MAY 2011

JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011


MIARAMILA NALEFA ANY ALAOTRA
JIOLAHY IRAY ISAN’ANDRO NO MATY

Mifanesisesy ny fahalavoan’ireo jiolahy ela nitoratorahana tany Alaotra. Tsy mitsitsy ireo miaramila izay nalefa any vao tsy ela hanamafy ny fampandriana fahalemana ny fiaraha-monina.

I Badoda izay nantsoina koa hoe “Ben Laden Gasy” no nanokatra ny lisitr’ireo jiolahy raindahiny eo amin’ny asa fandravana sy fampitondrana faisana ny toerana maro any Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Ny ampitson’izay dia nanaraka ny diany koa i Prôsy avy any Antokazon’ny kaomina Feramanga Avaratra, ny alakamisy lasa teo rehefa noraran’ireo miaramila mba tsy hanohy ny fandosirana nataony. Omaly zoma dia anjaran-dry Léa indray. Jiolahy nampiteny ny moana tokoa rangahy io teo amin’ny lafiny fampihorohoroana. Nanan-tombo tamin’ireto ratsy mitovy taminy kosa izy teo amin’ny sehatry ny fametavetana. Havanana amin’izany izy sy ireo forongony, hoy ireo mponina. Tao Ambohipasika Station Ambohitsilaozana izy ity no norambasan’ireo miaramila. Ireo lavo ireo hatreto dia samy isan’ireo mpitarika andian-jiolahy avokoa raha ny filazan’ny olona nohadihadiana.
Raha ny vaovao voahangona teny amin’ny làlana Ambodigavon’Andingadingana, kaomina ambanivohitra Ambatondrazaka, toerana izay nahalavon’ny bala azy, dia nandositra tampoka i Prôsy. Andeha hihazo kirihitra manamorona tatatra iray somary lalina izy tamin’izay saingy tsy nahaleo ny hafainganam-pandehan’ny bala. Ny marain’ny nisamborana azy avy teny Antokazo, tokony tany amin’ny 9 ora sy sasany, no nisehoan’izany. Anton’io dia nihazo fokontany Andigadingana io ny hoe handeha hanoro ireo namany mpiara-manao asa ratsy aminy izy, hay paika be fotsiny, hoy ireto miaramila nanazava fohy dia fohy.
Mahatsiaro ho miverina tsikelikely araka izany ny fitonian’ireo mponina manoloana izao faharipahana jiolahy izao. Manambara anefa izy ireo fa tena mbola misy karazany sy antokony maro tokoa ireo mpanao ratsy no miriorio any. Raha ny tsilian-tsofina farany dia efa namokatra toy izany koa ireo miaramila napilefa hisahana ny any amin’ny kaomina Amparihintsokatra, anio zoma.




NAMOKATRA SAHADY NY D.A.S VAO NAPETRAKA
LAVON’NY MIARAMILA TAO STATION I BEN LADEN GASY NA I BADODA

Rotiky ny balan’ny miaramilan’ny D.A.S (détachement autonome de sécurité) izay napetraka vao andro vitsy tao Station Ambohitsilaozana Ambatondrazaka ilay jiolahy gaigilahy nampihorohoro efa am-polon-taonany antsoina hoe Ben Laden Gasy, Rakotoarisoa Julien na i Badoda.

Nikiry biby mbola namaly na dia efa voatifitra teo amin’ny takibany aza. Kinga anefa ireto miaramila tao anatin’izany, ka dia nitsirara ihany ity jiolahy izay efa nifanenjahana nandritra ny taona maro tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Niditra avy tao amin’ny hatony ny bala, ary nifontroaka teny amin’ny handriny izay rota mihitsy. Ny alin’ny talata lasa teo, tany ho any amin’ny 9 ora mahery kely no izy izao lavo izao. Izy ilay nantsoin’ny maro hoe Ben Laden Gasy na i Badoda ihany koa. Rakotoarisoa Julien kosa no tena anarany. 32 taona, manambady roa izay samy niterahany anankiroa avy, ka ny iray amin’ireo ankizy dia vao roa volana monja.

