FEBROARY 2011

JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA | OKTOBRA | NOVAMBRA | DESAMBRA


Kely karama : Ariary 470 monja isan’ora no vola raisin’ireo mpiasa mpitatitra vato ao amin’ny orin’asa CGC izay miandraikitra ny tapany avaratra manomboka eo Ivohidiala ho an’ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-44. Nanambara ireto mpiasa fa voahararaotra tokoa, saingy tsy misy velon-tena azo atao, ka dia voatery manaiky izao karama zara raha mahazo vary iray kapoaka izao. Fitaovana samy efa tena tranainy avokoa etsy moa an-daniny no hita ampiasain’ity orin’asa ity hiantohany ny famitàna izao sahan’asa misintona ny sain’ny maro izao.






ANOSIMBOAHANGY ANDILAMENA
22 LAHY NANOLANA SY NANDROBA

Ela ny ela ka sinambotra ihany ireto tovolahy heverina ho misy fahavoazana ara-tsaina any amin’iny faritra Anosimboahangy iny. Ny fanolànana no asa ratsy tena ifotran’izy ireo an-koatra ny fandrobana izay toa entina hanafenana ihany iry fanao voalohany, raha zohiana ireo loharanom-baovao voaray. "Naolan’izy ireo avokoa izay vehivavy tratrany tao amin’izay trano rehetra efa notafihiny. Samy tapitra mandray anjara amin’izany avokoa ireo marobe manao ny fanafihana. Rehefa avy eo dia mibata izay entana zakany amin’izay izy ireo”, hoy ny raim-pianakaviana iray avy any Mahatsara Antanimenabaka.
Ela nampitondraina faisana an’Anasimboahangy tokoa raha ireto jiolahy hafahafa izay ahitana tanora marobe ireto. Eo ho eo amin’ny 20 ka hatramin’ny 28 taona eo avokoa mantsy no an-kabeazan’izy ireo, ary toy ny olona tsy dia mba sahirana ara-pivelomana ihany raha tombanana ivelany. Mbola misy naman’izy ireo karohina amin’izao, ka maromaro amin’izany no mitana toerana ho lehiben’izy ireo.

Anton’asa

“Miasa amin’ny alalan’ny tambajotra izy ireo. Misy masoivoho isan-tanàna mpanome vaovao ireo mitana toerana ho lehibeny avy. Miasa be amin’izany ny fifandraisan-davitra amin’ny alalan’ny finday. Ireo masoivoho no mampandre rehefa tsikariny fa misy tokan-trano iray misimisy vehivavy sy vola na koa fitaovana lafolafo vidy”, hoy ny adjudant chef Ralison Tiana, komandin’ny borigadin’ny zandarimaria any Andilamena. “Mampivory ireo namany ireo lehibe aorian’izay mandamina ny tetika fanafihana. Ireo tokantrano misimisy andriambavilanitra tsatsara tarehy amam-bika anefa no matetika lasibatra amin’izay”, hoy hatrany ireto mponina avy any Antanimenabaka.
“Raharaha mikasika fanolanana niaro fandrobana tao amin'ny trano fivarotana sy mpanao video tao Mahatsara Antanimenabaka Andilamena no niantombohan’ny tsongodia nataon’ny mpitandro filaminana. Folo andro taorian’ny nisehoan’ny asa ratsy dia sarona ny iray tamin’ireto jiolahy”, hoy hatrany ny adjudant Tiana Ralison nanazava. Nahitana milina madinika mpamokatra herinaratra roa tao amin’ilay ranamana. Nisy koa lekitera sy kapila marobe niaraka tamin'ny vata fahitalavitra izay voamarina fa an’ilay trano notafihi’izy ireo farany avokoa. Akoatran'izay dia basy efatra ka ny telo dia vita gasy. Efa nampidirina am-ponja vonjimaika ao Ambatondrazaka avokoa moa amin’izao ireto tsy matahotody miisa 22 lahy ireto tamin’ny alakamisy lasa teo.




