Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao ![]()
|
Ohabolana Malagasy : " Vari-vory amin'abatoraka (karazam-bary) : totoina tsy miray fotsy, ahandroin-tsy miray masaka. " |
JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011
Nisavoritaka ireo mpandray anjara tamin’ilay hetsika “diabe ho an’ny rano” tao Ambatondrazaka. Niadivana hatreny am-piandohana ny “tee-shirt” sy ny “foulard”. Ho an’ireo nahazo tao aorian’ireo fifandroritana moa dia tsy nandeha tamin’ny laoniny ny nampiasana ity farany fa nanjary saron-doha, ny andro rahateo nigaina tsy nisy toy izany tamin’io.
Tsy tafita ny hafatra
Ny talata faha-22 marsa teo no nanaovana ity rodobe tsy nahazo olona firy ity. Vao teo amin’ny fihaingana dia efa nahitana tsy fahamatorana. Ora iray nahery be taty aorian’ny ora voatondro tao amin’ny fanasana vao tafahainga ilay dia. “Ohatry ny misy fizahan-tavan’olona amin’ilay fizarana “tee-shirt”. Izahay dia tsy nahazo na dia iray aza, nefa dia olona nasaina izao. Marihinay koa anefa fa tsy andeha hiady akanjo na lamba kely hatao fehin-tenda akory no nialanay ny trano, fa tonga mba hamaly ny antso natao taminay”, hoy ireto andiana mpiasa avy amin'ny orin’asa iray tsy miankina, nisafidy ny tsy hitonona anarana. Niavaka kosa anefa izy ireo na tsy nomena tamin’ireto fitafy natokana hankalazana ity ambara fa andro maneran-tany. Akanjo mitondra ny famantarana manokana ny orin’asa misy azy ireo no nijolohan’izy rehetra. Am-polony maro izy ireo no tonga nandray anjara tamin’ity hetsika. “Izahay mpitazana dia azom-panahy nihevitra fa filaharana ho amin’ny fankalazana ity orin’asa no mitranga fa tsy izany diabe ho an’ny rano izany raha nahita ireto mpilahatra nandalo”, hoy kosa indray ny mpian-tsena.
Nisy mpikarakara nilaza fa tsy naharay afa-tsy akanjo 70 isa izy ireo avy tany amin’ny mpikarakara foibe. “Nolazaina tamin’izahay nivory hanomana izao hetsika izao fa mpandray anjara miisa 2.000 no nandrasana tamin’izy ity. Tsy fahafaham-baraka ve no nitranga raha tahiany ka tonga teo daholo izany olona sesehena izany ?”, hoy ireto avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana iray. Nisy tamin’ireo mpilahatra koa anefa nandà tsotra izao ny hanao ireto akanjo na dia voatsongan’ireto mpizara aza fa mba isan’ireo mahazo. “Raha tsy inona ka eto kosa ve izahay vao mody omena an’itony, dia eto no hisolo fitafiana ? Ny hafa anefa efa nomena nialoha, dia afaka nisalotra ny azy hatrany an-tranony. Ento any ny anareo rehefa tsy foy. Izahay angaha miboridana na tsy manao an’ireny aza” . Ankoatr'izay moa dia ady saritaka koa ny teny amin’ny fizarana ireo zava-pisotro, taorian’ireo lahateny ofisialy natao, teo amin’ny faritra misy ny tsena, tamin’izao hetsika nahatonga resabe izao.








