranja isan-tsokajiny toy ny baskety, ny voley sy ny baolina enti-tànana na koa moraingy izy io. Nohatsaraina ny kianja Maître Jacques eo ampovoan’ny tanana, nasiana fanamboarana avokoa ireo kianja eny amin’ny toeram-pianarana sasany toy ny ao amin’ny sekoly Razaka Antsahatanteraka ankoatran'ireo fanatsarana ireo lalana mana-tantara. Nezahana novelomina avokoa ireo takamoa maty rehetra teny amin’ireo andrinjiro, nampiana ireo trano fidiovana sy ny fivoahana, nanaovana fanentanana ireo mpivarotra hani-masaka sy ny trano fandraisambahiny mba samy hanomana zavatra tsara sy ara-pahasalamana handraisana ireo vahiny izay miisa hatrany amin’ny 2280 any, araka ny isa ofisialy azo farany no andrasan’ny tananan’Ambatondrazaka amin’io lalao Fandinaka 2011 io. Efa sarotra ny mitady efitra fandriam-bahiny amin’ny datin’ny Fandinaka 2011 nanomboka roa volana izay fa efa voafandrika avokoa, hatramin'ny tranon’olon-tsotra.
Andro vitsy sisa isaina. Hanomboka amin’ny alakamisy faha-01 ary haharitra hatramin’ny faha-10 septambra izao. Mangotraka amin’izao fotoana ny fiomanana amin’ny fandraisana ny fifaninanana nasionaly eo amin’ny sehatra ara-panatanjahan-tena an-tsekoly izay hatao ao an-drenivohi-paritra Alaotra-Mangoro. Samy tsy misy ny an-kiandry marary eo amin’ny fanatanterahana ireo sehatr’asa izay miompana amin’ny fikarakarana ity fotoam-ben’ny fanabeazana ity.
Nifampihazohazo
Somary nisy ihany variana teo amin’ireo komity mpikarakara tamin’ny fandraisana andraikitra noho ny antony nifaningotra be amin’ny ho enti-manana. Ny komisiona isan’isany rahateo tsy mba nanana teti-bola manokana nentina nampandeha ireo asa fanatanterahana. Sarotra araka izany ny firosoana tamin’ny an-kabeazan’ireo tetik’asa raha tsy nisy ny faritra Alaotra-Mangoro sy olona tsara sitrapo niampy vondrona iray ikambanana mpanao gazety sy mpanentana nanohana vonjimaika ara-bola sy ara-pitaovana ny fanatanterahana azy ireny. Isan’izany ohatra ireo doka sy fampahafantarana amin’ny alalan’ny haino aman-jery na ho an’ny tao an-toerana na koa teo amin’ny sehatra nasionaly.
Ny lafiny serasera hafa toy ny banderola sy peta-drindrina moa dia omaly vao mba nisy dinika matotra nikasika izany. Tsy mbola nisy nokitihina koa ny kianja Rasolonjatovo ao Ambatondrazaka izay isan’ireo kianja nanaovana fampanantenana fa hatao toy ireny any ivelany ireny, herin-taona lasa izay. Tsy hita hatramin’ny nanjavon’ilay vatofehizoro izay napetraka tao. Na izany aza anefa moa ny zava-misy, dia fanamby no apetraky ny faritra sy ireo komisiona fa tsy hampitsanga-menatra ny Fandinaka 2011 eo amin’ny fandraisana, fikarakarana ary ny fiatrehana izany.

Tavela tao ambany "berceau" ka tsy afa-nanavotra aina tamin’ny firehetan’ny trano ity zazalahy kely tokony ho 9 taona tao amin’ny fokontany
Madiotsifafana Ambatondrazaka.
Kila hotohoton’ny afo tanteraka ny vatany manontolo. Efa ny sisan’ny afo no hany voarambin’ireo fokonolona tonga namono ny afo. Ranomaso, haikaika sy fihetseham-po nampangorintsina an’ireo sendra nandalo ny lalana mihazo ny garan-damasinina ao Madiotsifafana Ambatondrazaka no re nanakoako, ofakomaly alatsinainy faha-22 aogositra 2011, tokony tamin’ny 5 ora hariva.
Nilalao
“Izaho mihevitra fa nilalao izy sy ireo namany ary nanao an-kisitrika. Izay no antony mety nahatonga azy tao ambanin’ilay “berceau”. Na izany aza anefa, dia tsy azoko an-tsaina kosa hatreto ny antony mety nipoiran’ny afo”, hoy ny olona iray mpiara-monina. Trano fanatobiana kojakoja sy karazam-pitaovana tsy dia ampiasaina firy, tsy misy tafo, ity nirehitra ity. Nisy tamin’ireo akaiky ity zazalahy kely nisedra ny mangidy indrindra ity nanamarika fa nisy ambina mololo betsaka ihany, mololo ambiny tamin’ny sesikidoro natao, tao amin’ity trano izay naharay afo. Isan’ireo toerana nifatraran’izany mololo izany ilay fandrian-jazakely nisy ity zaza.