AMBATONDRAZAKA
NAHAZO RONGONY MAROBE NY POLISY

“Mety mba ho fongana ihany ity resaka rongony ity eto Ambatondrazaka raha izay hetsika nataon’ny polisy izay no mba mitohy”, hoy ireto mpivarotra ao an-tsena, izay nahita maso tsara ny nisamborana ireo olona mpampivezivezy ity zava-mahadomelina, ity tamin’ny herinandro teo. Nanokana andro hidinana tao amin’ity toerana zary lasa ankanin’ny ratsy sy ny maizina mantsy ny kaomisera Rambeloson Patrice sy ny ekipany, ary izao nahazo vokatra goavana izao. Rongony sesehena mandeha amin’ny baoritra sy gony, toaka voarara sy mpanao irony ilay antsoina hoe “mena mahazo” irony no noraofin’izy ireo tao an-tsena. Hatramin'ny olona mamo sy niady mivady aza voafaoka avokoa.
“Azo daholo na mpivarotra na mpamatsy. Azo hatramin'ny mpanelanelana sy mpifoka koa aza teo amin’ny rongony. Hetsika hitohy tokoa ny “ilôtage” fa tsy hoe kisendrasendra akory. Izay tratra eo dia tsy maintsy mizaka ny nataony araka ny lalàna velona”, hoy ny kaomisera Rambeloson Patrice, hentitra dia hentitra. Nomarihiny fa hodiovina tanteraka ny tanàna ka tsy misy handeferana amin’izany. Ho an’ny “mena mahazo” manokana moa dia efa hetsika an-davanandro ny famongorana azy ity eto Ambatondrazaka. Karazana loka izy ity. Karatra filalaovana belôty ireny no ampiasain’ireo mpampiloka. Baoritra kely no solona latabatra anokoana ny lalao. “Tsy mifidy toerana fa na sisin-dalana na koa toerana bebe olona, dia ilatsahan’ireo mpanao ity lalao feno fanambakana tsy roa aman-tany maharebika olona maro ity. Lasibatra amin’izany indrindra indrindra ireo olona avy any ambanivohitra tonga mian-tsena eto Ambatondrazaka”, hoy hatrany ity kaomisera eto Ambatondrazaka. Tsy misy dimy minitra dia manaraka hatramin’ny findain’ireo mpiloka te-hahazo ny sitrany ahay. Ekena avokoa mantsy amin’ity sehatra ity izay zavatra apetraky ny mpiloka toy ny vola, kiraro, firavaka volamena sy ny sisa. Amin’ireo mpilalao dia misy olona iray na vitsivitsy naman’ilay mody mampiloka mba manao eo koa, dia mody mba voa mafy eo, toy iretsy voarebireby ihany koa. Paika entina misarika olona ihany anefa izany. Mandritra ny fotoana isehoan’izany koa anefa dia maro amin’ireo mitangorona no voaaro-paosy na tratran’ny sinto-mahery.


CST PATRICE RAKOTOARIMANANA
“MOMBA ILAY DINA HIRAISANA AHO”

“Efa any ny dina hiantoka bebe kokoa ny fisian’ny fifampifehezana matotra eo amin’ity fandriam-pahalemana ity any Andilamena. Miandry fankatoavana avy amin’ny eny anivon’ny tribonaly sisa izy io dia hampiharina avy hatrany”, hoy Rakotoarimanana Patrice, mpikambana anivon’ny filan-kevitra ambonin’ny tetezamita (CST). Nanamafy ity solom-bavam-bahoakan’Anosimboahangy teo aloha ity fa miombom-kevitra koa amin’ilay vinavinam-piara-miasa efa nambaran-dry CT Guy Ramarosandratana izay mihevitra ny hanitatra sehatr’asa miaraka amin’ireo distrika anatin’ny faritra mifanila vodirindrina amin’Alaotra-Mangoro eo amin’ity fitadiavam-bahaolana fampandriana fahalemana ity. “Tena zava-dehibe io fiaraha-misalahy io ary hatao izay hahatanteraka azy. Izahay dia tsy mitsahatra ny mikaroka izay hahasoa hatrany ny faritra sy ny vahoaka eo amin’ireo lafiny rehetra mifaningotra amin’ny an-davanandrony, ka isan’izany ny fandriam-pahalemana. Efa an-dàlana avokoa amin’izao fotoana ny firosoana amin’ny làlana amin’ny fanaganana io dina iraisana io”, hoy hatrany izy nanipika. Aminy dia miainga voalohany amin’ny fanentanana ny vahoaka hahay handray andraikitra ny fanatrarana ity tanjona ity, ankoatra ny tokony ho fandraisana andraikitra feno amin’iny eo anivon’ny mpitandro filaminana. Raha fehezina dia manasongadina ny fifanomezan-tànana eo amin’ny rehetra ity olo-maventin’Anosimboahangy izay efa solom-bavam-bahoaka indroa miantoana ity.



