Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao ![]()
|
Ohabolana Malagasy : " Vari-vory amin'abatoraka (karazam-bary) : totoina tsy miray fotsy, ahandroin-tsy miray masaka. " |
JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011
Tsy nisy niangana. May daholo ireo biby fiompy rehetra tao amin'ny faritra lehibe iray ao anatin'ny tanàna iray vao niforona vao tsy ela ao Ambatondrazaka an-tampon-tanàna. Tanàna-na mpivarotra izy ity izay antsoina hoe Tanamandroso, ao anatin'ny fokontany Avaradrova, fokontany izay isan'ny midadasika indrindra any an-toerana.
Hafanana be
"Vetivety monja ny fihitaran'ny afo avy tamin'ilay trano zozoro mitafo bozaka izay niandohany. Minitra vitsy taorian'ny antsoantso izay nampikoropaka ireo izay nandre, dia efa heniky afo be nijoalajoala izay rehetra naleha. Tsy laitra ny herivaikan'ny hafanana nateraky ny afo izay nanampy trotraka ny hafanana vokatry ny gain'andro tamin'io fotoana io. Mety ho taraiky teo am-pialoakalofana teny halantrano teny ho eny angamba ireo akoho amam-borona, ka izay no naha tsy nahitany intsony koa ny lalan-kivoahana. Ireo kisoa moa, noho ny tahotra ireo mpangalatra, dia nafahy anaty toerana mifefy", hoy ny renim-pianakaviana iray niezaka nanazava. Nisy tsilian-dresaka sendra tsy tana nilaza fa tsy isan'ireo entana avotra izay rehetra lamba teo am-piahazana tamin'izao loza nitranga izao. Ireo andriambavilanitra moa no voalaza fa tena ianjadian'ny fahasahirana-tsaina manokana manoloana izany.
Na kisoa na ganagana mbamin'ny akoho sy ny dokotra dia samy masaky ny haintrano avokoa izay nitranga ny alarobia faha-27 desambra lasa teo tokony tamin'ny 11 ora sy sasany antoandro. Saiky mpivarotra avokoa ny ankamaroan'ny mponina nanorim-ponenana ao amin'ity tanàna nihitatra ity, ka misy amin'izy ireo no mpivaro-damba. May avokoa araka izany ireo entam-barotra notahirizina. Nisy koa fanitso, hazo ary simenitra sy kojakoja maro hafa momba ny fanorenan-trano no tsy nisy azo noraisina intsony. Tsy fantatra mazava kosa anefa na nisy biby hafa koa tao amin'ity toerana ity, tahaka ny omby izany na ondry. Tsara marihina ankoatra ireo fa tsy nahitana alika nirenireny aza dia tsy nisy tazantazana tao amin'ity faritra ahitana tsy manan-kialofana maherin'ny 150 olona nandritra ny fidinana ifotony izay natao.
Niteraka resabe, tsy teo amin'ny samy mpitazana sy mpanara-baovao ihany, fa na hatramin'ny mpivarotra aza dia samy gaga nanoloana ny fitarazohan'ny nanakatonana ny jono sy fanaratoana aty Alaotra-Mangoro. Ny faha-15 desambra teo no nanomboka nihatra tanteraka ny naoty manakatona ity sehatra ity.
" Tsy mbola feno ny fepetra ara-teknika nahafahana niroso tamin'ny fampiharana ny naoty manakatona isan-taona ny jono sy fanaratona taty amin'ny faritra Alaotra-Mangoro tamin'ireny fotoana nahabe resaka ny tia mandrirotra resaka ireny. Amin'izao dia efa mihatra izany naoty izany ary ho hentitra, tsy anavahana an'iza na iza ny fanaraha-maso ", hoy ny tao amin'ny foibem-paritry ny jono sy harena anaty rano ao Alaotra-Mangoro.
Nihenahena
Ny 01 desambra teo no voatondron'izany naoty izany fa daty efa nanombohan'ny fanakatonana ny jono sy fanaratoana ao anatin'ity faritra izay ambaran'ny jeografia fa misy ny farihy lehibe velarana indrindra eto Madagasikara ity. Nitarazoka anefa ny fampiharana azy ka nahatonga ireo mpisehatra hazandrano nihenahena teo amin'ny fanarahana ny baiko. " Izahay manokana dia mbola nivarotra soa aman-tsara nandritra ny andro maro taorian'ny 01 desambra teo. Ahoana moa no haminanianay fa misy izany naoty izany mandehandeha any, nefa raha misy olona tokony hampahalalaina izany voalohany dia izahay angamba. Raha misy sazy, raha raisina ho fandikan-dalàna io tsy fahafantaranay io, dia tsy hanaiky kosa izahay ", hoy ireto mpivarotra hazandrano eto Ambatondrazaka.
