OKTOBRA 2010

OKTOBRA 2010 | NOVAMBRA 2010 | DESAMBRA 2010


FILAHARAM-BE MPINO FLM - MITAKY NY FIALAN’NY PREZIDA SINAODALY

“Ny anton’izao fivoriana izao dia fanehoana amin’ny vahoakan’Ambatondrazaka fa be dia be ny olona no tsy mankasitraka intsony ny fitondran’ny prezidan’ny sinaodam-paritany izay efa iaraha-mahita fa be dia be ny fanodikodinam-bola nataony sy ireo toetra tsy mendrika maro be vitany. Takianay ny fialan’ny prezida sinaodaly tsy misy fepetra”, hoy Charles Emile Ramanotronarison, isan’ireo mpino lohandohan’ny mpisorona hatramin’izay nisian’ny tsy fifankazahoana miseho masoandro anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) aty Alaotra. Nambarany tamin’izao filaharam-be fitakiana ny marina izao fa miombona hetsika amin’izy ireo avokoa ny ampahany betsaka amin’ireo mpino manerana ny fiangonana maherin’ny 60 isa anatin’ny sinaoda.

Iny lalan’iny

Ny marainan’ny faha-24 oktobra teo, nialoha ny fotoam-bavaka fanao isan’alahady no nifamotoana teny amin’ny toerana misy ny tsangam-baton’ireo mahery fo Malagasy tamin’ny taona 47 ireto mpino maro be avy ao amin’ny fiangonana FLM Antsahatanteraka Ambatondrazaka. Teo izy ireo no niainga moramora nanao ity filaharam-be izay namakivaky niatsinana ny fokontany Madiotsifafana, nihazo ny lalana rarivato Amparihikely, nandalo ny tobin’ny polisy Antsahatanteraka, ary niafara tao amin’ny fiangonana izay misy azy ireo. An-jatony maro izy ireo tamin’izany, nian-dahy niam-bavy. Tsy nisy akory sora-baventy nolanjain’ireto mpino afa-tsy ny hoe “FLM Ambatondrazaka tampon-tanàna” izay natao fanilo nitari-dàlana tery alohan’ny filaharana. Hiram-pivavahana tahaky ny hoe “Iny lalan’iny”… no re tamin’ny ampahany tamin’ireto mpino naneho fivondronana manoloana ny tsy rariny izay lazain’izy ireo nataon’ny prezida sinaodaly sy ireo mpiara-miasa amin'ny akaiky. Samy niventy ny azy kosa ireo andiana mpilahatra tsy nifanalavitra filaharana.
“Isaoranay eto ny fitondram-panjakana eto Ambatondrazaka namela anay malalaka hilahatra”, hoy hatrany ingahy Ramanotronarison Charles Emile. Nambarany fa nanomboka ny taona 2008 dia efa maro ireo dingana natao ho fampahafantarana ny foibe FLM sy ny filohany ireo zava-nisy. Ankoatra izay, araka ny nambarany hatrany, ny efa niakaran’ny raharaha hatreny amin’ny fitsarana. “Efa miandry ny fotoam-pitsarana sisa”, hoy izy nanamafy.


KIRAKIRA TARATASIN’NY MPIASA - MIDITRA ENY AMIN’NY CISCO NY SOLOSAINA

Nandalo fiofanana avokoa ireo tompon’andraikitra isan’isany izay misahana sampan-draharaha mikasika ny fikirakirana antontan-taratasy mirakitra ireo mombamomban'ny mpiasa tsirairay avy eo anivon’ny fanabeazam-pirenena. Raha tsorina dia hanomboka hiditra lalindalina kokoa amin’izay izany ny solosaina sy ny hiakan’ireo teknolojia avo lenta amin’io lafiny io mba hisian’ny fanamorana bebe kokoa ny fitantanana ity sokajin-draharaha maha be menomenona ity eo amin’ny mpanabe sy ireo mpandraharaha. Isan’izany ny resaka “avancement”.
“Dren 8 isaky ny mandeha no samy isian’ny hetsika fampiofanana toy izao manerana ny Nosy. Efa nisy ihany ampahana dingana niandoha talohan’izao saingy niara-nahita ny tsy maintsy nampandehanana ihany koa ireo fanadinana maro isan-tsokajiny, ka voatery izao indray vao mitohy. Ny eo anivon’ny Dren dia efa milamina fa ny eo anivon’ny cisco izao ireto andiany eto ireto”,
hoy ny fanazavana azo avy tamin'ny tompon’andraikitra mampandeha izao fiofanana izao. Niandoha ny alatsinainy faha-25 oktobra teo izy ity, ary naharitra 5 andro teto Ambatondrazaka.

Manaitra avy hatrany

Nitsinjara ho roa ireo taranja nohalalinina tamin’izao fidinana ifotony nampiofana tompon’andraikitra izao. Teo ny lafiny fanatsarana traikefa amin’ny resaka fitantanana sy fikirakirana “base de données” mikasika ny mpiasa tsirairay avy ao anivon’ny fanabeazana. Manaraka dia ny fahaiza-mifehy ny “logiciel” izay novokarina manokana hisahanana izany. Vokatra iray amin’ireo maromaro vitan’ireo manam-pahaizana mpikaroka ao amin’ny DTIC an’ny ministeran’ny fanabeazana moa izany. “Amin’io taona mitsidika io dia efa tsy hanana olana intsony amin’ny fikirakirana ireo antontan-kevitra (base de données) ireo rantsamangaikan’ny ministera foibe sy ny ministera rahateo. Hifandray any amin’ny ministera amin’izay manomboka eo ireo milina (solosaina) rehetra. Raha sendra tara ohatra ny avancement-n’ny mpiasa iray monja, dia mandefa fanairana avy hatrany ny milina foibe”, hoy hatrany ireto mpampiofana nanamarika.


