Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao ![]()
|
Ohabolana Malagasy : " Vari-vory amin'abatoraka (karazam-bary) : totoina tsy miray fotsy, ahandroin-tsy miray masaka. " |
JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011
Maherin'ny roapolo isa ireo olona nahiditra am-ponja ao Ambatondrazaka nanomboka ny janoary 2011 no mankaty eo amin'ity resaka fanolanana ity, araka ny antontan'isan'ny fiadidiam-paritry ny mponina Alaotra-Mangoro.
Mirongatra tato ho ato ny habibiana manjo ny ankizy tsy ampy taona. Miasa mafy manoloana izany ny fiadidiam-paritry ny mponina sy raharaha sosialy Alaotra-Mangoro (DRPAS) amin'ny ady amongorana ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy ny ankizy. Ny fiandohan'ity volana oktobra ity ary dia natsangana mihitsy ny ivon-toerana iray hisahana ny fihainoana ireo tonga mitaraina ary koa hanome azy ireny toromarika araka ny lalàna manan-kery. Ity ivon-toerana ity moa ilay fantatra amin'ilay hoe «centre d'écoute et conseil juridique (CEJC)».
Mitohy ny ady
"Maimaim-poana avokoa ireo sehatr'asa iantsorohan'io ivon-toerana izay miara-miasa akaiky dia akaiky amin'ny fiadidiam-paritry ny mponina sy na raharaha sosialy io. Tsy maintsy mitohy ny ady atao amin'ny herisetra sy fanolanana satria raharaha sosialy izany. Fifanomezan-tanana teo amin'ny CEJC Toamasina sy ny DRPAS eto Alaotra-Mangoro no nahazoana izao ivon-toerana izao", hoy Parfait Ramerijaona, talem-paritry ny ny fiahiana ny mponina sy ny raharaha sosialy.
Ankoatran'ny resaka fanolanana dia eo koa ny herisetra atao amin'ny vehivavy na ny ankizy. "Isan'izany ohatra herisetra enti-mananatra ny ankizy, ny vono atao amin'ny vady. Ny tsara ho fantatry ny rehetra koa dia enjehin'ny lalàna ny fitondran-tena tsy mendrika atao manoloana ny ankizy. Ohatra amin'izany ny teny mamoafady, ny fiboridanana imason'izy ireny na koa ny fikasikasihana azy amin'ireo faritra mahamenatra. Tranga isan'ireo miha maro entin'ny olona anaovana fitarainana eto avokoa izany rehetra izany", hoy hatrany ny talem-paritra nanampy fanazavana.
Mimenomenona ireo mpivaro-trondro ao Ambatondrazaka vokatry ny fisian'ireo fako sy loto be manentsina ny tatatra fanarian-drano ka mahatonga ny toby fivarotana hazandrano hasiso tsy laitra iainana isan'andro.
«Hitokona tsy handoa haba intsony izahay rehefa tsy mahavita manatanteraka izay tokony anjarany ny kaomina. Tsy te-hahalala mihitsy ireo mpitaky haba eto isan'andro, fa na trondro tsy ampy iray fantam-bary iny aza no mba hamidinao, dia ny roanjato ihany no roanjato», hoy ireto mpivarotra hazandrano ao Ambatondrazaka tampon-tanàna. Nomarihin'izy ireo fa mahalana no mba misy ny asa fanadiovana ao amin'ity toby fivarotana ity. Ametrahan'izy ireo fanontaniana ihany koa ny fomba fitantanana ireo haba alaina amin'izy ireo.
"Olona hatrany amin'ny 400 isa izahay no mandoa izany isan'andro, dia mbola izao kosa ve no iaretanay eto? Tokony atokana hikarakarana ny toeranay eto ny ampahany amin'ny vola alaina aminay fa tsy isahanana manontolo zavatra hafa any rehetra any", hoy kosa indray ity mpivarotra iray mitaiza kely. Narahina hoby sy tehaka izany tamin'ny marainan'ny talata faha-25 oktobra lasa teo, tao amin'ity toby fivarotana hazandrano ity.
