Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao ![]()
|
Ohabolana Malagasy : " Vari-vory amin'abatoraka (karazam-bary) : totoina tsy miray fotsy, ahandroin-tsy miray masaka. " |
JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011
Ny 26 ka hatramin’ny faha-31 joaly izao ao Ambatondrazaka. Ny Mada Pro no nahazo ny antoka amin’ny fanatanterahana ny Lapabe andiany faha-3 ho amin’ny foara rezionaly Alaotra-Mangoro. Ny alakamisy teo no niroso ny fampidiram-bokatra tamin’ireo tranoheva ao amin’ny kianja monisipaly Rasolonjatovo. “Hiavaka ny amin’ity satria haverina amin’ny lazany izay nisy azy fahiny ny fomba enti-manao ny fampidiram-bokatra. Hialohavana mpitsoka mozika izy io ny alakamisy maraina miainga avy eo amin’ny biraon’ny faritra, izay vao miainga avokoa ireo mpampidi-bokatra, fa tsy samy mandehandeha ho azy toy ny nisy teo aloha”, hoy ny tompon’andraikitra anivon’ny Mada Pro, fantatry ny rehetra amin’ny hoe Madame Saholy.
Navondrona
Tsy hisy intsony ireo lampihazo hiparitaka etsy sy eroa, fa havondrona ao amin’ny kianja hampidirana ireo vokatra avokoa izy ireo. Isan’izany ohatra ny lampihazo-na vakodrazana sy fifaninanana ara-javakanto isan-tsokajiny izay nahazatra ny maro teo amin’ny faritra manoloana ny tobin-tsolika Jovenna eo an-tsenan’Ambatondrazaka. Ny “bal populaire” ihany koa dia tsy ho eny ivelan’ny kianja intsony, fa hatao ao amin’ny kianja Rasolonjatovo. Isan’ireo mpanakanto hidina hanao seho any amin’izao foara izao ry Melky, Lola, Jerry Marcos sy ny sisa.
“Ho hita eo ihany ny tokony hatao raha misy fepetra tsy maintsy ho raisina ho amin’ny famerenana ny kianja amin’ny laoniny aorian’ny Lapabe faha-3 ity”, hoy Iarilanto Andriamarosolo, lehiben’ny sampan-draharahan’ny tetik’asa anivon’ny fiadidiam-paritra Alaotra-Mangoro, rehefa notsahivin’ireo mpanao gazety izay navoriny fa isan’ireo kianja lehibe handraisana ny fihaonana nasionalin’ny fanatanjahan-tena an-tsekoly amin’ny fiandohan’ny volana septambra izao ity kianja ity.

Hosoloina trano "arcade" toy ny hita eny Analakelin’Antananarivo ireo trano amin’ny tananan’Antseranana ao amin’ny renivohitry ny kaomina Ambohijanahary Amparafaravola, ary hovolena arabe roa mifanena.
Efa vita ny drafitra. Tetik’asa goavana manaitra raha ny ho tanterahina ao an-tampon-tanànan’Ambohijanaharin’Amparafaravola, any amin’iny faritr’Alaotra iny. Fantatra io tamin’ny fampiantsoan’ny ben’ny tanàna mpanao gazety tao an-toerana, ny antsasaky ny volana jolay teo. "Tsy hihemotra ny fanatanterahana izao tetik’asa fampandrosoana izao izay marihina fa tsy amin’ny tombontsoanay mpitondra akory no fototra nipoiran’izany fa ho an’ny be sy ny maro indrindra indrindra. Olona mandalo ihany ny tenanay eo amin’ny asa fanasoavana, fa ny zava-bita anatin’izany kosa dia hitoetra ho lovain’ny taranaka aman-jafy", hoy Randriamalala Rodolphe, ben’ny tanàna.