VITA FANATSARANA NY TRANOMPOKONOLONA

“Iray amin’ireo fampanantenana izay natao izao tanteraka izao. Misy ireo mbola an-dàlana ny famitana azy. Izao no natao dia mba ho tombontsoan’ny vahoaka hatrany. Irianay fotsiny ny mba aha-samy tompon’andraikitra ny mponina tsirairay amin’ny fikajiana ireo asa vita”, hoy ny Me Jacques Andriamanirison Nirina Nampoizina, ben’ny tanànan’Ambatondrazaka. Tamin’ny fotoan’androny dia nampiasaina ho efitra fandefasana sarimihetsika ity tranompokonolona izay nohatsaraina ao Atsimondrova ity. “Ciné Tsara” no anarany tamin’izay ankoatran'ny maha-tranompokonolona azy. Amin’izao dia nohavaozina ny lokony, ny lokony izay tsy nandia izany mihitsy na indray mandeha nandritra ny am-polon-taona maro nifandimby. Nasiam-panavaozana ihany koa ny ao anatin’ny trano. Rehefa navalon’ny ela sy ny taona ny sarimihetsika, dia ny fitsarana indray kosa no mampiasa ny trano hanaovany ireo fotoam-pitsarana fanao isan’alarobia indraindray. Ny tsininy kely amin’izy ity, hoy ny mpandalo, dia ny trano nihatsara endrika, fa ireo mpivarotra hani-masaka dia mbola mitokona tsy mety miala fa misisika mamelatra entana ihany eo an-tokontany manamorona ny arabe. Eny fa na dia efa nohatsaraina nasiana voninkazo tsara tarehy maniry aza izany. Mety ho fanilihina an-kolaka azy ireo mihitsy no nanaovana ihany koa ireo zava-maniry, saingy tsy tafita ny hafatra hatreto.

ranom-pokonola-Atsimondrova-Ambatondrazaka


ANDIANA MPIOFANA NIVOAKA

C.F.M.E.C.A.PRO na koa tsorina amin’ny hoe ivon-toerana fanofanana eo amin’ny fikirakirana fiara. Izay izy teny am-boalohany, tany amin’ny taona 2004 izay niandohany. Namoaka andiana mpiofana indray ity sekoly mekanika ity ny alakamisy teo. Miisa 210 mianadahy ireo navoaka ka ny 100 amin’izany no nanao ny sampana mekanika, 70 nianatra namily fiara , 30 nifototra tamin’ny informatika. Samy namoaka mpiofana niisa 5 avy kosa ny sampana eletronika sy ny zaitra. “Samy nahazoana fankatoavana feno avy tamin’ny fanjakana avokoa ireo taranja ireo. Atsy ho atsy kosa izany ho an’ny sampana taovolo”, hoy Emeraude Melchisedek Randriarisaina, tale mpanorina ny C.F.M.E.C.A.PRO ao Sabotsy Atsimondrova Ambatondrazaka. Nanambara ity tompon’andraikitra ity fa mahatratra 200 isa isan-taona ireo tonga mianatra mamily fiara sy ny lalanan’ny fifamoivoizana ao amin’ny sekoly. Nisy tamin’ireo mpiofana navoaka izao no nahavita nanao taranja telo na efatra indray niaraka.


MARIHIVANA AMBATONDRAZAKA
VONO OLONA MAHATSIRAVINA NOKAPAINA TAMIN’NY ZAVA-MARANITRA ARY AVY EO NOTOTANA VATO BE NY LOHANY

Lehilahy iray manodidina ny 50 taona, mirefy 1,60 m, efa somary misy volo fotsy no hita faty tao amin’ny toerana iray manamorina ny lalana mianavaratra vao 2 kilaometatra monja miala ny faran’ny tanàna 67 ha Ambatondrazaka. Tamin’ny fomba feno habibiana mampari-koditra no namonoan’olon-tsy fantatra ity lehilahy ity. Diana zava-maranitra maromaro izay tena lasa alina ka nahavakivaky ny karandohany no hita teo aminy avy ao afara sy ny ilany havia. Toy ny habean'ny lelam-pamaky ireo vava fery mankadiry. Mpandalo no nahita ity faty ny marainan’ny omaly alahady.

Nofisahina

Tsy vitan’izay fa fisaka mihitsy izany loha izany ary tazana nipotsaka ny atidohany. Mbola tazana teo akaikin’ity faty ity ireo vato izay mihosin-drà. Tsy nisy izay tsy naharikoriko ireo olona mpandalo ka tonga nizaha ilay razana sao mba olona fantatra na koa fianakaviana. “Mety ho nasiana tamin’ny famaky tany ho any izy io, vao naterina teto, ary teto vao nototana vato. Raha teto no tena namonoana an’io, dia tsy maintsy ho rà be nandriaka no hita teto. Jereo anefa fa na ny ankanjony ireo aza toa tsy dia ahitana rà firy akory”, hoy ireto manam-pahaizana manokana avy ao amin’ny CHRR Ambohimasina Ambatondrazaka izay tonga nanao fizahana ifotony ny razana. Natao savahao ireo toerana rehetra manodidina ity toerana nahitana izao zava-nahatsiravina izao mba hijerena sao mba tsy lavitra teo no ahitana izay mety ho dian-drà nifatsitsitra, saingy tsy nisy izany hatreny amin’ny 25 metatra nanodidina. Voamarina kosa ny toerana nakana ireo vato izay tsy lavitra loatra teo.

Iza io?