Nisy tompon'andraikitra avy eny anivon'ny fiadidiana ny tananan'Ambatondrazaka tamin'izay sendra nandalo, ary nilaza tsotra fa "Na eo aza ny ezaka ataon'ny kaomina, dia mbola misy hatrany ireo minia tsy manaraka ireo fepetra tokony ho izy eo amin'ny fitandroana ny fahadiovana ary ny fikojakojana. Tsy an'ny kaomina irery kosa ny manao izany, fa samy manana anjara tandrify amin'izany koa ny tsirairay amin'ireo mpivarotra. Ankoatra izay dia misy lafiny ara-teknika izay mbola ilàna fanarenana amin'ireo tatadrano manodidina ity toby ity, ary efa an-dalana ny fanatanterahana izany", hoy izy. Ireto mpivarotra anefa etsy an-daniny dia maneho an-kariharina ny fahamaikany amin'ny fanesorana izao loto manentsina tatatra ao amin'ny tobin'izy ireo izao.

"Maty tamin'ny talata 18 oktobra tolak'andro tokon'ny tamin'ny 3 ora sy sasany ilay rangahy na dia nialàna nenina mafy aza teto amin'ny hopitaly. Ramatoa moa, dia io mbola hitanareo resin-tory be eo am-parafara io", hoy ny vehivavy iray havan'ireto niharan-doza tao amin'ny vohitra iray antsoina hoe Amboavorikely-Atsinanana. Sady mitsabo ireto fianakaviana no tsy maintsy mizara ihany koa hikarakara ny razana izay efa nentina niverina any amin'ny tanana niaviany.
Lavaka kely
Nanodidina ny tany amin'ny 11 ora alina, ny alatsinainy faha-17 oktobra, ity fanafihana tao am-povoan-tananan'Amboavorikely-Atsinanana ity. Manan-janaka 6 ity tokan-trano-n'ny mpamboly notafihin'ny dahalo ity. Arakin'ny filazan'ireto fianakaviana tonga teto Ambatondrazaka nitondra ireo niharam-boina, dia avy tamin'ny lavaka kely teo amin'ny varavaram-be no nitifiran'ireto jiolahy azy mivady. Fitaovam-pandavahana (chignole) no nampiasain'izy ireo nanaovana io lavaka io.
"Nanao haody ny iray tamin'izy ireo niantsoantso hoe "dadan'i Anja a! Dadan'i Anja! Voahay fa misy zavatra maika be". Nifoha ilay rangahy. Feom-basy nahery vaika anefa no re rehefa nandeha namonjy ny varavarana izy taorian'ny nandrehetany jiro. Voatifitra teo amin'ny andohatenany izy. Niezaka nanala azy teo ny vadiny, ary nirefotra nisesisesy indray ny basy, ka voa teo amin'ny feny, ny kibony sy ny sandriny ity farany", hoy hatrany ny fanampim-panazavana. Tsy afa-nanome tanana ireo mpiara-monina noho ireto dahalo izay nameno ny varavarana rehetra manodidina.
Kianja-na baolina kitra sy sekoly CEG no manasaraka an'Amboavorikely amin'Amboavory renivohitry ny kaomina misy azy. Na tamin'ny andiany voalohany, na amin'izao andiany faharoa izao dia isan'ireo kaomina misy miaramila (DAS) napetraka hiady amin'ny tsy fandriam-pahalemana ity kaomina ao amin'ny distrikan'Amparafaravola ity. Efa manao fikarohana ireto tsy mataho-tody ireo miaramila amin'izao. Omby miisa fito tamin'ireo folo tao am-bala moa no lasan'ireto dahalo.
Nisy nisandoka
"Nisy tokoa olon-dratsy niezaka ny nandoto anay miaramila tamin'ny asanay, ary efa nisy fepetra hentitra noraisina momba izany. Isan'izany ohatra ny sivily nisandoka mivantana ny asanay, na koa nisandoka fa hoe mpiara-miasa aminay. Marihiko fa tsy fehezin'iza na iza afa-tsy ny antanan-toha-pitondrana misy azy ny miaramila", hoy ny mpandrindram-paritry ny DAS (Détachement autonome de sécurité) any Alaotra.
Hisambotra
"Ireo rehetra izay mandika ny lalàna manan-kery, na amin'ny fomba inona na ahoana dia raisina ho olon-dratsy sy fahavalon'ny fandriam-pahalemana avokoa, ka noho izany dia tsy maintsy andraisana fepetra. Isan'izany ireo sivily minia misalotra fitafy mitovy endrika amin'ny fanamian'ny miaramila na dia efa fantatr'izy ireny sy nampahafantarina azy ombieny ombieny aza fa fanao voararan'ny lalàna izany", hoy ny kolonely Charles Désiré hentitra dia hentitra niresaka tamin'ny mpanao gazety tao Ambatondrazaka.