Tsy nampino ny mbola nahavelona azy ireo. Moto manana tanjaka 150 cc iray miloko menamena no nifatratra tamina rindrina rarivato iray, tao Atsimondrova Ambatondrazaka, ny antoandroben’ny talata faha-22 marsa, tokony tamin’ny 1 ora sy fahefany. Amin’ilay ora mahabe mpianatra andeha hihazo sekoly iny indrindra. Potika tanteraka ny faritra aloha rehetra tamin’ity moto. Ireo roalahy nitaingina azy kosa nisidina ka nifontraika mafy dia mafy teo ambonin’ireo voninkazo maniry eo amin’ny zaridainan’ny biraon’ny kaomina. Ilay tao afara dia niainga niaraka tamin’ny seza izay nofikiriny.
“Safotra mihitsy ilay tao afara. Mafy loatra angamba ny fitontony ka tsy naharo azy firy ireto voninkazo na dia matevina ihany aza”, hoy ireto olona nahita tsara ny fitrangan’ny loza. Araka ny fanamarihana nataon’izy ireo dia niala fiara iray nifanena taminy no nampifatratra ireto rangahy ireto teny amin’ity rarivato matevina manisina ity zaridaina. “Niala olona izahayfa tsy fiara izany”, hoy fotsiny kosa ny iray tamin’ireto roalahy raha nanontanian’ny mpanao gazety, io tolakandro io ihany, tao amin’ny trano fameloman’ain’ny hopitaliben’Ambatondrazaka. Tazana tamin’izany fa tsy dia nahitana ratra lehibe firy tamin’ny tenan’izy ireo raha ny hita maso. Tsy nahitana diana kodiarana nihisatra mihitsy kosa teo amin’ny lalana nitrangan’ny fahavoazana. “Soa ihany fa tsy voatsenan’io andrin-jiro simenitra be io izy ireo. Azo lazaina fa mbola nisy nitahy ihany izy roalahy”, hoy indray ny mpitazana hafa.
Efa mahazo fikarakarana tandrify azy ireo ao amin’ny hopitalibe ao an-toerana moa ireto rangahy roa izay efa samy zokinjokiny be ihany amin’izao. Olona efa misotro ronono avokoa ry zareo eo amin’ny asa aman-draharaha, raha ny fanampim-baovao azo. Nanamarika tsy noterena ireto ranamana rehefa nohadihadiana fa olona “mifanakaiky” be izany angaha ry zareo, ary sambany nifankahita tamin’io androm-pahavoazana io. Tsipihina fa toerana matetika itrangana loza-mpifamoivoizana tokoa ity am-pahan-dalana amin’ny RN 44 mamakivaky an’Ambatondrazaka tampon-tanana ity. Eo amin’ilay antsoin’ny rehetra hoe “fidinan-dRatatamo”.

Tonga nanefa adidy tamin’ireto olona niisa 36 voapoizin’ny sakafo ny dokotera Richard Rmandehamanana, lehiben’ny faritra Alaotra-Mangoro, sy ny delegasiona notarihiny, tamin’ny marainan’ny alatsinainy faha-21 marsa teo. Rano “eau vive” folo tavoahangy niampy lelavola 10.000 ariary isan’olona no natolony tamin’izany, tao amin’ny hopitalibe ao Ambatondrazaka, toerana izay hitsaboana ireto mponina avy ao amin’ny “Abattoir” fokontany Avaradrova-Avaratra. Tsahivina fa sakafo nohanina ny antondron’ny asabotsy faha-19 marsa no nanomboka nankarary ireto olona ireto, raha araka ny fanazavana azo tamin'ny mpitondra marary. Ny alahady nanaraka an’io anefa vao tonga nisesy namonjy ity toeram-pitsaboana ny an-kabezan’izy ireo. Avy hatrany dia nandray an-tanana azy ireo kosa ny CHRR ao an-toerana. Raha ny tsiliam-baovao voaray dia nifampizara henan-kisoa izany ireto olona ireto nialoha izao tranga izao. Saiky mifamatotra akaiky amina rohim-pihavanana izy ireto. Havana ihany ilay fototra niandohan’izany hena izany. Tratran’ny tsy maintsy ity farany, ary voatery namono kisoa – kisoa nompiany – ary nivarotra izany tamin’ireto fianakaviany. Misy kosa anefa ireo manombatombana fa menaka no nahavoa ireto olona. Nilaza anefa ny sasany tamin’ireto niharam-pahavoazana fa tsy nihinana afa-tsy katsaka. Efa mihatsara avokoa amin’izao ny toe-pahasalaman’izy ireo.