Hatry ny omaly maraina dia tsy mbola nisy tamin’ireo olona mpandalo nizaha teny amin’ity toerana ity nilaza fa mahafantatra ity namoy ny ainy. “Olona tena tsy fantatro io, tsy isan’ireo mponina ao aminay”, hoy ny lehiben’ny fokontany ao Miadandririnina, kaomina Feramanga Avaratra. “Na izany aza dia ankinina aminareo kosa ny fanitrihana ny razana amina toerana atokanareo ho fasam-bahiny mandra-pitrangan’izay mety ho havany. Maka ianao vatan-dehilahy maromaro aorian’ny fanaovana ireo taratasy ilaina mba hitondra azy ho etsy Ampanobe izany”, hoy kosa ireto mpitandro filaminana niangavy fiara-miasa. Nanaiky hiantsoroka izany adidy izany moa ity lehiben’ny fokontany na dia nanamarika aza fa andrizareo eny Ampatakana ity faritra nisiana habibiana ity. Rehefa nosavaina ireo fitafiany dia tsy nisy na dia taratasy na dia iray aza nilaza ny mombamomba ity olona nisy namono.
Malaza ratsy tokoa raha ity faritra iray ity eto Ambatondrazaka. Antsoin’ny olona hoe “Café” moa izany toerana izany. Efa be ireo namoy ny ainy tamin’ny fomba feno habibiana hatrany amin’ity ampahan-dalana amin’ny RN44 ity. Ny hany mba voamarika dia briquette à gaz iray mbola feno, sigara Malagasy iray miampy tapany, ary kapa iray miloko volontany tsy misy ilany no hita teo akaikin’ny razana. Short miloko mavo no mbola teny an-kodiny.


FIARAHA-MIASA FANJAKANA–TSY MIANKINA - 11 IREO SEKOLY NAHAZO FAMATSIANA

Natolotra tamin’ny tapakandro marainan’ny alakamisy faha-21 oktobra lasa teo, tao amin’ny efitrano’ny sekoly N’abc ao Sabotsy Ambatondrazaka, ireo taratasy mirakitra fifanekena fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sekoly tsy miankina nahazo izany aty Alaotra-Mangoro. Miisa 11 ireo ivon-toeram-panabeazana tsy miankina nahazo izany tombotsoa manokana izany. “Saiky voatsonga ao avokoa ireo sokajim-piadidiana rehetra misy eo amin’ny lafiny fanabeazana izay misy ato anatin’ny foibem-paritra fanabeazam-pirenena Alaotra-Mangoro. Antenaina fa hipaka hatreny amin’ireo ankizy izay beazina izao tolo-tànana ataon’ny fanjakana izao”, hoy Georges Rakotonirina, tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny sampan-draharaha momba ny fanabeazana ao amin’ny Dren Alaotra-Mangoro.

Contrat programme

Fifanekena atao hoe contrat programme izao natolotra izao ary nifanaovana sonia teo amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga avy sy ireo mpahazo tombon-tsoa. “Tsy voatery ho vola fa mety ho fampitaovana ihany koa no voarakitra ao anatin’ny fifanarahana izay eo ambany fiahian’ireo tompon’andraikitra tandrify izany eny anivon’ny cisco ny fanaraha-maso ny fanatanterahana izany araka ireo fem-potoana izay efa voamarika avy any anatin’ireny fifanarahana ireny”, hoy kosa ireo iraka manokana avy eny amin’ny ministeran’ny fanabeazana tonga nanolotra izao an-tontan-taratasy izao taty an-toerana. Hita ao avokoa na ambaratonga voalohany, na faharoa na lycée. Sekoly miisa 6 no nahazo ho an’ny cisco Ambatondrazaka ka isan’izany ny N’abc izay nampian-trano ny lanonam-panolorana. 4 kosa izany ho an’ny any Amparafaravola, raha tokana monja kosa no mba nahazo any Moramanga. Ny sekoly lycée FJKM io.
Mitontaly 167.229.145 ariary (836.145.725 Fmg) ny teti-bidin’ireo tolotànana mitambatra, ka ny 42.123.869 ariary amin’izany dia lasan’ny lycée FJKM Moramanga. 26.887.400 ariary ho an’ny lycée Avenir Amparafaravola, ary samy nahazo 4 tapitrisa ariary monja avy ny sekoly Mialin-jaza sy N’abc Ambatondrazaka. Niisa 923 ireo fangatahana voarain’ny ministeran’ny fanabeazana manerana ny Nosy. 194 tamin’izy ireo no nahazo fankatoavana izay mitentina 2.700.000.000 ariary.


VAKY FIANGONANA ORTODOKSA - SARON’NY POLISY I MAMY SY RUPHIN

Voasambotra ny faha-19 oktobra lasa teo, vao maraina be, tao amin’ny fokontany Ambalabako (kaomina Ambatondrazaka faha-2) ireo roalahy nikasa hivarotra môtô Mak 125 cc miloko manga. Môtô-an'ny pretra anivon’ny fiangonana Ortodoksa ao Ambodimanaga Ambatondrazaka izy io. “Satria nanao fanarenana trano fonenana ny pretra, dia voatery nafindra teny amin’ny fiangonana ilay môtô, raha araka ny filazan’ilay pretra izay tonga nametraka fitarainana teto aminay andro vitsy lasa izay. Rehefa natao ny fikarohana dia sarona teny Ambalabako io zavatra io”, hoy Patrice Rambeloson, kaomisera ao Antsahatanteraka. Nambarany fa fiara-miasa tamin’olona tsara sitra-po no antoka iray voalohany nahafahana nahitana fahombiazana tamin’ity raharaha mikasika vaky fiangonana ity.

Namitaka

Ankoatra an’i Maminirina sy Ruphin izay sarona, dia mbola eo am-panongoana dia an’izany Patrick izany koa ny polisy amin’izao. “I Patrick sy I Maminirina no tena nanao ny famakiana ilay fiangonana. I Ruphin kosa avy eo no nitady toerana hanafenana ilay môtô mandra-pahitana izay mpividy azy. Olona fantany monina ao Ambalabako no Nametrahany azy io. Nofitahiny hoe avy tany Amparafaravola izahay, ary azon-tsampony tampoka ity môtô ity, ka mba avelanay eto aloha fa mavesatra atosika be, dia sady handeha haka mpanamboatra izahay”, hoy hatrany ny fanampim-panazavana avy tao amin’ny kaomisaria. Ny faha-17 hifoha faha-18 oktobra lasa teo no nisy ity asa famakiana tranon’Andriamanitra ity. Tsy nisy zavatra hafa nalain’ireto mpangalatra anefa afa-tsy io môtô io irery.
Tsy sarotra ny nametraka ny ahiahy tamin’ity raharaha ity noho izy telolahy ireo izay efa malazalaza ratsy hatrizay tao an-tanànan’Ambodimanga. “Tena misy tambajotra mihitsy amin’ity halatra môtô ity eto Alaotra. Efa tsy ho ela anefa dia ho sarona avokoa izy ireny satria efa fantampatatray daholo”, hoy hatrany ny kaomisera Patrice nanome toky tamim-pahavononana tanteraka.