Hamorona tanàna
Tsy mandeha ila akory izao fanatsarana endrika tanàna izao, araka ny fanamarihina azo avy tamin’ity tompon’andraikitra ity nandritra ny fotoana izay nitarihany dinidinika sy famelabelarana tamin’ireo mponina ao amin’ity tanàna hananganana fotodrafitr’asa vaovao ity. "Ianareo mponina ihany no hanavao ny fonenanareo, saingy tsy mandeha irery ianareo amin’izany fa misy fanamorana haroso aminareo amin’ny fanatanterahana ity tetik’asa "arcade" ity. Tsy ho lasa fananan’ny kaomina akory ireo trano rehefa vita. Amin’ny maha "arcade" azy kosa anefa, dia manaraka tsara ny endriky ny trano izay voarakitra ao amin’ny drafitra izy tsirairay avy” , hoy ingahy ben’ny tanàna naneho tamin’ireto mponina ny drafitra misy ireo trano haorina. Nambarany fa hisy tanàna vaovao hanara-penitra ihany koa haorina amin’ny faritra andrefanan’ny tampon-tananan’Ambohijanahary.
“Izay mponinan’Antseranana mikasa hifindra eny amin’ity tanàna hisy trano maherin’ny 400 isa ity, dia tonga dia tolorana karatany. Izay tiany avy eo na izy ihany no hanorina ny trano honenany izay tsy maintsy manaraka izay voarakitra ihany koa ao amin’ity drafitra ity, na hampanao izany mpandraharaha ka mandray vita tsy arahina zana-bola”. Tao moa no nankasitraka ity tetik’asa ity tamin’ireo mponina, nisy koa anefa ireo hita fa somary faly sahirana be ihany. Inoana fa mbola hisy hatrany tapatapak’ahitra tsy maintsy hitranga araka izany.

Efa tsy latsaka ny 17 isa ireo olona avy amin’ny fokonolona ao amin’ny faritra Ambohidava Manakambahiny-Andrefana no nahiditra am-ponja momba ity tany mirefy 228 hekitara ity.
“Tsy manaiky izahay raha tsy foanana tanteraka ny baorina, ary averina aminay ny tanindrazanay. Vokatry ny halatra nataon’Atoa Jean Rahamefy no nahatonga an’izao fikorontanana izao. Nanolo-tena hanampy ny fokonolona izy fa hanoratra ny tany ho amin’ny anaran’ny fokonolona. Tsy nisy taminay afa-niditra tao amin’ny biraon’ilay vazaha tompon’andraikitra tao Antananarivo tamin’izany fa nijanona tety an-davarangana. Rehefa nivoaka ilay birao Jean Rahamefy dia nanambara fa vita soa aman-tsara ny fanoratana ny tany amin’ny anaran’ny fokonolona. Taty aoriana anefa dia fantatra fa nosoratany tamin’ny anarany manokana ilay izy”, hoy Razafinatoandro Angèle, renim-pianakaviana iray efa tena lehibe, 80 taona, monina ao Ambohidava Manakambahiny-Andrefana, distrikan’Ambatondrazaka.
Mpanofa tany
Lasa mpihindrana avokoa fa tsy tompon’ny tany araka izany, nanomboka tany amin’ny taona 1944, ireo nonina sy nivelona rehetra tamin’ity velaran-tany ahitana tanimbary sy tanàna ity dia Ambalavary, Fanontaniana ary Mahatsinjo. “Efa hatra tamin’ny taona 1895 ireo ray aman-dreninay no efa niaina teo. Izy ireo no namorona ireo tanàna ao anatin’ity faritra isehoan’ny ady ity. Izy ireo no nanajary sy nanamainty molaly. Ankehitriny, hamidinay izany sa ho taominay ho aiza ireo fasan-drazanay sy tanàna ireo ? Izany ve no rariny na dia mandeha amin’ny lafiny fahaizan-dalàna aza ny famahana olana ity raharaha ity ? Ampy izay fanofanay ny taninay izay”, hoy Rabarison Louis De Gonzague, mponina ao an-toerana, ary mpikambana amin’ny birao nasionalin’ny FMTK (Fikambanan’ireo Malagasy Tsy Manan-kialofana) izay manana ny foiben-toerany ao Antananarivo nanomboka ny faha-14 avrily 2011.
Tazana tonga tany an-toerana tamin’izao hetsika tao Ambohidava izao Mananto Ramambazafy, filoha nasionalin’ity vondrona ity. Nambarany fa efa tafapaka anivon’ny fikambana izay tarihiny ny fitarain’ireto vahoaka an’arivony ireto. Ny orin’asa izay nomen’ny fitsarana ao Ambatondrazaka rariny kosa (taona 2008) hizaka ity tany ity dia nanambara tsotra fa ara-dalàna ny nividianany ny tany tamin’ireo mpandova.