Tamin'ny marainan'ny asabotsy faha-15 oktobra, fotoana izay nanaovana ny fandraisana ofisialy ireto andia-miaramila faharoa ireto, tao amin'ny La Résidence Ambatondrazaka, dia nanao fanamarihana ity manamboninahitra ambony anivon'ny tafika ity fa "Tsy fampitahorana ny DAS ho an'ireo izay manao ny marina fa natao hifanome tànana amin'izy ireo aza". Nasian'ity mpandrindram-paritra vaovaon'ny DAS any Alaotra ity resaka manokana ihany koa ny amin'ireo sivily manana olana hafa anivon'ny fiaraha-monina. "Izahay dia marihiko tsara fa tsy miditra velively amin'ny raharaha anatiny eo amin'ny adin'ny mpivady sy ny ady tany", hoy izy.


Vonona hiroso amin'ny fivohizana sy fampiroboroboana ny soatoavina fahamarinana ny faritra Alaotra Mangoro, fantatra izany, tetsy amin'ny efitrano malalaky ny EKAR Victoire Rasoamanarivo Ambatondrazaka ny 3, 4, 5 ary ny 6 oktobra 2011 lasa teo.
Dinidiniky ny mpanara-maso mpitarika, andiany faha telo izy ity, izay nokarakarain'ny Foibe Fanaraha-maso ny Fahamarinana eto Madagasikara (ONI ) sy ny ONG Fandrosoana mpampifandraiparitra aty Alaotra Mangoro. Ny Vondron'Olona Ifotony ( VOI ), ny Fiarahamonim-pirenena (OSC ), ary ny mpanao gazety, no toko telo niara-nikaon-doha, nandinika ireo paik'ady rehetra, entina hirosoana amin'ny ady atao ho fampijoroana sy fampanjakana ny fahamarinana, eo amin'ny resaka fitantanana ankapobeny ny harena voajanahary , indrindra ny fitrandrahana manara-penitra ny atiala aty Alaotra Mangoro.
Noho ny fahatsapan'ny ONI, fa maro ireo sakana, tsy maintsy hihoarana amin'ny fitakiana ny fametrahana ny rafitra mpanaramaso, dia notsongainy manokana ireo toko telo voalaza tetsy ambony ireo, miampy ireo tsara sitrapo afaka hiara-misalahy, mba hijery sy hanadihady ary hamoaka ireo toe-javatra mifanohitra amin'ny fahamarinana eto amin'ny faritra. Misy ny sori-dalana enti-miasa, izay hahafahana mamaritra ny tondro-refy, hijerena ny fivoaran'ny fahamarinana ao anatin'ny fanajana ny zon'olombelona. Adidin'izy ireo araka izany, ny mampahafantatra ny olom-pirenena ny zo, sy ny fitsipika ara-piaraha-monina, ary ny lalàna velona izay tokony harahina. Nahatratra 23 ireo mpandray anjara tamin'izao hetsika ho fanatsarana ny fitantanana ny ala aty Alaotra Mangoro izao, izay samy nanao sonia ny Fifanekem-piaraha-miasa amin'ny alalan'ny fampitam-baovao sy fanairana ny vahoaka mbamin'ireo tompon'andraikitra, hahatsiaro, fa tokony ho tandrovana hatrany toy ny anakandriamaso ny FAHAMARINANA. Ary ny fanajana azy, dia antoka iray hahafahana mampiroborobo sy mikolokolo ny atiala, izay iarahan'ny besinimaro mahalala fa antsika rehetra ihany.
Manomboka eto izany, dia mijoro ny tambazotran'ny mpanara-maso ivondronan'ny Fiarahamonim-pirenena, ny Vondron'olona ifotony, ny tsara sitrapo, ary ny mpanao gazety aty Alaotra Mangoro. Tsy hitsikera ny olona akory, fa hanara-maso akaiky ny fomba fiasa sy ny fanajana ny foto-kevitra niaingana. Aoka àry samy hiverina hamonjy ny lalana tokony hizorany avy ny tsirairay, mba tsy ho kendan'ny vomanga nasesiky tanany.


