Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao ![]()
|
Ohabolana Malagasy : " Vari-vory amin'abatoraka (karazam-bary) : totoina tsy miray fotsy, ahandroin-tsy miray masaka. " |
JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011
Ahemotra. Mbola mitohy soa aman-tsara ny fitrandrahana hazandranomamy ao amin'ny farihiben'Alaotra sy ireo rano na koa kamory manodidina azy. Raha ny tokony ho izy, dia ny faha-15 novambra izany anefa no mikatona ary tsy misokatra indray raha tsy aorian'ny faha-15 janoary. Fepetra tsy feno no anton'izao tsy fahatanterahana izao, hoy ny avy ao amin'ny foibem-paritra misahana ny jono sy ny harena anaty rano any an-toerana.
Ilaina mafana
"Ny hafanan'ny miakatra rano ho eo anelanelan'ny 26°C ka hatramin'ny 28°C eo no mitarika fanairana eo amin'ny hazandrano hanatody sy hanaranaka. Izany anefa dia tsy feno koa raha tsy misy rano vaovao tonga ao amin'ny rano izay onenan'izy ireo. Ny orana anefa ity dia zara raha mba nisy ny efa nirotsaka", hoy ireto teknisianina naneho fanazavana tamin'ny mpanao gazety tao amin'ny biraon'ny faritra Alaotra-Mangoro ao Antsahatanteraka Ambatondrazaka tamin'ny faha-16 novambra lasa teo.
Mihena andro aman'alina sy miha ratsy kalitao ny vokatra hazandrano any Alaotra. Tany amin'ny fiandohan'ny taona roa arivo dia zara raha nahatratra 2.400t ireo hazandrano vokatra. Amin'izao, araka ny tarehimarika (novambra 2011) avy eo anivon'ny foibem-paritry ny jono any an-toerana ihany, dia tsy nahitana afa-tsy 564t monja izany. Mitotongana toy izany koa ny farihiben'Alaotra eo amin'ny velarany. Tany amin'ny taona 70, dia mbola nirefy 74.000 hekitara ity farihy lehibe indrindra teto amin'ny Nosy ity. Ankehitriny kosa dia 17.000 hekitara sisa tavela taminy. Zara raha 1 metatra no halaliny amin'izany raha atao salan'isa. Be karazana ireo trondro nampiavaka azy, saingy efa lany tamingana avokoa izany amin'izao fotoana izao. Isan'izany ohatra ny trondro nantsoina hoe "marakely", ny "fonigasy" ary ny "toho" mbamin'ny "baraoa beloha". Ny "besisika" kosa indray dia efa an-dalan'ny maka tanteraka ny toeran'izy ireo ny trondro izay fantatra amin'ny anarana hoe "fibatà".
Mety ho "paika" ny taona. Io no ahiahy mankadirin'ireo mpamboly vary any Ambatondrazaka sy Amparafaravola ami'izao efa volana novambra izao, nefa zara nisy ny orana efa mba nilatsaka. Amin'ny ankapobeny dia voly miankina amin'ny fisian'ny ranon'orana avokoa no misy any Alaotra, koa vitsy araka izany ireo asa momba ny famokaram-bary no manomboka fa dia ilaozan'ny omby miahaka fotsiny eny ireo tanimbary anapitrisany hekitara. Ny taona hoe paika dia tenim-paritra ilazana ny hoe "taona tsy misy vokatra noho ny fahamainan'ny tanimbary". Raha ny tokony ho izy mantsy dia fotoana efa madiva havitana fafy ireo zanabary haketsa amin'ny volana janoary (farafahatarany) izao, araka ny fanamarihan'ireo tantsaha.
Talanjona
"Gaga izahay tantsaha nandre tamin'ny haino aman-jery fa toa ireo toerana sasany misy barazin-drano tsy mifandray akory amin'ny famokaram-bary no noeazahana nisidinana tamin'ny fiaramanidina mba hamoronana orana hampitombo ny rano ao amin'izy ireo", hoy ireto mpamboly monina ao Amparafaravola naneho hakiviana sy fahagagana mafy. Ny fandrotsahana orana artifisialy tany amin'ny barazy toa an'Andekaleka sy Mantasoa farany teo izay volaza tamin'ny fahitalavitra sy gazety antsoratra ity tian-dry zareo ambara ity.
"Ireo dokam-barotra sesilany ihany no milaza sy midradradradra tsy misy farany fa azo atao tsara ny mahazo herin'aratra avy amin'ny alalan'ny fampiasana fitaovana tsofin'ny rivotra na koa tarafin'ny masoandro. Eo koa ny fahafahana mamokatra izany amin'ny alalan'ny milina mandeha amin'ny solika. Raha misy ihany ary akora azo laniana hamorononana orana, nahoana no tsy ireo faritra tena mila orana no andaniana izany sy atao laharam-pahamehana?" hoy kosa ry ingahy ny tantsaha sasany velon-dresaka sy adihevitra lalina.
JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011
Site mise à jour le 18/05/2012
Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes |
Vaovao ![]()