C.T GUY RAMAROSANDRATANA
DINA HIRAISANA HO AN’NY FARITRA EFATRA

Hatao izay ivoahan’io dina iraisana io, hoy ity parlemanteran’ny tetezamita ity, mba hanampy ny ezaka fitandroana fandriam-pahalemana sy ny halatr’omby. Ireo faritra mifanila toa an’Alaotra-Mangoro, Sofia, Betsiboka ary Analanjirofo no hikaon-doha amin’izany.

Nandritra ny famoriana mpano gazety tao amin’ny renivohim-paritra Alaotra-Mangoro, tamin’ny herinandro lasa teo, no nitateran’ny dokotera Ramarosandratana Guy, mpikambana anivon’ny kongresin’ny tetezamita, ireo dingana efa nirosoan’izy sy ireo mitovy tarigetra aminy momba ny lafiny tsy fandriam-pahalemana. Hato vaindohan-draharaha araka izany ny hamoahana dina hiraisan’ireo faritra efatra mifanila vodirindrina mba hanamora be be kokoa ny ezaka hatao. “Tsy ny mpitandro filaminana ihany akory no manana andraikitra hampandry fahalemana, fa eo koa ireo hery rehetra izay azo entanina tsara hifanome tànana aminy. Raha mizotra tsara sy araka ny tokony ho izy izay fiaraha-misalahy izay, dia ho tsotra kokoa ny fahazoam-bokatra tsara eo amin’ireo ezaka rehetra amin’ity lafiny maharary ny rehetra ity”, hoy ity solom-bavam-bahoakan’ny distrikan’Amparafaravola teo aloha ity. Nambarany fa ho ato ho ato ny dinika fikaonan-doha handrafetana io dina iraisana io. Tsy mbola voafaritra kosa anefa ny toerana sy ny faritra hampian-trano izany.
Araka ny famaritana nataon’ity kesteran’ny antenimieram-pirenena taloha ity hatrany, dia toerana ifaningoran’ireo asan-jiolahy sy ny halatr’omby ireo faritra efatra voakasik’izao hetsika izao. “Miainga avy any andrefana na avaratra matetika ny omby halatra, mandalo an’Alaotra na Anosimboahangy, ary mivoaka any Analanjirofo. Tokony hisy lafiny ifampiankinana koa araka izany ny fandraisana andraikitra amin’ireo faritra voakasika fa tsy tokony samy hiasa irery. Efa tsy nahazoam-bokany hatrany ny famindra samy maka ho azy”, hoy hatrany izy nanamafy. Ankaotra izay, dia nitondra soson-kevitra koa izy ho enti-manatsara ny fahombiazan’ny polisy sy zandary. “Entanina ireo malala-tànana rehetra sy tsara sitrapo mba hanao tolotànana. Tsy hanolotra fitaovana toy ny basy akory fa kojakoja toy ny milina fanoratana, bisikileta na moto, eny maninona moa raha fiarakodia mihitsy mba hampiasan’ireny mpitandro filaminana ireny. Hafa kokoa ny vokatra amin’izay. Izahay moa dia mampiditra soson-kevitra ihany koa ny amin’ny tokony hampitomboana ny teti-bolam-panjakana momba ny fampandriana fahalemana”.