Nanambara tsotra ny teny anivon'ny faritra fa sady fitaizana ny lalàna no fanitsiana. " Efa fantatr'ireo mpisehatra eo amin'ny fitrandrahana hazandrano tsara fa mikatona ny jono aty Alaotra-Mangoro isaky ny manomboka ny faha-15 oktobra ka hatramin'ny faha-15 janoary. Io fanombohany io aza efa nahemotra ny faha-15 novambra mba ho fitsinjovana azy ireo. Nandrasana mba hahatsapa tena izy ireo, saingy tsy izany no miseho ", hoy kosa ny dokotera Richard Ramandehamanana, lehiben'ny faritra Alaotra-Mangoro, somary naneho fahadisoam-panantenana.
Nakatona nanomboka ny faha-15 desambra teo hatramin'ny faha-15 janoary 2012 ny jono sy fanaratoana aty Alaotra-Mangoro. Tsy fantatra anefa na tsy firaharahiana, fa dia mbola nisy hitan'ny olona namelatra hazandrano namidy an-tsokosoko ihany tao an-tsenan'Ambatondrazaka, ny zoma faha-16 desambra teo, tamin'ny toerana tsy natao hivarotana izany. Ny olona nitangorona nividy no nisy nanao resabe, sahoan-dresaka izay tonga teny am-poton-tsofin'ireto mpivarotra trondro ka nahatonga ireto farany niakam-bovona tsy nisy toy izany. " Fa nahoana no misy afaka mametraka ny tenany ho ambonin'ny lalàna. Tsy ekena mihitsy izany. Aiza no misy azy izany fa hahita raharaha goavana izany anio ", hoy izy ireo. Samy nampiasa ny findainy avy moa ireto mpivarotra, koa vetivety monja dia indreo fa tafavory maro, hita ho tena vonona hanao zavatra.
Olona ambony
Efa nadio ny rano nitan'ilay nivarotra. Resabe sisa no tratran'ireto mpivarotra hazandrano, resaka izay nahenoana ny hoe " vadin'olona tompon'andraikitra ambony ilay vehivavy nivarotra trondro ". Nampiakatra nisinisy kokoa ny tambavin'ireto andiana vehivavy mpisehatra hazandrano ny fahenoana izany, ka velona niaraka tamin'izay ny fifampitaomana hiakatra hihazo ny toerana misy ny biraon'ny foibem-paritra miadidy ny jono sy harena anaty rano ao Antsahatanteraka Ambatondrazaka. Tsy tanteraka anefa izany taorian'ny somary fifampidinihana teo amin'ireo samy mpivarotra.
" Tsy misy azonay lazaina afa-tsy ny hoe tsy tafavoaka velona eto izay tratranay. Izahay manaiky ny fanakatonana, nefa nahoana no mitady hisy tazanim-potsiny mandika izany baiko izany ? Manao antso avo amin'ireo tompon'andraikitra izahay mba ho hentitra amin'ity lazain'izy ireo fa fiangaviam-piaraha-miasa izay nankatoavina amin'ny fo madio ity ", hoy izy ireo.
Vohoka efa roa volana no nambaran'ny valin'ny fizaham-pahasalamana izay natao ho an'ity zazavavy kely 12 taona taorian'ny fitarainana nataon'ny reniny sy raikeliny teny amin'ny manam-pahefana. Izany antsoina hoe "Velo" izany no tondroin'izy ireo fa rangory fototry ny afo. Nokarohin'ny mpitandro filaminana ity farany, saingy tsy mbola hita. "Mifamahofaho be ihany ity raharaha ity. Fitoriana roa izay samy manana ny olona enjehiny no voarain'ny mpitandro filaminana momba ity tranga ity. Mbola tena eo am-panaovana ny fanadihadiana azy ity izahay", hoy ny tao amin'ny kaomisarian'ny polisim-pirenena ao ambatondrazaka, ny tolakandron'ny alarobia lasa teo.
Mpijoko voajoko
Nahare tsiliam-baovao ny mpitandro filaminana fa, nandritra izao dian'ireto mpitory tany Ambatondrazaka izao, dia misy fitarainana hafa indray voaray any anivon'ny manam-pahefana any Morarano-Chrome izay mitory ilay raikelin'ilay zazavavy momba ity raharaha ity. "Ny rahalahindrain'ilay ankizy, izany hoe ny zaodahin'ny renin'ilay zaza, no mametraka fitoriana an'ity rangahy izay tonga aty Ambatondrazaka mitory an'i Velo ity. Manondro azy ho nahabevohoka ity zazavavy ity io fitoriana io araka ny vaovao voaray. Tsy manan-kolazaina aloha izahay hatreto, fa saingy tsy avelanay kosa raha tsy hita ny marina", hoy hatrany ny teny amin'ny kaomisaria Ambatondrazaka.