Tsy nanampo ka maro no tratra. 35 isan-jatony tany ho any tamin’ireo fiarakodia nosavaina taratasy dia tsy mpanara-dalàna avokoa. Tao koa ireo efa tena niharan’ny tsy fetezana isan-tsokajiny eo amin’ny lafiny teknika toy ny hoe tsy mihinana tsara ny fampijanonana azy, jiro tsy mirehitra, varavarana sarotra sokafana avy any anatiny. Ireo fiarakodia fitateram-bahoaka no tena maro an’isa ka mitarika ny laharana amin’izany eo amin’ny isany ry zareo fiara karetsaka.
“Tratra aiky iny ny farany. Aiza ma ka tsy mba amboarina mitsy ny fiara fa dia ny hanangom-bola foana no mahamaika. Damo eky (ndlr: sendra aika) anao zay. Hoano (ndlr: ataovy) ihany ka…” hoy ny lehiben’ireto mpitazana teo amin’ny La Place Ambatondrazaka, toerana an-kalamanjana be izay tsy maintsy nolalovan’ireo fiara rehetra nifamezivezy na koa niditra na nivoaka ny tampon-tananan’Ambatondrazaka, ny alakamisy faha-16 martsa lasa teo, nandritra ny tontolo andro izay nanaovana ity hetsika tsy an-kilazalaza nataon’ireto tompon’andraikitra.
“Ezaka himasoana ny hanohy ny toy izao fa tsy hoe androany ihany dia samy maka ho azy. Izahay tompon’andraikitry ny filaminana dia tsy mikely soroka hanatontosa hatrany ny adidy ankinina aminay. Tsy anavahanay an’iza na iza ny tokony hanajan’ny tsirairay ny lalàna”, hoy Rambeloson Patrice, kaomisera anivon’ny polisim-pirenena ao Ambatondrazaka izay nitarika ny hetsika. Tsipihina fa nanome tànana navitrika tamin’izao fandraisana andraikitra noderain’ny rehetra izao koa ry zareo zandary any an-toerana. “Nosavain’izy ireo taratasy sy nanaovana fitsapana teknika mbamin’ny fiaran’Atoa ben’ny tanàna”, hoy hatrany ireto mpitazana liana dia liana.
“Teto ihany dia natao ny fitsapana ara-teknika ireo fiara rehetra. Ireo nisy tsy ara-dalàna dia samy nahazo fetr’andro ahafahany manamboatra. Dila izay dia mankeny aminay indray ry zareo hanaovana ny fitsapana manaraka na ny contre visite. Raha mbola tsy mahafa-po dia miverina toy izany hatrany hatrany”, hoy kosa ry zareo avy ao amin’ny centre de sécurité routière. Ankoatra ny fiarakodia moa dia maro be ireo bisikilety sy moto no voatazona tao amin’ny lapan’ny tanànan’Ambatondrazaka vokatry ny taratasy na pitsony hafa tsy manara-dalàna. Tompo-marika voalohany tamin’izy ity moa ny kaomina any an-toerana.

“Tsy tokony atakalo vola ny tanora. Tsy ny vola sy harena no maha tompon-daka eran-tany fa ny atlety. Tsy natao ho ana faritra na tanàna voatokana ny hamiratra amin’ny fanatanjahan-tena, fa natao ho an’izay rehetra vonona ny handroso amin’izany sy hanatsara vokatra ho any amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ary mahatandrina izay rehetra fitsipika tsy maintsy arahina amin’ny maha fanabeazana ny fantanjahan-tena”. Hentitra ny nanambaran’ny Me Randrianajasoa Joêl izany raha nampiantso mpanao gazety izy naneho tatitra momba ny lalao nasionaly N1 B ho an’ny taranja baskety izay natao tao an-drenovohitry ny Nosy farany teo. Nanambara ity filoha mpanorina ny klioba BBCA Ambatondrazaka ity fa nisy fitongilanana teo amin’ny fitsarana ny lalao izay tokony nahatafakaran’ny ekipa izay tarihiny hiakatra tamin’ny lalao manasa-dalana. “Ny maha mpitsara ny mpitsara dia mitsara araka ny hitsiny fa tsy amin’ny an-daniny. Io toerana tsy izy io anefa no nipetrahan’ireo mpitsara ny lalao ampaha efa-dàlana nataonay, ka nahatonga anay tsy tafiditra akory ho isan’ireo tarika voasokajy ho N1 A izay zakanay tsara”, hoy hatrany ity filoha naneho ny halahelony sy ny hatezerany. Nomarihin’Atoa Lelaka Louis, filohan’ny delegasiona Alaotra-Mangoro tamin’ity fifaninanana nasionaly ity fa eo amin’ny sokajy izay misy ny ekipany ankehitriny dia ny BBCA Ambatondrazaka no mitarika eo amin’ny vokatra azo.
Vao roa taona no niforona ity tarika ity ary izao efa nisolo tena sahady ny faritra izao teo amin’ny sehatra nasionaly. “Niala tsy ho filohan’ny seksiona ny tenako vokatry ny hambom-po te hanaporofo eo imason’ny mpitia sy mpiangaly taranja baskety fa manana tanora afaka hitondra avo izany taranja izany Ambatondrazaka. Hatrizay dia nataon’ny mpanana fitaovana fangalana tsy an-drariny atlety fotsiny ny teto. Voaporofo tamin’ireo dingana efa vitan’ny BBCA izany na dia teo aza ny fiangaran’ny sasany vokatry ny fitiavana te hanao ampihi-mamba izay laza kely sy voninahitra. Izahay kosa na hivoaka ranomasina aza mahasahy ary matoky fa tsy maintsy hahazo vokatra tsara”, hoy hatrany ireto tompon’andraikitra.