MPANOHANA NY “ENY” - MANOMBOKA IREO HETSIKA BEVATA

Hanomboka amin’izay ireo hetsika mahazatra ny fijerin’ny mpitazana amin’ny resaka fampielezan-kevitra ety amin’ny distrikan’Ambatondrazaka sy ny faritra Alaotra-Mangoro, raha ny nambaran’ireo mpikambana ao amin’ny rantsana rezionaly amin’ny fampandaniana ny “Eny”. “Misy filazana fa matory izahay. Fijery ivelany ihany izany izay tsy anomezana tsiny an’iza na iza. Niandoha tamin’ny fananganana ireo rantsamangaikan’ny KME (komity mpampandany ny Eny) hatreny amin’ny fototra ireo hetsika niantsorohanay. Avy eo dia mitohy amin’ny ezaka fampahalalana ny vahoaka fa hisy fifidianana hatao. Manaraka kosa dia mandeha amin’izay ny fitaomana ny mpifidy handrotsaka ny safidy Eny”, hoy FIDY Herintsoa, filoha rezionaly KME Alaotra-Mangoro. Nanamafy izany Samoela Randriakoto Harimanantsoa, mpanetsiketsika anivon’ny KME sy Maka Nasolo Ratsimba Jean Elie. “Androany asabotsy izahay dia hidina eny amin’ireo fokontany 9 eto an-tampon-tanàna hanao io fampahafantarana ny vahoaka io fa hisy fitsapan-kevibahoaka amin’ny faha-17 novambra ho avy izao. Mitohy hatreny amin’ireo eo anivon’Ambatondrazaka faha-2 izany”, hoy ny mpikambana KME Ambatondrazaka. Iry alatsinainy ho avy iry moa dia hisy ny antsoin’izy ireo hoe Mega Propagande. Hatao eo amin’ny faritra malalaky ny Jovenna an-tsena eto an-toerana izany ny tontolo andron’io. Efa mipariaka mameno tanàna moa amin’izao ireo affiches sy ireo T-shirt “Eny”. Ry zareo “Tsia” kosa dia tsy mbola re tsaika hatramin’izao.

MANGINA NY FAMPIELAZAN-KEVITRA

“Toa zary honohono izany hoe hisy fitsapan-kevi-bahoaka hatao ato ho ato izany fa toa tsy mba hita taratra firy akory izay hetsika ataon’ireo mpanohana ireo safidy isan’isany aty amin’ny tanàna. Na ilay lalàna hitsapana hevitra aza toa tsy misy mbola tonga ety hatramin’izao, nefa henonay fa dia zarazaraina eny rehetra eny izy io any an-drenivohitra sy toeran-kafa koa”, hoy ireto mpandeha taksiborosy avy any Andilamena. Mangingina tokoa ny fampielezan-kevitra momba ny fanohanana ny Eny na Tsia ity aty Alaotra. Ny mpanohana ny Tsia moa dia tena tsy re mihitsy ary tsy mbola misy mahasahy miseho masoandro hatramin’izao ety an-toerana. Ny mpanohana ny Eny izao no efa niseho kely tamin’ny alalan’ny famoriana mpanao gazety tamin’ny alahady lasa teo tao Avaradrova. Tonga taty mihitsy tamin’izany ny dokotera Richard Ramandehamanana (lehiben’ny faritra Alaotra-Mangoro teo aloha) amin’ny maha filoha nasionaly azy eo anivon’ny vondrona mpampandany ny Eny. Nilaza moa ireo olona sendra nanontaniana teny an-dàlana rehetra teny fa tsy vitan’izy ireo noho ny tsy fisian’ny fotoana ny hanaraka ilay fanazavana ny lalam-panorenana vaovao hitsapana hevitra ity ao amin’ny televizionam-pirenena. “Mila manana azy io eo am-pelan-tànana mihitsy izahay mba ahafahanay maka ambony maka ambany tsara izay tena votoatiny sao handatsadatsa-bato fahatany indray…”, hoy izy ireny nanipika mazava.

propagandy


NANOVA STAFF NY BEN’NY TANANA

Niova nanomboka tamin’ny alatsinainy faha-11 oktobra lasa teo ireo tompon’andraikitra mandrafitra ny mpanatanteraka ao amin’ny kaomina ambonivohitra Ambatondrazaka. Nanantsoana sefompokontany sy mpanao gazety ny famakiana ny didy ho fampahafantarana izany iny voalohan’ny herinandro iny. Fantatra ary fa ny mpisolovava Joel Randrianajason no lasa lefitry voalohan’ny ben’ny tanàna. Andriamatoa Faustin Rafaralahy Augustin no lefitra faharoa, ary Paul Ramahefa kosa no fahatelo. Vao ny androtry ny nanendrena azy moa dia efa tazana nandray andraikitra mavitrika tamin’ilay loza nahazo ny tao Atsimon-Tsena ity farany. Sekretera jeneraly vaovao kosa ingahy Zandrison Ratovoarimanana izay efa mpiasa anivon’ny kaomina Ambatondrazaka ihany hatrizay. Raha hisy izany tsy maintsy ho fametraham-pialan’ny ben’ny tanàna am-perin’asa amin’izao raha tahiana ka mbola hirotsaka ho mpifaninana ny tenany amin’ny kaominaly ho avy io, dia ny Me Randrianajason Joel no hisahana ny fanohizana ny fiadidiana ny tanàna.