FAMBOLEM-BARY ANY ALAOTRA
ILAM-BAHAOLANA BE NY TSY FAHAMPIAN’NY ORANA

Hatramin’izao dia mbola mitana ny sain’ireo mpamboly rehetra any Alaotra ny mety ho fandehan’ny taom-pamokarana vary amin’ity indray maka ity. Tsy afenina fa kivy izy ireo amin’ny an-kapobeny manoloana ny tsy fahampian’ny orana. “Ny any aminay aza moa dia vao indray mandeha monja izao no mba nahita izany orana izany. Tsy tena orana akory aza moa fa karazana erika matevina izay zara raha naharitra folo minitra”, hoy ireto tantsaha avy any Ambohivory, kaomina farany avaratra andrefan’ny distrikan’Amparafaravola. Mbola tany maina be tokoa hatramin’izao no misy any an-toerana.
Saiky itovizana toerana maro any Antsihanaka ity tsy fahampian'ny orana ity, Antsihanaka izay tsy zoviana raha ny toerana misy azy eo amin’ny famokarana ity fototsakafo Malagasy ity. Ireo kaomina rehetra, miisa 44 miampy 10 any Andilamena (Anosimboahangy), dia samy mpamoka-bary avokoa. Ny olana dia fambolena miandry orana avokoa ny 95 isan-jaton’ireo noho ny fidangan’ny vola tsy maintsy foronina raha hananganana fotodrafitr’asa manara-penitra sy moderina ho enti-mamokatra. “Ny vahaolana maika, dia ny famoronana orana artifisialy na somary lafo ihany koa aza. Tokony hatao anefa izany satria vary aman’etsiny taonina no voatery hafoy raha sanatria tena hihantona toy izao ny orana. Hevero fa raha mbola mihemo-dava ny fotoam-panetsana dia tsy hisy volivary ho vanona intsony akory fa fatiantoka indray aza no hihatra”, hoy ny dokotera Guy Ramarosandratana, mpikambana kongresin’ny tetezamita. Araka ny nambarany hatrany dia any amin’ny 13 tapitrisa ariary no ilaina anatin’ny indray andro amin’ny fanaovana orana artifisialy. Andro miisa sivy anefa no tokony haharetan’ireo asa rehetra atao raha tiana ny hahazoana orana araka ny tokony ho izy. Nolaizainy fa handalo filan-kevitra tsy ho ela anivon’ny governemanta ity tetik’asa maika dia maika ity.


Tratry ny taonan’ny polisy. Fety nangotraka izay natao ny asabotsy 05 febroary lasa teo, tao amin’ny Espace Laza Antanifotsy Ambatondrazaka. Nitotorebika nandra-maraina tao ireo mpitandro filaminana izay notron’ireo solon-tena ihany koa avy amin’ny zandarimaria any an-toerana, ny faritra ary ny ben’ny tanàn’Ambatondrazaka. Tamin’izany no nahatsapana fa manana olona havanana amin’ny fanentanana ara-javakanto ireto polisy ireto, ka isan’izany ry sefo Alain. Mbola nitàna tsara kosa ny kaomisera Rambeloson Patrice teo amin’ny fiangaliana hira kaiamba.



FIFAMPIARAHABANA TRATRY NY TAONA
NIFANENA NY SAMY KAIAMBA TANY ALAOTRA-MANGORO

Lanonana nangotraka nafanain’ireo tranainy sy fanta-daza teo amin’ny hira “kaiamba” toa an-dry Novah Dakoto sy ry Zozo sy Dorlisy no nentin’ny teo anivon’ny faritra Alaotra-Mangoro nanome fahafinaretana ireo olona sesehena izay nasainy tamin’ny fifampiarahabana tratry ny taona tao Ambatondrazaka.

Niverina nanakoako an-tsehatra ireo mpanakanto nanana ny maha izy azy tamin’ny andron’ny “electro” sy ny “pile wonder” ary ny kapila “45 tours”. Raha ny hevitry ny tao amin’ny faritra dia saiky naverina mihitsy koa angamba io razam-be-n'ny zava-maneno taorian’ny “gramophone” io mba hiovana filatro kely, saingy sarotra ny hampiasana izany hahenika ny lapa be ankalamanjana nandraisana ireo olona nasaina izay nananika ny arivo isa. Tao amin’ny La Résidence Antsahatanteraka Ambatondrazaka, ny zoma faha-28 janoary lasa teo, no nanaovana ity lanonanam-be.

Tena izy

Naverin-dry Dakoto sy ry Pierrot Lisé ilay tena feo orizinalin’ny “miviregna aty Antsihanaka”. Endre izany fahontsan’ny mpifaly nifamihina. Nandihy mbamin’ireo vazaha vahiny izay miasa sy monina any an-toerana fa tafidina teo ambonin'ny “piste” ny lehiben’ny faritra sy ramatoa vadiny nanao ny anjara dihiny. Nanaintainan’ny fahatsiarovana tokoa avy eo ny rehetra rehefa injay ry Seta Mahavangivangy nivetso ny “Ramiaramila” sy “Papa Sônina”.
Nanaitra ireo izay nosokoin-torimaso nandritra ireo karazana lahateny nifanesisesy ny nahatafakaran-dry Jean Kely sy Basta tampoka teo ambony lampihazo. Tao ny tsy nino, fa tao koa ireo efa nahavoaray partinera sahady ary nisonenika nandihy ireo hira milamina tsiahin’ny taona maro navalon’ny ela. Nopongarin-dry Zozo sy Dorlisy mafimafy kokoa ireo akom-pahatsiarovana nanjo ireto mpifaly, ary vao maika fahontsana tsy nisy toy izany koa anefa rehefa nisosoka tsimoramora namoha afom-pitiavana ny fahagola ry Pross Ely. Samy nisafidy izay “vôlazara”-ny nentiny nisonanina kosa ny tranainy rehetra rehefa nipoitra koa ry Oza Jérôme izay nohatevenin’i Bruno Raisner tamin’ny fo madio sy ilay feo mampahatsiahy ireo fitia tsy maty vonoina. Tsy afaka tao am-bavan’ny maro koa ny “izaho izany arô da manigne” izay nihangalian’ny tena tompony. Nampihetsi-po iny, hoy kosa ny ankamaroan’ny nasaina izay zendana fa tafalanona nandra-paharainan’ny andro. “Mbôla ho avy, izy igny ée…”, hoy Dédé Fénérive tamin’ny vazony.

