JANOARY 2012

JANOARY 2012 | FEBROARY 2012 | MARSA 2012 | APRILY 2012


AMBATOVY TAPATAPANY

Nanamboaran'Ambatovy tetezana afaka hifamezivezen'ny rano ny faritr'i Sahatandra mba tsy hampitoka-monina azy. Ny volana oktobra lasa teo no nanolorana izany ho an'ny faritra manodidina an'i Sahatandra, 25 kilometatra miala avy eo amin'ny toeram-pitrandrahan'Ambatovy mba hialàna amin'ny fitokanamonin' ny faritra. Lire la suite


LALAM-PIRENENA FAHA-44
AHATO NY FIFAMOIVOIZANA NOHO NY FAHASIMBANA

Filazana tamin'ireo onjam-peo tsy miankina ao Ambatondrazaka no nahafantarana fa miato ny fifamoivoizana amin'ny lalam-pirenena faha-44 mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, anio alarobia faha-11 janoary.

Hitokamonina. Miato tanteraka ny fampiasana ny lalana mihazo an'Alaotra. Voalaza fa noho ny fanamboarana tsy maintsy hatao, fametrahana tetezam-by (pont bailey) no anton'izao fahatapahana tampoka izao. Ny fanadihadiana natao no nahazoana fanampim-panazavana fa efa herinandro iray mahery izao no nisy nahatsikaritra fa nitsingevana fotsiny tsy nisy andry manohana azy ny arabe godorao, eo amin'ny PK 133+900, eo amin'ny 500 metatra avaratry ny tananan'i Vohidiala.

Halatra

"Hametraka tetezam-by ireo tompon'andraikitra ka izay no anton'io fahatapahana rahampitso io (ndlr anio alarobia). "Pont bailey" no hapetraka eo. Nisy nangalatra ireo bizo tao ambanin'io toerana io, ka izay no nahatonga ny tany ho lasan'ny rano, ka nahatonga ny arabe nitsingevana" , hoy Randrianantoandro Stanislas, sekretera jeneraly anivon'ny fiadidiana ny faritra Alaotra-Mangoro, raha nangataham-panazavana tamin'ny alalan'ny antso an-tsofindavitra omaly.
Vahalava ity lalana nisian'ny loza nitatao ity. Eo no "fanintsanan'ireo fiarakodia vovoka na fotaka", hoy ireo mpamily, rehefa tofoky ny afitsoky ny lalan-tany miala an'i Marovoay ka hatreo Vohidiala izy ireo. Eo koa no iainan'izy ireo faramparamparany ny lalana godorao raha miverina. Mazava ho azy fa mila hanapitra tabilao avokoa ireo zatra mpanao ireo fomba hafahafa ireo amin'izany. Soa fa mbola tsy nihotsaka noho izany fanao somary mahatsikaiky izany ilay lalana efa nitsingevana.



VOINKAVAMAHATRATRA
NATSANGANA NY KOMITY IRAISAN'IREO FOKONTANY REHETRA AO AMBATONDRAZAKA

"Tapaka ny hevitra fa asiana komity manokana hisahana ny fitantanana ireo hetsika rehetra izay miompana amin'ny voinkavamahatratra eto amin'ny kaomina Ambatondrazaka", hoy Andriamanirison Jacques Nirina Nampoizina, ben'ny tanànan'Ambatondrazaka, nandritra ny hetsika nentina nanangonana izay foin'ny olona mba hatao fanampiana ireo tra-doza teny Tanamandroso noho ny haintrano izay namoizana ny ampahan'ny tanàna iray manontolo tao antin'ireny fety aman-danonan'ny Noely sy faran'ny taona ireny. Toy ny efa fanaon'izy ireo, dia tonga namaly izany tamin-kitsim-po ny fikambanana Sino-Malagasy any Alaotra tamin'ny alalan'ny fandrotsahana lelavola izay nisinisy ihany.

Haharitra

Mivondrona amin'ity komity manokana ity ireo solon-tena avy ao anatin'ireo fokontany rehetra ao anatin'ny kaomina Ambatondrazaka. Ny sefom-pokontany rehetra no mitarika azy ireo amin'izany. Lany ho filohan'ity vondrona ity ny lehiben'ny fokontanin'i Madiotsifafana izay isan'ireo tsy mba mikely soroka amin'ny raharaha fifanomezan-tànana eo amin'ny lafiny sosialy. "Tsy handalo na ho vonjitavanandro ny raharaha ho sahanin'ity komity ity fa haharitra. Izy io no hanao ny hetsika rehetra fioamanana mba hiatrehina izay tranga rehetra ilàna fifanampiana sy hamorona ihany koa ny tetibolany manokana ho etiny hanatanterahana izany ao antin'ny mangarahara", hoy ny fanampim-panazavana azo. Ny am-paham-bola voahangona tamin'ilay hetsika izay natao tao Ambatondrazaka, ny asabotsy faha-07 janoary teo, teo amin'ny faritry ny tsena monisipaly, dia nampidirina amin'ny tetibolan'ity komity. Ny ampahany iray kosa, niaraka tamin'ireo fanomezana hafa toy ny lamba sy vary dia natolotra manontolo ho an'ireo eny Tanamandroso (Avaradrova-Avaratra) ny harivan'io daty io ihany.