TRANO TELOPOLO KILAFOREHITRA - NORAVAN’NY AFO NY TETO ATSIMON-TSENA AMBATONDRAZAKA

Tsy nisy azo natao fa dia nafoy tao anatin’ny fotoana vitsy na vary na vola na kisoa, ambamin’ny entana rehetra miaraka amin’ny trano fonenana, vokatry ny hain-trano niseho tao Atsimon-tsena Ambatondrazaka.
Ireo olona efa nihorakoraka no nahataitra ireo mpandalo. Afo nijoalajoala sy setroka mainty be tsy nisy toy izany no indro tazana na dia avy lavitra aza. Nifanontany ny rehetra izay sendra nahatsipalotra izany teny amin’ny habakabaky ny tampon-tananan’Ambatondrazaka, tamin’ny alatsinainy lasa teo, nanomboka tamin’ny 3 ora tolakandro.
“Atsimon-tsena io may io !”, hoy ny orakoraky ny mpanara-baovao. “Izao ilay olana foana amin’ity tsy mba fisiana pompier ity. Afo tokony ho voafehy ihany iny saingy noho ny tsy fahampian’ny rano na koa fitaovana hiatrehina ny loza toy izao dia voatery nitondra faisana avokoa ny roa am-pahatelon’ny tanàna iray manontolo”, hoy kosa indray ny hafa nampiaka-peo.

Indray mipi-maso

Na dia manamorona tatatra iray lehibe andehanana rano aza ity Atsimon-tsena ao Ambatondrazaka ity dia tsy nahasakana ny fahamaizan’ireo trano hafa tery am-pita izany. Avy teny amin’ny tanàna atsinanana izay mbola ao anatin’ny fokontanin’Atsimondrova no nipoiran’ny afo, hoy ireo mponina nanamarika. Ny etsy andrefan’ilay tatatra kosa dia tanàna efa ao anatin’ny fokontany Madiotsifafana. “Nahery vaika ny afo ka na dia niezaka aza izahay fokonolona namono izany dia toy ny atody niady tamam-bato ihany. Mitontaly 9 ireo kisoa may, vola amatampitrisany niaraka tamin’ny vary akotry hatrany amin’ny 4,5 taonina dia samy nafoy avokoa. Izany moa dia ankoatra ireo entana sy ny trano izay samy lasa lavenona avokoa”, hoy ny ray aman-dreny solon-tenan’ireto fokonolona izay tsinjarain’ny fokontany roa mifanila vodirindrina.
Nisy tamin’ireo olona niezaka nanao asa fanavotana no naratra mafy tamin’ity loza ity. Mahatratra eo amin'ny 130 isa eo ho eo ireo olona amin’ity toerana no tsy manan-kialofana amin’izao. Saiky olona sahirankirana eo amin’ny ho enti-miatrika ny an-davanandrony avokoa no an-kabeazan’ireo mponina. Samy efa nanolotra fanampiana na ny fiadidiana ny tanànan’Ambatondrazaka, ny faritra Alaotra-Mangoro ary ny fikambanana Sinoa sy Malagasy aty an--toerana. Teo koa ireo tsipaipaika avy amin'ny malala-tànana sy orin’asa manodidina ity toerana ity ary ireo mpivarotra ao an-tsena. Hatreto aloha dia mbola mijanona ho mistery tanteraka izay mety ho fototra marina nahatonga ity firehetana tanàna eto Ambatondrazaka ity. Ao ireo nilaza fa olona nanao volo tamin’ny vy mamay no nahatonga izany. Misy koa anefa ireo manitrikitrika fa afo avy tamina fatana nanendasana voanjo no nihitatra.

Ireo mponina eo ampanarenana ireo favohazana eo atsimo-tsena Ambatondrazaka

Atsimo-tsena
Atsimo-tsena
Atsimo-tsena

Mila fanadiovana tanteraka ity faritra atsimo-tsena eto Ambatondrazaka ity.

Atsimo-tsena
Atsimo-tsena
Atsimo-tsena
Atsimo-tsena

HAIN-TRANO NISEHO TAO ATSIMON-TSENA - NIFANDROMBAKA IREO MPANOME FANAMPIANA

Vao ny harivarivan’ny andro nahamay ireo trano telopolo tafo tao Atsimon-Tsenan’Ambatondrazaka, dia indreny fa tonga ry zareo Sinoa ary ireo Malagasy mpiray fikambanana aminy aty Alaotra. Tonga nidodododo nitondra ireo voatsirambin’ny tànana mba ho fanampiana ireo olona maherin’ny 130 isa izay may trano. Nitarika azy ireo tamin’izany ireo lohandohan’ny mpisorona anivon’ny fikambanana Sino-malagasy aty an-toerana. Hetsika izay nankasitrahan’ireo izay niharam-boina tokoa ka nahavelom-pisaorana azy ireo mafy.

Ny "Commune Urbaine Ambatondrazaka", tonga nanolotra fanampiana ho an'ireo tra-boina teto atsimo-tsena.

Nihetsika avy hatrany koa ny avy ao amin’ny kaomina ambonivohitra Ambatondrazaka roa andro taorian’izay, izany hoe ny alarobia lasa teo, ka nitondra varifotsy 500 kilao, savony, labozia fitafiana mbamina kiraro, ary koa kojakoja ho an’ny fianarana. Nisy koa lelavola azo tamin’ny tsipaipaika izay nitentina 441.100 ariary natolotra. Ireo mpivarotra sy mpandraharaha ao an-tsenan’Ambatondrazaka sy ireo malala-tànana manana orinasa manodidina ity toerana nitrangan’ny loza no nanome izay foy tamin’izany. Tonga nanolotra ireo fanampiana ireo ny delegasiona izay notarihin’ny ben’ny tanàna sy ny vady andefimandriny. Teo koa ny filohan’ny filan-kevitra anivon’ny kaomina. Ireo sefom-pokontany no niorina ho komity nitantana ny fitsinjarana ity fanampiana ity. Tsy mba tazana tamin’izany kosa ny lehiben’ny fokontany Madiotsifafana na dia anantin’ny fokontany izay sahaniny aza ny faritra iray amin’ireto toerana roa izay niharam-boina. Ny ilany atsinanana izay nipoiran’ny afo moa dia ao anatin’ny fokontany Atsimondrova.