Novah Dakoto sy Pierrot Lysé









TAPATAPANY

Kianja synthétique : Nanomboka ny alarobia 16 febroary 2011 ny asa fandrefindrefesana ny kianja Rasolonjatovo eto Ambatondrazaka. Raha ny tsiliam-baovao voaray dia efa ilay fanamboarana ity kianja ity ho lasa “synthétique” io miandoha amin’izay io. Tsahivina fa ny volana janoary teo no efa tokony vita ity asa fanavaozana raha ny voalaza nandritra ny kabarin’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony tonga nanotrona ny foara Lapabe faha-2 tao Ambatondrazaka, ny voalohandohan’ny volana oktobra lasa iny.

Vindin-javatra : Niakatra be avokoa ny vidin’ireo entana fampiasa an-davan’andro eto Ambatondrazaka sy ny manodidina. Lasa 450 ariary ka hatramin’ny 470 ariary ny kapoakan’ny varifotsy mba tsaratsara. Niakatra ho ariary 6.800 ny henankisoa iray kilao raha 5.800 ariary izany taorian’ny faran’ny taona. Ariary 4.000 ny kilaon’ny henomby, ary lasa 5.200 ariary nialoha ny fandalovan’ny rivodoza Bingiza. Ny kapoakan’ny tsaramaso maina sy ny voanjobory kosa dia 800 sy 900 ariary avy. Niakatra ho ariary 500 kosa izany ho an’ny tsaramaso lena izay vidiana 150 ariary ka hatramin’ny 200 ariary isan-taona amin’ny vanim-potoana toy izao. Mampiteny ny moana hatrany kosa ny vidy ho an’ny besisika sy baraoa. Ariary 10 eo ho eo ny iray amin’ny fozamainty madinidinika.

Andron’ny sekoly no hanaovana ihany koa ny fety be fifampiarahabana tratry asaramanitra ho an’ny eo anivon’ny fari-piadidiana fampianarana Ambatondrazaka. Hatao ny zoma faha-11 febroary izao izy io, manombaoka min’ny 9 ora maraina, ao amin’ny Stand Central. Ho vory lanona indray izany ireo mpanabe miisa amin’arivony izay sarotra ampanginina tokoa rehefa tafahaona ka misy mikabary. Mety hitohy mandra-maraina indray ny hetsika raha tsy lava loatra toy ny hatrizay ireo karazana fampisehoana madinika ifandiambiasana sekoly sy zap.

Tsy raikitra fa voatery nahemotra amin’ny herin’ny zoma ho avy izao ny lanonana fifampiarahabana tratry ny taonan’ny fikambanana ben’ny tanàna any amin’ny renivohitra Alaotra. Ny zoma teo no tokony nanatontosana izany, tao amin’ny Ibiza Antsahatanteraka Ambatondrazaka. Maro tamin’ireo mpikambana anefa no nilaza fa tsy naheno ka tsy tonga. Betsaka tamin’izy ireo anefa no tazantazana tao Ambatondrazaka tamin’io andro io. Na izany aza dia nisy hatrany ny fiaraha-misakafo mafilotra teo amin’ireo vitsivitsy tonga tamin’ity fotoan-dehibe.

JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA | OKTOBRA | NOVAMBRA | DESAMBRA


Site mise à jour le 18/05/2012

Actualités | Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews | Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao

Dr Herizo Rj Kara association BAMAMI Office Régional du Tourisme de l'Alaotra-Mangoro ONG Mihary Ylang.net Rain'Dago Restaurant au goût de Madagascar Radio MAMI FM association zanakantsihanaka