AMBATONDRAZAKA
BE IREO ASAM-PAMOKARANA TOJO FAHASAHIRANANA

Tato anatin'ny herinandro roa izao, dia nijojo saiky isan'andro ny orana any Ambatondrazaka. Mitranga avokoa araka izany ireo tsy fahalavorariana rehetra na ho an'ny làlana, na fotodrafitr'asa hafa toy ireo natao ho an'ny famokarana indrindra indrindra. Raha velom-bolo ireo tantsaha sasany tamin'ny fiverenan'ny firotsahan'ny orana, dia very hevitra mafy kosa ny hafa vokatry ny fahavokaran'ny antsanga izay tonga mandrakotra velara-tanimbary izay midadasika tokoa. Ny asa vadibainga anefa zara raha vao nanomboka ho an'ny sasany, efa miditra amin'ny fanetsana kosa izany ho an'ny hafa.

Mandeha ila

"Porofo izao fa tsy mandeha amin'ny laoniny mihitsy ny ambara fa asa fanavaozana sy fanarenana ireo fotodrafitr'asa ho an'ny famokarana. Aiza koa tany mifanila izao ve dia ireo etsy ampita izao vao mba afaka manomboka mandatsaka angadin'omby hiasa ny tany, nefa ireo ery ankilany dia mizotra soa aman-tsara efa hatreny amin'ny famaranana ny fanetsana", hoy ireto olona mpandalo velon-dresaka tao anaty taksiborosy hihazo an'Amparafaravola.
Nisy tamin'izy ireo no nampahatsiahy fa fony vao nitsahatra ny orin'asa Somalac, dia nitotongana niaraka tamin'izay koa ny fampandrosoana ny raharaham-pamokarana any Alaotra. "Tamin'ireny, na dia tsy tomombana zato isan-jato aza ny famatsiana rano, dia mba azo nihoriranana ihany ny fambolena ho an'ireo tany "hors maille". Amin'izao kosa dia na ireo tany tsara vavarano tany aloha aza dia mijaly miandry orana vao azo amokarana raha tsy tototry ny bedana izy (ndlr antsanga)", hoy ity renim-pianakaviana iray izay mivelona amin'ny fambolem-bary ao Tanambe. Nezahina ny naka ny hevitr'ireo teknisiana any an-toerana, saingy tsy nahitam-bokany hatreto.


FAHATAPAHAN-DALANA
MAHAZAKA FIARA NY RANO AO "MANAINGA ZIPO" VOHIDIALA AMBATONDRAZAKA

Raha efa mba tsy dia misy olana intsony ny ao Manakambola, dia tsy mbola miova amin'ny zava-mahazatra ireo mpampiasa làlana kosa hatramin'izao ny afitsoky ny fiakaran'ny rano manapaka ny fifamoivoizana mampitohy an'Ambatondrazaka mianandrefana sy mianavaratra. Matetika no tsy azo andehanana ny ao amin'ny "café" (Feramanga avaratra) sy ny ao "Manainga Zipo" (Vohidiala). Ny antony dia rano be afaka manisaka fiara no mandalo amin'ireo toerana ireo amin'ny vanim-potoana maha be ny orana.

Tsy karama

"Nisy nanandrana niampita fa nofohainy tany niaraka tamin'ilay môtô izay nentin'izy ireo. Maro koa ireo fiara alaim-panahy tratran'ny toy izany eto, satria malaina ny handoa vola aminay mpampita. Izahay ihany anefa avy eo no antsoina hamonjy azy ireny miaraka amin'ny fiara sy ny entana rehetra rehefa tsy tontosa araka izay noheveriny ny fandehan-javatra. Mihevitra izy ireny fa hararaotra no ataonay. Ny anay tsy dia tena karama loatra fa tena vonjy aina mihitsy ho an'ireo izay mila izany", hoy ireto andiana lehilahy izay mahavariana fa havanana amin'ny fiampitana rano be mahafanina mibosasaka mandalo an'ity faritra antsoina hoe "Manainga Zipo" ao Vohidiala.
Ariary 200 ny mampita entana iray na olona iray izay samy antonontonony eo amin'ny lanja. 1.000 ariary na 2.000 ariary ny môtô (araka ny habehany) satria olona maromaro no indray milanja an'iny. Ny fiarakodia kely ihany kosa no sahinay ampitaina, ka izay hifanarahana ihany no saran'ny fampitana", hoy ny fanampim-panazavana. Marihina moa fa misy olona mampita toa io koa ny ao amin'ny "café" izay toerana 3 km avaratry ny tananan'Ambatondrazaka.