Afa-doza

“Azo ihany izy ity! Mahatsiaro ho maivamaivana izahay nialan’io jiolahy tsy mifaditrovana io”, hoy ireto mponina tonga nizaha imaso ity dahalo nampitondra faisana ny kaomina Station Ambohitsilaozana sy ny manodidina ity. Nanambara ireto mpitazana fa mbola misy namany maro mandehandeha any amin’izao. “Tena misaotra ny miaramila izahay amin’izao famongorana jiolahy izao. Angatahinay mba tsy ho zavatra mandalo ihany anefa izany fa hitohy haharitra. Fanirianay mihitsy ny mba hamoronana toby miaramila amin’izay ety aminay fa tena mijaly izahay”, hoy hatrany ireto olona izay tonga maro be tokoa.
Nisy fotoana ity jiolahy mpanolana sy mpamaky trano ary mpangalatra omby ity efa azon’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, tany ho any amin’ny volana oktobra lasa iny, saingy afa-nitsoaka indray. Lasany niaraka taminy tany ny fatotra izay natao taminy tamin’izay. Marihina fa nandritra ny fanenjehana nataon’ireto miaramila an’ingahy Ben Laden Gasy ity, dia samy nihafinafina tany ho any ny namany. Nanjavona tao anatin’ny haizina izy ireo. Nony maraindraina kosa anefa, dia nisy nahatsikaritra azy ireo teny ambonina manga iray maniry midoroboka. Tra-tehaka teo noho izany ry zareo, ka dia noraisim-potsiny. Rakotonanahary Michael (Mika) ny iray, ary Rabenarison Sylvain (Benary) ny faharoa. Avy tao amin’ny tranon’ny sakaizany vavy iray kosa no izao Badoda sarona izao.



"ABATTOIR" AMBATONDRAZAKA
RAZANA EFA NIRARAKA HITA TAO ANATY ZAORIDIRA

Razana efa mihintsana nofo no hitan’ireto mpiasan’ny kaomina tao amin’ny "Abattoir", fokontany Avaradrova-Avaratra, ao Ambatondrazaka, tamin’ny faran’ny herinandro teo.

"Hatairana tsy nisy toy izany ny anay rehetra raha iny nisy zavatra niendrika lohan’olona niavaka tamin’ireo fako izay nakarina mba ho taomina eny amin’ny toerana fanatobiana izany. Teo izahay vao samy tonga saina fa hay tsy tongotra gisa akory ilay zavatra efa hitan’ny iray taminay teo am-pangadiana ireto fako, fa tanan’olona. Efa tena misy olona tsy mataho-tody mihitsy manafangaro razana amin’ny fako", hoy ny iray tamin’ireto mpiasa mpanala fako ao amin’ny kaomina ambonivohitra Ambatondrazaka.

Zazakely

Araka ny filazan’ireto nahita hatrany dia hita nanaraka ny fahitana ny lohany ny fahitana ireo sisa tamin’ity razana nisy nanary (na nafenina) teny amin’ny tobim-pako tao amin’ny "Abattoir" ity, ka isan’izany ny tongony, ireo tanany hafa sisa sy ny vatany. "Ankeviny efa elaela no tao amin’ity zaoridira ilay izy satria efa lo, ary ny toerana nisy azy, raha miala avy ety ambony, dia tany ho any amin’ny roa am-pahatelon’ny halalin’ny fako noesorina teo. Fatin’ankizy no fihevitray azy, ary manodidina ny herintaona eo ho eo raha ny habeny", hoy hatrany ireto mpiasa nanamarika. Izy ireo hatrany no nanampy fanazavana fa noho ny an-kamehana, dia nalevina vonjimaika teo amin’ny faritra tsy lavitra ity nahitana azy ireto taolam-balo mirakotra nofo efa simba be. Ity zoma ity kosa no handevenana ity razana ity any Ambavarano, toerana izay misy ireo fasana natao ho an’ireo razana tsy fanta-tompo ao Ambatondrazaka.
Hatreto dia mbola mijanona ho maizina tanteraka izay mety ho antony nahatonga izao fatin-jazakely mahonena loatra izao ho teny amin’ny zaoridira. Efa misokatra kosa anefa ny fanadihadiana momba izany araka ny filazan’ireo tompon’andraikitra nohatonina. Tsy vao sambany no nisy toy izao tany an-toerana, satria indray maraina izay dia taolan-dava an’olona niisa maromaro koa no nisy nahita teny amina fanariam-pako iray, tao amin’ny ilany atsinanana ao amin’ny fokontany Avaradrova Atsimo.


JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011


Site mise à jour le 18/05/2012

Actualités | Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews | Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao

Dr Herizo Rj Kara association BAMAMI Office Régional du Tourisme de l'Alaotra-Mangoro ONG Mihary Ylang.net Rain'Dago Restaurant au goût de Madagascar Radio MAMI FM association zanakantsihanaka