Amin’ny mbola maha zaza ireo namany niara-nilalao taminy tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io moa dia tsy nahitana valim-panontaniana mazava hatreto ireo fanadihadiana natao. Omaly talata faha-23 aogositra tamin’ny mitataovovonana no nanainga avy tao Madiotsifafana ary nihazo an’i Imerimandroso tanindrazana fiaviany ny fianakaviana nitondra ny razana.
Tao aorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana mahakasika ilay tovovavy milaza ho manasitrana olona sady mivavaka anefa namono olona, dia fantatra izao fa nafahana izy nohon’ny hadalana nahazo azy. Tsy nisy azon’ny mitandro ny filaminana natao mihintsy tamin’ny fanadihadiana natao satria olona miteniteny foana sy tsy tompon’ny tenany no nanatrika ny mpitandro ny filaminana. Na dia voatazona andro maromaro tao amin’ny mpitandro ny filaminana aza ity tovovavy ity, dia tsy maintsy nandray izao fanapahan-kevitra izao izy ireo. Hotohizana kosa anefa, araka ny loharanom-baovao azo avy teny anivon’ny zandarimariam-pirenena Ambatondrazaka, ny fanadihadiana aorian’ny fahasitranan’ity zazavavy ity. Raha tsahivina ny zava-nitranga dia nisy tovovavy niisa telo milaza fa hanao tafika masina tao Ambohimanga Station Alaotra, fotoana vitsivitsy lasa izay. 20 taona ny zokiny indrindra tamin’izy ireo ary 16 taona sy 14 taona ireo namany. Tsy fanasitranana sy fanafahana olona amin’ny asan’ny devoly anefa no nitranga, fa niafara tamin'ny faty olona tamin’izay fotoana izay, satria hery hafa mihintsy no tao anatin’ity tovovavy kely 20 taona ity. Tsy nitsahatra naverimberiny ny hoe “jesosy kely tonga hamonjy ny olombelona aho” ,ary nolazainy fa mpitandrina ao Amparafaravola no lehibean’izy ireo, ka hampitombo ny fahefany sy haka sorona no nahatongavany tao Ambohimanga. Voatery niditra an-tsehatra tamin’ny fisamborana azy, io alina nanaovany zava-doza tsy fahita io ihany, ireo miaramilan’ny D.A.S tao Ambohitsilaozana rehefa nahazo antso an-tariby maika niantso vonjy.
Miely ny feo
Miely ny feo aty Alaotra amin’izao fotoana izao fa efa miparitaka eny rehetra eny ny olona naman’ity milaza ho hiraka hamonjy ny olombelona ity, ka samy mailo sy manadihady tsara amin’ireny olona mitory teny any an-tokatrano sy an-dalam-be ireny avokoa ny rehetra. Na dia navotsotra aza ilay olona tena nahavanon-doza, dia mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao. Heno ihany koa izao fa nahato amin’ny asany ilay mpitandrina izay voalaza ho mpitarika ireto olona ireto ao Amparafaravola. Ankoatra izay dia misy ihany koa horonantsary miparitaka mirakitra ireo olona tsaboan’ilay voalaza fa mpitarika ireto olona nahavanon-doza ireto.
Fanampiana maro no nentin’ny faritra nanampiana ny sekolim-panjakana ao Ambohiboromanga Ambatondrazaka. Simenatra 20 latsaka miampy fiantohana ny fandokoana ny trano rehetra no natolotra, ka ny sekretera jeneralin’ny faritra, Randrianatoandro Stanislas, ny Alakamisy faha-18 aogositra 2011 lasa teo, no tonga nitarika ny delegasiona nanatontosa izany tany an-toerana. Valin-kafatra teo amin’ny fangatahana nataon’ny fokonolona ao amin’ity fokotany ity izay nitaraina fa nanana fahasahiranana ny FRAM sy ny tompon’andraikitry ny fanarenana, izao hetsika nataon’ny faritra Alaotra-Mangoro izao. Nanotrona ny sekretera jeneralin’ny faritra tamin’izany ireo tompon’andraikitra tao amin’ny faritra sy ny kaominina ao an-toerana.
Nanamarika ny lehiben’ny etamazoro jeneralin’ny tafika Malagasy, ny jeneraly Andrianarijaona André, tamin’ny fandalovany taty Ambatondrazaka vao tsy ela izay, fa atao lohalaharana ny fandriam-pahalemana aty Alaotra. Porofon’izany ny fahatongavan’ireo miaramila any amin’ireo kaomina miisa 7 nanomboka tamin’ny volana mey tany ho any, mba hifanome tànana amin’ireo hery efa misy aty an-toerana.
Ilaina
Nampitomboina ho kaomina miisa 9 ny toerana sahanin’ireo miaramila taty aoriana rehefa hita fa tsy maintsy nirosoana izany, hoy hatrany ity tompo’andraikitra ambony ity izay nanokana fotoana ihany koa nihaonana tamin’ireto miaramila tamin’izao fandalovany izao. Nambarany tamin’ny mpanao gazety fa misy tokoa vinavina fananganana rezimanta 2/RM3 hisahana an’Alaotra, saingy arakaraka ny fahafa-manao eo am-pela-tanana no mamaritra izany. Araka ny fanangonam-baovao natao, dia tsapa fa ilain’ny mponina ny fahatanterahan’io rezimanta io.