Manainga zipo ara-bakiteny tokoa ireo andriambavilanitra rehefa mandalo ny café ao Ambatondrazaka



FETY TAOM-BAOVAO
ENIMPOLO MIANAKA VOAPOIZIN'NY SAKAFO TANY AMBATONDRAZAKA

Tsy nisy afa-bela. Olona miisa 60, mpihavana avokoa, no nentina haingana nampidirina hopitaly tao amin'ny CHRR Ambohimasina Ambatondrazaka, vokatry ny fahavoazana mafy ara-pahasalamana nanjo azy ireo. Raha tara kely, araka ny fanamarihana nataon'ny mpitsabo, dia nety nanahirana ny nitana ny ain'ireto tra-doza. Voambara fa tao ny sady nandoa, narary an-doha be ary tratry ny fivalanana be tsy hay notohaina. Ankoatra izay, araka ny loharanom-baovao hatrany, dia samy niakatra maripana avokoa ireto marary.

Mikiraoba

"Izaho tsy mihevitra hoe ny atody na ny menaka nentina nanaovana izany "mayonnaise" izany no fototra nahatonga ireo olona ireo narary. Mikiraoba tafaraka tamin'io lasaosy vita amin'ny tamenak'atody sy menaka io no tsy maintsy nitondra ny loza. Tsara ho fantatra fa haingana dia haingana ny fivoaran'ny mikiraoba ao anatin'ity karazana laron-tsakafo iray izay tena ilam-pitandremana be ity. Tsy misy afa-tsy ny fanajana ny lafiny fahadiovana no azo antoka. Maro ny mitondra mikiraoba, voalohany amin'izany ny fitaovana ampiasaina, ny tanana ary ny lalitra sy ny rivotra", hoy ny mpitsabo nandray an-tànana ireto marary izay tonga tamin'ny fiafaran'ny tolakandron'ny alatsinainy faha-02 janoary teo, tao amin'ny CHRR Ambohimasina Ambatondrazaka.
Efa samy nahazo fitsaboana sahaza tamin'ny fahavoazana nanjo azy avokoa ireto marary. Ny faha-04 janoary teo dia maro ireo efa afaka nody any Antsangasanga tany niaviany. Kaomina iray any amin'ny tapany atsimo ao amin'ny distrikan'Ambatondrazaka ity toerana ity. Herin-taona ka hatramin'ny 70 taona izy ireo, mian-dahy miam-bavy. Ramatoa be, an-kevitry ny lehiben'ireto mpihavana no zokiny indrindra. Araka ny fanangonam-baovao natao, dia efa zava-panaony ny manasa ireo fianakaviany manontolo hiara hisakafo aminy, rehefa andro lehibe toy ny taom-baovao.

Maro tamin'ireo narary vokatry ny sakafo tany Ambatondrazaka no zazakely



TAPATAPANY

Teraka taom-baovao : Andriamihaja mioratiana, zaza (vavikely) voalohan'ireo ray aman-dreniny izay mponina avy any Ambaiboho Morarano-Chrome Amparafaravola. Izy no zaza teraka voalohany, milanja 2 kilao sy 265, tamin'ny misasakalina mahery 30 minitra, ny faha-01 janoary 2012, tao amin'ny hopitaliben'Ambatondrazaka. Nanamarika ny mpampivelona izay nanao ny fampiterahana fa tokony ho tamin'ny 12 ora (alina) katroka izy no efa tonga soa aman-tsara, fa matetika ny zaza voalohany no ela fihetsehana vao tafavoaka. Tsy nisy nanahirana teo amin'ny fahaterahany.

Hamamoana Iray maty, iray vakiloha (vehivavy) ary telo hafa tsy dia nanahirana. Ireo dimy ireo no olona mamo voatery nahiditra hopitaly tao Ambatondrazaka ny faha-01 janoary teo. Vehivavy ny roa. Renim-pianakaviana, manam-bady, avy any Ambakireny Brieville ilay nianjera ary voadona mafy teo amin'ny lohany, ka mbola voatery arahi-maso ara-pahasalamana ao Ambatondrazaka.

Loza-mpifamoivoizana : Efa-dahy ka ny iray voatery nakarina aty an-dRenivohitra. Fiara kely "citroen" miloko maitso no tratry ny loza, ny faha-02 janoary teo, teo amin'ny toerana antsoina hoe "lalandratsy", sahabo 10 km atsimon'Ambatondrazaka, amin'ny lalam-pirenena faha-44. Potika tsy nisy azo noraisina ny lohan'ity fiara. Araka ny fanamarihana avy tamin'ny zandary dia nanao "tonneau" ilay fiara. Tovolahy nanao "auto stop" teny Ambalavato Manakambahiny Andrefana (17km), ary noraisin'ireto tao anaty fiara, ity voa mafy ity indrindra ity.

JANOARY 2012 | FEBROARY 2012 | MARSA 2012 | APRILY 2012


Site mise à jour le 18/05/2012

Actualités | Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews | Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao

Dr Herizo Rj Kara association BAMAMI Office Régional du Tourisme de l'Alaotra-Mangoro ONG Mihary Ylang.net Rain'Dago Restaurant au goût de Madagascar Radio MAMI FM association zanakantsihanaka