Ao amin’ny sekolim-panjakana Antsahatanteraka Ambatondrazaka. Tonga tany an-toerana mihitsy ireo teknisiana avy aty an-drenivohitra anivon’ny foibe mpamantatra ny toetr’andro nametaka ireo fitaovana manokana sy ireo kojakoja entina mandrefy maripana sy ny mety ho toetry ny andro ao Ambatondrazaka sy ny manodidina. Mamatsy vola izao tetik’asa izao ry zareo Unicef izay miara-miasa akaiky amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. “Misy fiofanana manokana omena ireo mpanabe, ka ry zareo ihany no maka ireo “zavatra” ambaran’ny fitaovana. Isan’andro tsy miato ny fangalana ireo “informations” ireo amin’izany, ary iny avy eo no alefa eny amin’ny foibe misahana ny famantarana ny toetr’andro”, hoy Ratovo Tahaka Miandravola, talen’ny foibem-paritra fanabezam-pirenena Alaotra-Mangoro, nanazava fohifohy. Raha izany no izy, dia andrasan’ny rehetra manomboka izao ny mba fahitana amin’izay eny anivon’ny haino aman-jary na koa gazety izay mba toetr’androisan’andro any Ambatondrazaka any. EPP miisa roa no hasiana ireto fitaovana ireto, ka isan’izany ny sekoly EPP iray any Amparafaravola.

Voly hazo : Velaran-tany 5 ha no voavoly zana-kininina tao amin’ny fokontany Ambohidava Ambatosoratra. Hetsika izay natao tamin’ny faha-17 martsa lasa teo tao anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Ny fikambanan’ny tangalamena miaraka amin’ny an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra no tompo-marika tamin’izy ity. Ho an’ny faritra Alaotra-Mangoro kosa dia 12 ha no novolena zanakazo, hetsika izay natao ny faha-12 martsa, tao Ampamoho Befoza Andilamena.
Havaozina ny tsenan’ny trondro : Nidina nijery ifotony ny zava-misy ao amin’ny toeram-pivarotana hazandrano ao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka ny avy ao amin’ny faritra Alaotra-Mangoro sy ny fiadidiana ny tanàna. Tsikaritr’izy ireo tamin’izany ny fahatsentsenan’ny tatatra fanarian-drano maloto sy ny fahasimban’ny fotodrafitr’asa momba ny jiro ao amin’ity toerana ity. Maminavina ny hanao fanarenana ity tsena ity araka izany ireto tompon’andraikitra.
Diaben’ny rano : Handeha an-tongotra hamakivaky ny tampon-tanàna ao Ambatondrazaka ny tompon’andraikitra maro be any an-toerana amin’ny faha-22 martsa izao. Izany dia hetsika entin’izy ireo manamarika ny andro maneran-tany ho an’ny rano. Amin’ny toerana maro dia mandeha hatrany amin’ny 6 km ny vehivavy vao mahita rano, hoy ny foibem-paritra misahana ny rano ao Ambatondrazaka. Ny mba hiainan’ny rehetra izany fijaliana sy fandaniam-potoana izany no anton’izao diabe izao, ka hahatonga ny rehetra samy hikaroka vahaolana hampihenana io halavirana azo ahena io.
Fanolanana : Vadina mpanabe iray no novetavetaina jiolahy mpandroba niisa 15 tany amina fokontany iray ao anatin’ny distrikan’Andilamena. Efa tsara ny toe-pahasalaman’ity niharan’ny habibiana taorian’ny tsy maintsy nampidirana azy hopitaly. Efa samy voasambotra avokoa moa ireto tsy mataho-tody ary efa mifonja ao Ambatondrazaka. Efa-dahy hafa kosa, jiolahy sady mpanolana ihany, no sarona tao Manakambahiny Andrefana, any Ambatondrazaka, ny faha-11 martsa lasa teo, niaraka tamina jiolahy mitam-piadiana mpanakan-dalana niisa 7.

JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011
Site mise à jour le 18/05/2012
Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes |
Vaovao ![]()