"Tsy vohaja ny zo fototra maha olombelona." "Mila vaha olana maharitra izahay,tsy ekenay ny fitantanana tsy mahomby, sy ny olana miverimberina."...
Santionany amin'ireo sorabaventy maro nentin'ny mpiasan'ny OTIV naneho ny tsy fifaliany, manoloana ireo mpitantana ao amin'ny tambajotra OTIV Alaotra Mangoro ireo. Teo amin'ny tokontany malalaky ny OTIV Fitaratra Avaradrova Ambatondrazaka, ny alakamisy 29 Septambra 2011 lasa teo izany, ary mbola mitohy hatramin'izao.
Saika voasolo tena tamin'ity fitokonana ity avokoa, ireo mpiasan'ny OTIV rehetra miisa 224 manerana ny distrika dimy ato amin'ny Faritra Alaotra Mangoro. Araka ny fantatra, avy amin'ireo mpitokona ihany, dia noho ny fanapahana tsy misy fifampieràna ireo tombontsoa maro fanome ny mpiasa no tena anton'izao disadisa, eo amin'ny mpitantana sy ny mpiasan'ny OTIV Alaotra Mangoro izao. Etsy ankilany anefa, ny tompon'andraikitra misahana ny fitantanan-draharaha sy ny vola eo anivon'ny OTIV Alaotra Mangoro Atoa RAKOTONARIVO Vincent de Paul dia nanambara fa mandalo fotoan-tsarotra ny Ombona Tahiry ankehitriny, noho ny krizy eto amin'ny firenena; maro ireo vola nampisamborina no mbola tsy tafaverina, vokatr'izany : tsy maintsy mifehy kibo ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka, ambonin'izay rehetra izay, dia tsy nisy ihany koa ny famatsiam-bola nahazatra.
Mihenjan-droa izany ny tady ankehitriny, efa nisy ny fifampidinihan'ny roa tonta, saingy toa tsy nahitana vaha olana. Nandray ny andraikiny ihany koa ry zareo avy ao amin'ny Faritra Alaotra Mangoro, nefa vao maika nanamafy ny fitokonana nataon'ny mpiasa izany.
... HERINANDRO MATY
Ambohipihaonan'ny mpiasan'ny tambajotra OTIV Alaotra Mangoro izany eto Ambatondrazaka manomboka ny Alatsinainy 03 Oktobra 2011 izao, mikantona avokoa ny " KESY" rehetra. Vita hatreo ny fanairana, miroso amin'ny dingana manaraka ny komitin'ny fitokonana, raikitra ny fitokonana faobe. Manoloana izao toe-draharaha izao dia velon'ahiahy ireo mpikambana miisa 47 000 ato amin'ny tambajotra OTIV Alaotra Mangoro. Misy sahady ny misintona ny tahiriny ary tsy vitsy ihany koa ireo te hanafoana ny kaontiny saingy tsy azo atao izany raha tsy any amin'ny 31 Desambra 2011. Voalazan'ny tompon'andraikitra izay niresaka taminay anefa fa, azo antoka tanteraka ny petra-bola ao amin'ny OTIV, ary tsy misy ifandraisany amin'izao fitakiana ataon'ny mpiasa izao. Hatreto aloha dia mipetraka ho resaky ny moana sy marenina izany, ny olana ifandroritan'ny mpiasa sy ny mpitantana eo anivon'ny OTIV Alaotra Mangoro ity. Ny fotoam-pambolena rahateo manakaiky, ny tantsaha tsy nanampo izao toe-drahara izao. … Asa ! hanao ahoana ny ho tohiny ? raha fintinina izay rehetra izay, dia tsy misy fandraharahana ara-bola azo atao aloha manomboka amin'ity herinandro ity eny amin'ny tambajotra OTIV Alaotra Mangoro. Hirariana ny hisian'ny vaha olana haingana, mba tsy hampitondra takaitra goavana ny mpikambana izay tompony mialoha ny rehetra.

JANOARY 2011 | FEBROARY 2011 | MARSA 2011 | MAY 2011 | JONA 2011 | JOLAY 2011 | AOGOSITRA 2011 | SEPTAMBRA 2011 | OKTOBRA 2011 | NOVAMBRA 2011 | DESAMBRA 2011
Site mise à jour le 18/05/2012
Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes |
Vaovao ![]()