“Nisy feo maro nilaza hoe andefasana miramila sy ampandoavina vola telo alina ariary ireo tokantrano tsy ahitana sainam-pirenena Malagasy mitsangana eo aminy ety ivelany. Tsy nanome baiko ho amin’izany izahay, ary mandray izao zavatra izao ho asa ratsy nataon’olona ratsy sitrapo mba entina hanakorontanana ny saim-bahoaka sy ny filaminana. Tsy handefitra amin’izany izahay ka handray fepetra”, hoy ny kolonely Rambeloson Patrice, lehiben’ny kaomisarian’ny polisim-pirenena ao Ambatondrazaka sy isan’ireo tompon’andraikitra lehibe koa anivon’ny OMC-DIS (organisation mixte de conception) any an-toerana. Nanamafy io fanambarany io koa ny kolonely Razafimaharo Joel, mpandrindra vaovaon’ny DAS (détachement autonome de sécurité) any Alaotra, ny komandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Alaotra-Mangoro, ny sefo distrika ary ny ben’ny tanànan’Ambatondrazaka.
Sahotaka
Nahoraka be taorian’ny fetim-pirenena fa nisy olona manao fitafy miaramila mandaka varavarana mampitandrina mafy tonga tany amin'ny tanàna sy tamin'ny fokontany maro tao Ambatondrazaka fa izay tsy manangan-tsaina dia ho saziana mafy. Rehefa tena nohamarinina anefa izany, araka ny filazan’ireto tompon’andraikitra anivon’ny fokontany tratry ny fanadihadiana dia tsaho ihany, saingy tsaho nahatonga resabe tokoa tany an-toerana. Tao ireo nilaza ny hoe ireo mpivarotra sainam-pirenena tsy nahalany entana tamin’iny fetim-pirenena iny ihany no mety nivoy ilay izy. Nisy koa nihevitra fa mpanao politika te hanoso-potaka ireo miaramila nalefa hampandry fahalemana any an-toerana no tao ambadik’iny vaovao nampisavorovoro iny. Na izany na tsy izany dia niverina niravaka sainam-pirenena avokoa ireo tokan-trano maro izay efa nanala ny azy ny andro nanaraka ny faha-26 jona teo. Hazakazaka tsy nisy toy izany ny fametahana azy ireny ho an’ny ankamaroan’ny olona teny rehetra teny tany an-toerana.

Ireto miaramila andeha hamonjy fodiana efa alina dia alina no tojo lehilahy iray nitam-basy izay tsy iza fa zanaky ny tompon’ny trano izay nitobian’izy ireo tao Amparihintsokatra ihany. Voaambana basy iretsy voalohany ary namaly bontana rehefa avy nanao tifi-danitra.
Tsy nijanona.Lasa nirifatra ity lehilahy, saingy haingana noho ny hazakazaka nataony ny fiantefan’ny bala teny amin’ny tongony. Rehefa natao ny fanamarinana, dia zanak’ilay olona tompon’ny trano izay nanatobiana ireto mpitandro filaminana ity tovolahy izay tonga amin’ny fiteny hoe “nifanena tamin’ny mpaka kitay”. Roso avy eo ny famotorana azy.
Nikoizana
Tamin’izany no nilazany zava-tsy nampino fa jiolahy ikoizana ny rainy, ary tsy vitan’izay koa fa mbola lehiben’izy ireo koa. Tany ho any amin’ny fiandohan’ny volana jona tany no nisehoan’izany tranga izany. Raikitra ary nanomboka teo ny hazalambo nataon’ireto miaramila. Nisy fotoana izy ireo no tafatsoropaka hatrany anatin'ny tsenan’Ambatondrazaka mihitsy. Tazana hoe misy olona karohiny fatratra.