Atsimo-tsena
Atsimo-tsena

Tonga nanome ny anjara birikiny koa ny faritra Alatra-Mangoro.

Ny tolakandron’io ihany dia tamy koa ny avy eny amin’ny faritra nitondra varifotsy sy lafarinina izay samy milanja 800 kilao avy. Niampy savony sy fitafiana amin'ny gony, lay 16 ary trano lay niisa 4. Ho an’ireo ao amin’ny fokontany Madiotsifafana ireo. Ny tolakandron’ny alakamisy teo kosa no nahazo ny anjara fanampiany avy tamin’ny faritra ireo voa ao anatin’ny fokontany Atsimondrova. Nitarika ny delegasiona hatrany tamin’izany moa ny lehiben’ny faritra vonjimaika aty Alaotra-Mangoro, ny DAGT ary ramatoa filohan’ny filan-kevi-paritra. Ireo tompon’andraikitra isan’isany ireo dia samy nahatsapa fa, ankoatra ny fitandremana tokony atao, ilaina ny hisian’ny sampana mpamono afo aty an-toerana. Misy ihany ireo bouches d’incendie, saingy toa malaza tsy ihinanana…hoy ny fiteny izay.

Atsimo-tsena
Atsimo-tsena
Atsimo-tsena

MITARAINA IREO AO ATSIMON-TSENA - LASA TOBY FANARIAM-PAKO NY TANÀNA

“Tena tsy rariny intsony mihitsy ny afitsok’ireo olona sarotra tenenina amin’ity fanarian’izy ireo fako ity ety amin’ny tanàna onenanay. Ireo no antony voalohany mahatsentsina ity lakandrano lehibe izay manasaraka anay amin’Atsimondrova ity. Ankoatra izay dia ireo maloto maro be izay avy any amin’ireo kabone foseptikan’ireo olona ivelany tonga manamaimbo io lakandrano io. Hatrizay dia toa nitazam-potsiny ihany ireo tompon’andraikitra manoloana izany fa tsy mba nanampy anay mihitsy”, hoy ireto fokonolona ao Atsimon-Tsena eto Ambatondrazaka. Tsy vazivazy tokoa fa tena tsy laitra iainana raha ireo karazam-pofona sy loto ao amin’ity toerana ity. Izany dia efa hatrizay nisian’ity tanàna toa zary adinon’ny mpitondra sy fanjakana maro nifandimby ity.

Vonona

Nilaza anefa ireto mponina fa vonona ny handroso vahaolana mahomby entina misoroka izao toe-javatra izao raha toa misy manome tànana azy ireo amin’izany. “Ankoatra izay dia tokony sokafana amin’ny alalan’ny tetezana lehibe io lakandrano io ery amin’ny fivoahany ery amin’ny lycée technique fa tsy mety intsony io bizo kely tsy mahatarika rano io”, hoy ny tangalamena ao Atsimon-Tsena. Niantefan’izany moa ireo tompon’andraikitra vy ao amin’ny kaomina tamin’izy ireo tonga nanolotra fanampiana teny an-toerana ho an’ireo may trano ny tolakandron’ny alatsinainy lasa teo.
“Ampiana ianareo hahazo ireo tanin’ny kaomina izay tsy mbola nisy nangataka na efa manan-tompo eto amin’ity faritra Atsimon-Tsena ity. Angatahina kosa anefa mba handeha amin’ny ara-dalàna avokoa ireo dingana rehetra amin’izany ary mba hanjakan’ny filaminana tanteraka”, hoy ny Me Jacques Nirina Andriamanirison Nampoizina, ben’ny tanàna. Ho an’ilay olana momba ilay lakandrano kosa dia nanambara izy fa hiezaka hizaha vahaolana amin’ny fanatanterahana ireo vinavina naroson’ireto mponina.


TONDRADRANO FAHAVARATRA - AHIANA HO VOA MAFY INDRAY NY ATY ALAOTRA AMIN’ITY

Mety mbola tsy ho afa-bela amin’ny tondradrano indray koa ny aty Alaotra amin’ity fahavaratra ho avy ity. Misy mantsy ireo tsy fitsinjovana vodiandro merika izay ataon’ireo mpanjono izay mivelona amin’ity farihy ity izay voasokajy fa midadasika indrindra eto amin’ny Nosy. “Tsy araka izay maha-lehibe azy izay no toe-tsain’ireo olona izay monina manodidina ny farihin’Alaotra fa tena mifanipaka atsimo sy avaratra mihitsy. Ataon’izy ireo avokoa ireo fomba rehetra izay hiteraka voka-dratsy rehefa avy. Tsy iza anefa no hizaka izany voalohany fa izy ireo ihany”, hoy ireto mpitazana izay valalanina tokoa mahita ireto mpanjono manao izay ho afany amin’ny fanorenana “hamatra”. Io ilay fomba ratsy voalohany izay ataon’izy ireo.