Manoloana ireo resabe misy manely etsy sy eroa izay manao fanamarihana momba ny fiasan’ireo miaramila, tahaka ny niseho tany Amparihintsokatra sy Amparafaravola tampon-tanàna ary ny tao amin’ny kaomina Ranomainty farany teo, dia nanamarika ny tompon’andraiki-panjakana maro (fokontany,distrika, faritra) aty an-toerana fa voaporofo avokoa ny maha olon-dratsy nampitondra faisana efa ela ny faritr’Alaotra ireo olona lavon’ny miaramilan’ny DAS hatramin’izao.
"Manginy amin’izany ny fanolanana vehivavy teo imason’ny olom-padiny rehetra, ny fandorana trano ary ny fitetitetehana olona velona, ary avy eo dia terena ireo havany hihinana izany", hoy Randriarifena Germain, filohan’ny Fimafama (fikambanana mametraka fandriam-pahalemana maharitra) izay ivondronan’ireo olona izay efa niharan’ny asan-dahalo.


Nahatratra 41 mianadahy indray ireo notolorana fanamariham-pahaizana tao Ambatondrazaka teo amin’ny fiofanana momba ny informatika. Natao ny asabotsy 13 aogositra lasa teo ny lanonana miavaka nentina nanamarihana izany, tao amin’ny foibe iray katolika fantatra amin’ny anarana hoe Victoire Rasoamanarivo ao amin’ny kartien’ny 67 Ha Avaradrova-Avaratra.
Nahafa-po
"Tsaroako fa nisy tamin’ireo ankizy avy nandia fiofanana tato amin’ity sekoly Sati ity no nalainay hisahana asa tao amin’ny orin’asanay, ary tsy nahatadidy mihitsy aho hoe nisy asa tsy nahafa-po nataon’izy ireo na dia indray mandeha monja aza. Tsy nisy famolahana natao afa-tsy ny fanomezana azy ireo toro-marika, tonga dia vokatra tsara no hita taorian’izay", hoy ramose Randrianarivelo, tompon’adraikitra iray lehibe anivon'ny orin’asa mpikirakira vokatra ahondrana any ivelany.
Andiany faha-10 ity nivoaka avy tao amin’ny Sekoly Ara-Teknika Informatika (SATI) ao Avaradrova Ambatondrazaka ity. Saiky ny sampana "bureautique" hatrany moa no be mpisafidy eo amin’ireo karazana sampana hatramin’izay. "Antony somary nahavitsy ireo mpiofana, araka ny fiheverako, dia ny lafiny ara-tsosialy izay manery ny tsirairay amin’izao fotoana izao. Betsaka mihitsy ireo mangetaheta hanaraka fiofanana, nefa tsy afa-manohatra noho ny enti-manana nanomboka tato ho ato izay", hoy Damia Rakotonarivo, tale mpanorina ny sekoly. Sangany tamin’ity andiany ity ramatoakely Tantely Vololonirina Manitriniaina tamin’ny alalan’ny salan’isa 19.


Fanolanana : Zazalahy 17 taona sy 16 taona no nanolana ankizivavy vao 6 taona monja tany amin’ny kaominina ambanivohitra Didy, ny fiandohan’ny herinandro teo. Efa voasambotra moa ny iray tamin’ireo tovolahy ireo, raha mbola tadiavina kosa ilay namany. Hoentina hatao fizahana eny amin’ny mpitsabo moa ity zazavavy kely ity.
Fivarotana hani-masaka : Tsy voahaja ny fivarotana sakafo masaka eto Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao. Manahy ny maro amin’ny hisian’ny valan’aretina alohan’ny firotsaky ny orana. Heno fa hamory ireo mpivarotra ny ao amin’ny kaominina Ambatondrazaka ny amin’ny tsy maintsy hananan’ny mpiavotra ireo ny "vitrine" fiarovam-bovoka sy ny lalitra irony.
Lehilahy hita faty : Tovolahy mpaniera manodidina ny 40 taona no nisy nahita fa maty, ny alatsinainy faha-15 aogositra, vao mangiran-dratsy, teo amin’ny faritra iray atsimo andrefan’ny tsena ao Ambatondrazaka. Araka ny fanamarihana nataon’ireo mpifanerasera taminy, dia avy any Ambohijanahary Amparafaravola ity lehilahy ity. Tsy manana trano fonenana fa eny an-tsena no matory.
Fifampitifirana : Dahalo iray no lavo rehefa nifampitifitra tamin’ireo miaramilan’ny "316è compagnie" Analangoaika izay nanenjika azy ireo nandritry ny alin’ny zoma hifoha asabotsy faha-13 aogositra lasa teo, tany Andilamena. Tafatsoaka niaraka tamin’ny basy izay nentin’izy ireo nanoherana ireto miaramila kosa ireo namany izay efa karohina ihany koa amin’izao fotoana.
JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011
Site mise à jour le 18/05/2012
Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes |
Vaovao ![]()