Misy olona ambony havanay
Nody ventiny ny rano natsakaina. Azo tao amin'ny faritra iray ao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka Ra-Gasy, na Rajeranto Gaston. Lehilahy sahabo 64 taona. Izy ilay tompon-trano voalaza tsetsy aloha. Ny marainan’ny alatsinainy faha-04 jolay teo izy io sarona io. Raha ny loharanom-baovao voaray avy tamin’ireo olona nanatrika ny fandehan’ny zava-nisy, dia nisy fotoana ireto miaramila izay nisambotra azy no re niteny nandrahona fa tsy mila izay vola-be akory avy amin-drangahy ity, fa ny manatanteraka ny baiko nomena azy ihany no fantany. Nisy fotoana nahenoan’ny olona an’ingahy Gaston koa niteny hoe : “izaho ma (ndlr : izaho moa) tsy fantatrareo ? Anareo ze miaramila kely ireto mba hagnino. Misy ôl (ndlr : olona) ambony anie l’retsy (ndlr : lehiretsy) havanay e ! "
Vokany lavon’ny bala teo amin’ny sampanan-dalana mihazo ny fokontanin’i Mangalaza, kaomina Feramanga Avaratra Ra-Gasy, io maraina io ihany, tokony tany ho any amin’ny 8 ora sy sasany. Izany dia nihaloavana karazana fifamaliana izay nisy teo aminy sy ireto miaramila, araka ny filazan’ireo olona maro be nanatri-maso ny zava-niseho hatrany. Be tamin’ireo olona nanontaniana no nanambara fa lehibe amin’ireo raindahiny ity lavo ity, ary mbola misy namany karohiny fatratra amin’izao.

Tovolahy iray no miady amin’ny fahafatesana ao amin’ny CHRR Ambohimasina. Izany no vokatry ny gaboraraka ataon’ny sasany amin’ny fampiasana ireo làlana natao ifamoivoizana ao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao. Lasa tery no hany sisa azo aleha ka dia tafasitrika tany amban’ny Kubota – irony trakitera madika irony - izay nivesatra fasika ity ranamana iray, ny tolakandron’ny faha-05 jolay teo, tokony tany amin’ny 2 ora sy 30 tany ho any.
Na fiara mpitatitra, na an’olon-tsotra, na mpandeha an-tongotra na koa mpanao dokam-barotra, dia samy manana anjara mavitrika avokoa amin’ny antony mampikorontana isan’andro vaky izao ny fifamoivoizana ao an-toerana. Tazana ambamin'ny orin’asa lehibe natao ho modely sy fahaiza-mitondra tena imasom-bahoaka tato ho ato izay tafalatsaka amin’ity tsy fanarahan-dalàna ity, na dia hitan’izy ireo izao aza fa misy takela-by mazava be milaza fa tsy azo iantsonana eo amin'ny faritra iray. Eo indrindra ry zareo no manao ny ataony, hoy ny mpandalo.
Nidina ny Ben’ny tanàna
Asa na fifanojoana na ahoana fa tazana tonga teo amin’ity toerana izay fototry ny fisavoritahana ny ben’ny tanànan’Ambatondrazaka. Niresaka tamin’ireto mpiasan’ilay orin’asa izy. Fotoana elaela taorian’izay vao nandao ity toerana ity ireto olona sy ny fiara tsy mataho-dalàna izay nampiasan’izy ireo. Teny amin'ny lalana iray mbola ao anatin’ny faritry ny tsena hatrany anefa izy ireo no nanohy ny nataony avy eo, ary fotoana fohy taorian’ny nigadonan’izy ireo teo, dia tonga nanatevin-daharana azy ireo koa ny fiara be isan-tsokajiny. Ireto farany dia nohon'ny tsy fidiny no nahateo azy ireo. Ny antony dia niandry ny fahatongavan’ny solika tamin'ny toby iray. Tao anatin’izany dia ireto mpiasa manao dokam-barotra manelingelina ny maro an’isa indray no tazana ho nibetroka mpaka sary no sady vao maika nampaneno mafy koa ireo fanamafisam-peo izay avy nangalatra nibahana ihany koa, talohan’izao, ny faritra natao ho fidirana sy fivoahanan’ireo taksi borosy teny amin’ny stasionema.

JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA | OKTOBRA | NOVAMBRA | DESAMBRA
Site mise à jour le 18/05/2012
Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes |
Vaovao ![]()