Mandrora mantsilagny

Maniry ireo bararata izay natao tsatoka miaraka amin’ireo fakofako izay matetika dia ireo zavamaniry afaka mivelona anaty rano. Ireo hamatra ireo no hisakana ireo rano sy antsanga avy ety an-tanety avy eo, ka izay no hahamora ny fihanahan’ny rano handrakotra velaran-tany ety an-tanety. Na hihena aza ireo rano amin’izany dia ahiana haharitra volana roa na telo akory. Tsy hisy fambolena ho vanona amin’izany ary ireo trano mareforefo dia hirodana mora foana. Ireo valan’aretina koa amin’izay tsy ferana.
Fakofako taterina ho any anaty rano no entina mamorona ny hamatra. Tsy afaka hanome endrika fariparitra anefa izany fa hirava mora foana raha tsy amafisina amin’ny alalan’ny tsatotsatoka toy ny bararata. Rehefa vita ny hamatra dia manova tsy toy ireny tanimbary vita tandrano (tahalaka) ireny ilay faritra misy rano be avy eo. Ankoatra ireo faritra izay niniana natao banga (tsy mifefy tanteraka), dia misy vava-hamatra iray lehibe toy ny hoe atao fidirana na koa fivoahana.
Kotabaina hiverina avy amin’iny zotra misy ny vava-hamatra iny ireo hazandrano. Akatona amin’ny alalan’ny fako be sy tsatotsatoka ilay vava-hamatra rehefa tody eo ireo mpanaitra trondro. Mitohy indray ny kotaba sy fanakorontanana ny rano ao anaty hamatra mba hampandositra ireo hazandrano hihazo ireo faritra misy banga madinika izay efa nasiana vovo avokoa hamandrika ireo haza. Ilaozana ilay hamatra rehefa hita fa tsy dia misy haza firy intsony, ary mitady toerana indray ireo mpajono hamorona vaovao. Samy manana ny hamatra-ny ny mpanjono isan’isany.

farihin'Alaotra


FANATSARANA FANABEAZANA - NAMPIOFANINA IREO MPANABE ANY ANDILAMENA

Nahazo fampiofanana nandritra ny hateloana ireo mpampianatra sy mpandraharaha rehetra (EPP, CEG, lycée) ao anatin’ny fari-piadidiana fampianarana Andilamena. Niompana tamin’ny ezaka fikatsahana vokatra tsara eo amin’ny lafiny fanabeazana an-tsekoly ity hetsika izay notarihin’ny foibem-panabeazam-pirenena Alaotra-Mangoro ity. “Antony nisafidianana manokana an’Andilamena ny maha-zandriny azy eo amin’ny taham-pahafahana fanadinana tao ho ao izay. Tsy iandrasana hisasaka akory ny taom-pianarana vao hojerena ifotony ihany koa izay mety ho antony mahatonga ny taha-mpahafahana ho latsaka be”, hoy Ratovo Tahaka Miandravola, talem-paritry ny foibem-panabeazam-pirenena Alaotra-Mangoro. Nambarany fa mbola hitohy any amina Cisco hafa ity hetsika ity, ka isan’izany Anosibe An’Ala.

Hitovy lenta

Niandoha ny alatsinainy faha-4 oktobra ity fanofanana ity ary niafara tamin’ny alarobia lasa teo, tao amin’ny EPP Razafimahery Andilamena. Tapakandron’ny andro voalohany dia natokana hizahana ifotony ireo rehetra mety ho zava-misy anivon’ny tontolon’ny fanabeazana any an-toerana. Navitrika ireo mpanabe sy tompon’andraikitra isan’isany teo tamin’ny fandraisana anjara. Nilazalaza ireo olana izay mianjady izy ireo, ary niezaka ihany koa nandroso vahaolana hatrany hatrany. Notsinjaraina araka ny andraikiny (littéraire, scientifique, administrative) kosa izy ireo nanomboka ny alatsinainy tolakandro. Tanjona tamin’izany ny hampitovy lenta ireo paikady enti-mampianatra sy hisahan-draharaha manerana ny cisco-n’Andilamena iray manontolo. "Mba ho fomba fiasa mitovy amin’izay amin’ny ankapobeny no hisy amin’izy ireo tsirairay avy fa tsy hoe samy hanao izay saim-pantany. Isan’izany ny lafiny antsoina hoe "lecture de programme", hoy Georges Rakotonirina, tompon’andraikitra nampiofana. Nisy koa fotoana nitondrana fanazavana nisinisy kokoa momban'ny sport scolaire tamin’ireto mpanabe.

Andilamena


MIVERINA MIAKA-BIDY INDRAY NY TRONDRO

Toy ny nofinofy ny vidin’ny hazan-drano nisy teo aloha kely teo raha mitaha ny amin’izao ao trano natokana hivarotana hazan-drano eto an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka. Niaka-bidy avokoa na baraoa na besisika na trondro gasy. “Ny foza sisa izy ity no mba tsy nisondrotra…”, hoy ireto renim-pianakaviana somary mbola tanora lokin’ny hehy. Samy mimenomenona avokoa amin’izao fotoana ireo mpian-tsena izay nisiotsioka tokoa anefa herinandro roa talohan’izao. “Angamba efa mihidy ny rano dia vitsy sisa ireo mbola sahy mandeha manarato, ka dia tsy mahasahana ny hataka intsony ny tolotra misy”, hoy kosa indray ireto hafa, toy ny nanaraby, nivoaka avy ao amin'ny trano iray fisotroana tsy lavitry ny tsenan’ny trondro.
Asa tokoa indray aloha, hoy ny mpitazana, raha hisy na tsy hisy indray ny fanajana ny fotoam-pikatonanan’ny jono sy ny fanaratoana amin’ity aty Alaotra. Tamin’ny taon-dasa dia nizotra tsy nisy fitsaharany izany fanjonoana izany aty an-toerana. Tao ireo ravoravo, tao koa anefa ireo velom-panahiana ihany nanoloana izany. Isan’izy ireny ny mpivarotra. “Na izahay aza anie gôna de mbô gaga mihitsy t’kô e! Hoe fa nagnino ma z’ty tô tsy nakatogna ndre tamin’iregny? tambôlôny dia nihevitra zahay se de mbô fandrika le hoe tsy akatogna. Fa hay de tegna tsy nitohy marina. Na izany aza anefa de mahatonga saigna t’kô hoe mety ho vitsy taranaka marina ny hazandrano raha tsy hajaina io fem-p’tôna hanatodizany io”. Nanamafy moa ireto mpivarotra (sasany) ireto fa mahatsapa ny mahazava-dehibe ny fikatonan’ny jono amin’ny fotoana tokony hisian’izany.