Zaza kamboty, monina ao Morarano-Chrome Amparafaravola ity bevohoka roa volana ity. Nanambady ny reniny taorian'ny nahafatesan'ny rainy. Telo mianadahy izy ireo no zaza navelan'ny maty. Samy efa olona ampy taona avokoa kosa ireto lehilahy voarambiramby anaty fitoriana.

Samy nosamborina. Tranga tsy dia mahalam-piseho ny toy ity, hoy ny tao amin'ny kaomisarian'ny polisy ao Ambatondrazaka, saingy nahavalalanina azy ireo kosa ny hoe 14 taona no efa mitondra tena ho lehibe ary tena afaka mahabevohoka mihitsy. Ilay sakaiza amin'io dia zara raha vao 12 taona monja, bevohoka roa volana. Ny reniny no nahatsikaritra voalohany ity toe-javatra nanjo an-janany ity.
Tao Anosindrafilo, fokontany iray any amin'ny ilany andrefan'ny tampon-tanànan'Ambatondrazaka, no nisehoan'ity toe-javatra ity. Ny avy amin'ilay zazavavy, ny reniny, no nirimorimo nitondra ny taraina teny anivon'ny kaomisarian'Ambatondrazaka. Rehefa tena nojerena akaiky anefa dia samy tsy ampy taona na ilay voatondron'ny fitoriana ho nanadala, na ity nolazaina fa voadala. Tamin'ny alatsinainy 05 desambra 2011 no nalefan'ny polisy teny amin'ny fampanoavana ao amin'ny fitsarana ao Ambatondrazaka ity raharaha ity.
Samy zanaka mpamboly vary avokoa moa ireto "tsy nahari-boankena" ireto. Be ny manao fanamarihana vazivazy fa toy ny fotoana nampirongatra ny tsy fahafehezan-tena teo amin'ny lafiny filan'ny nofo ny vanim-potoana toa nampiakatra be ny hafanan'ny andro vokatry ny tsy filatsahan'ny orana (ara-potoana) raha tsy vao andro maromaro tato ho ato izay any Ambatondrazaka. Afaka hifototra bebe kokoa amin'izay amin'ny asam-pamokarana midadasika be eny an-tanimbary izany ireo tantsaha manomboka izao.

Samy manontany tena be ihany ny olona aty amin'ny faritra Alaotra ity manoloana ny roa taona nifanesy (2009 sy 2010) izay tsy nisian'ny fanakatonana ny fotoam-panjonoana na fanaratoana ho an'ity ranobe malaza ho mpamokatra besisika sy baraoa ity. Ity taona 2011 ity no mety ho taona faha telo hitohizan'izay tsy fikatonana izay. Velom-panahiana mafy amin'izao ambamin'ireo mpivarotra.
"Aiza ihany ity hoe fanakatonana dradraina lavareny eny amin'ny onjam-peo sy fahitalavitra ity e ! Tsy hisy hazandrano hohanina intsony any aoriana raha izao no mitohy", hoy ireto mpanjifa izay toa mbola tonga ihany anefa mividy ireto "laoka" na dia isan'ireo velon'ahiahy koa aza. "Ataonay ahoana moa madama ny tsy hivarotra rehefa ny any am-potony no mbola mitondra izany eto aminay mpiantoka. Izahay koa anie aza mba gagagaga amin'izao tsy fikatonana lava izao, nefa dia ireo tompon'andraikitra dia manao ramatahora ery hoe tsy maintsy ampiharina ny lalàna", hoy kosa ny setriny avy amin'ireto mpivarotra.
Voalazan'ireo teknisiana, isaky ny misy famoriana mpanao gazety, fa miankina amin'ny lafiny teknika no ahafahana miroso amin'ny fanidiana ny taom-panjonoana (Ny faha-15 novambra ka hatramin'ny faha-15 janoary) mba ahafahan'ireo hazandrano manaranaka. Isan'izany ny fihavaozan'ny rano amin'ny alalan'ny ranon'orana. Eo koa ny hafanan'ny rano izay tokony hahatratra eo anelanelan'ny 26°C ka hatramin'ny 30°C. "Izay roa taona be orana sy tsy diso anjara tamin'ny hafanana be izay ve dia lazaina fa tsy tratra ireo lafiny teknika ireo ? " hoy kosa indray ny olon-tsotra. Manamarika ny rehetra fa mahazo tsara tokoa ny filàna ara-teknika mametraka ny tokony hanakatonana ny jono. Rehefa tafita aminay anefa izany, dia mahagaga fa tsy nikatona intsony mihitsy indray ny fotoam-panjonoana, hoy izy ireo zendana.

JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011
Site mise à jour le 18/05/2012
Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes |
Vaovao ![]()