MITOHY NY FANAVAOZANA NY LÀLANA

An-dàlana amin’izao fotoana ny asa fanavaozana ny làlana eto an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka. Volana vitsisitsy izay no efa nanombohana azy ity, ary izao mbola mitaritarika izao ka mahakely finoana ireo nanatrika ny fifanaovan-tsonia nisy teo amin’ny faritra sy ny fiadidiana ny tanànan’ny renivohi-paritra Alaotra-Mangoro. Samy manontany tena ireo mpanara-baovao hoe ho vita mialoha ny filatsahan’ny orana va re izao 5 kilaometatra hatao "pavet" izao sa ho tohizana aorian’ny fiavian’ireo ranotrambo, ranobe nanondraka ny tanàna ary nampihaiky volana tokoa tamin’ny fotoam-pahavaratra farany teo ireny.
"Naharegny zahay hoe teknolojia avo lenta izany angaha ma no ampiharin-jareo amin’azy ‘ty, ka dônko zany angamba no mahatonga ireo tompon’andraikitra tsy dia taitra amin’izay oragna avy agny. Nefa anie r’ingah, raha izay rano nisy tamin’ny lasagna izay no mbôla hisy kô…de as’a ! Avo lenta zany tokôtrany angaha ka tsy hainay mpitazagna", hoy ireo mponina eny amin’ny faritra iva toy ny eny amin’ny 67 ha Avaradrova. Famatsiam-bola avy amin’ny fiaraha-miasa amin'ny departemanta iray frantsay moa no entina amin’izao asa fanarenan-dàlana izao. Mananika ny telo volana izao no efa tapaka tsy azo aleha noho ny asa fanaovana pavet ny làlana eny amin’ny 67 ha Avaradrova, efa ho roa volana kosa izany ho an’ny làlana iray ao Antsahatanteraka.

Antsahatanteraka-Ambatondrazaka

Télédon : Mitarika hetsika fanangonana izay foy (vola, vary, fitafiana sns…) ny kaomina Ambatondrazaka ity asabotsy tontolo ity mba ho fanampiana ireo may trano sy rava fananana ao Atsimon-Tsena. Izany dia atao eo amin’ny faritra malalaka manoloana ny station Jovenna eo an-tsena.

Tafo nirehitra : Raha mbola samy seriny tamin’ireo fanampiana natolotry ny faritra ireo niharam-boina tao Atsimon-Tsena, ny alarobia tolakandro lasa teo, dia efa nisy indray trano tamin’ireo tsy may no nirehitra tafo. Soa fa voavonjy ara-potoana izany ary fotoana foy dia maty ilay afo.

Asa soa : Nanao fitsaboana mamaimpoana teo anivon’ny hopitaliben’Ambatondrazaka ny fikambanana Vatosoa izay miorina any am-pitan-dranomasina. Teo koa ny fanaovana tetik’asa fanaganana cantine scolaire ao amin’ny EPP Amparabonga eto an-toerana. Nitarika ireo delegasiona izay notronin’ny soroptimiste ny filohan’ny fikambanana Rodin Ramboatiana.

CENI : Vita tamin’ny alakamisy lasa teo, teto Ambatondrazaka, ny atrikasa fiofanana ho an’ireo mandrafitra ny rantsan’ny CENI ety Alaotra-Mangoro. Ny zoma teo kosa izy ireo no nanao ny fenihanany avy izay natao tao amin’ny lapan’ny fitsarana eto an-toerana. Ankoatra izay dia anaolotra fitaovana matanjaka sy raitra ny centre informatique régional koa ny CENI.

Nifototra : Tovolahy iray izay tsy fantatra na mamo na domelina no nahavita nanolana an-dreniny nietraka azy tao amin’ny fokontany Antanifotsy Ambatondrazaka, andro vitsy lasa izay. Nitsoaka tsy hita nihafarana izy avy teo. Ilay ramatoa kosa dia fantatra fa nodimandry taorian’izay noho ny antony izay tsy mazava hatarmin’izao.

Nivadika : Lasa nangatsiaka sy manerika, nanomboka omaly zoma, ny toetr’andro aty Alaotra. Asa na noho ny orana izay mandindona ny ho latsaka fa dia malomaloka sy mivadibadika be ihany ny tontolo andro. Mirongatra izay tsy izy koa amin’izany ny gripa mahery sy ny tazomoka ka ny vehivavy sy ny ankizy no tena lasibatra.

Miakatra : Tsy hita ho vidian’ireo kely fahafaha-manao intsony ny hazandrano eto Ambatondrazaka sy ny manodidina. Tato anatin’ny herinandro maromaro izao dia tsy nitsaha-nisondrokatra hatrany ny vidin’izy ireo, na io ilay atoko eo an-tsena na koa ilay lolohavina ka enti-mitety tanàna amin’ny koveta izay fomba ihavahan’ny ety an-toerana amin’ireo tanàna hafa eto amin’ny Nosy.

Mihoapampana : Fitarainana manodidina ny 3 na 4 isa isan-kerinandro no voaray eny amin’ny paositry ny polisy eto Ambatondrazaka, raha ny filazan’ireo tompon’andraikitra ao izay nanontaniana tsotsotra. Mihoatra lavitra izany kosa ny momba ny bisikileta. Midika izany fa mirongatra izay tsy izy ity karazana halatra ity eto an-toerana.

Manahy : Ahiahy iombonan’ireo mpitia fanatanjahan-tena rehetra sy ny olona maro ny amin’izay mety ho tohin’ireo tetik’asa fanamboarana kianja synthétique eto Ambatondrazaka sy ny fanatsarana ny RN 44. Manahy izy ireo ndrao ho maty an-karanany izany rehetra izany manoloana ireo tsikera an-gazety sy haino aman-jery izay nilaza fa tsy laharam-pahamehana izany ho ana tanàna kely toa an’Ambatondrazaka.

OKTOBRA 2010 | NOVAMBRA 2010 | DESAMBRA 2010


Site mise à jour le 18/05/2012

Actualités | Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews | Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao

Dr Herizo Rj Kara association BAMAMI Office Régional du Tourisme de l'Alaotra-Mangoro ONG Mihary Ylang.net Rain'Dago Restaurant au goût de Madagascar Radio MAMI FM association zanakantsihanaka