Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao ![]()
|
Ohabolana Malagasy : " Vari-vory amin'abatoraka (karazam-bary) : totoina tsy miray fotsy, ahandroin-tsy miray masaka. " |
OKTOBRA 2010 | NOVAMBRA 2010 | DESAMBRA 2010
Hatramin’izao dia samy toa mitazam-potsiny ity loza mivelatra amin’ireo rehetra mampiasa ity làlana mandalo orin’asa tokana mpamokatra herin’aratra ity na manampahefana, na vondrona samihafa milaza ho matanjaka.
"Tsy misy mihitsy fifanomezan-tànana fa dia samy olon-ko azy eny no fijery ireo milaza fa herivelona izay tsapa fa samy mbola seriny amin'ny lafin-javatra lamaody be toy ny ady seza politika. Samy variana amin’ny fanangonana vondrona isan-tsokajiny atsy na aroa mba hanehoana hevitra, fomba fihevitra miampy tsikera", hoy ny resaky ny mpandalo avy eny anivon’ny fokontany hafa. Samy midonàka eo avokoa izay rehetra mahita ity hantsana izay toa fandrika be mahafaty, na io ho an’ny fiara na koa ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny bisikilety. Ireo mponina ao an-toerana kosa dia rafotsy be very laona, hoy ny fitenin’ny Ntaolo izay, koa miandry izay higadonany. Amin’ny lafiny ilany anefa dia isan’ireo mpitazam-potsiny toy ny rehetra koa izy ireo. Misy ihany ireo nilaza fa efa nandefa taraina sy antso avo ombieny ombieny teny amin'ny an-tanan-tohatra mahefa, saingy kivy rehefa tsy nahitana tohiny hatrany izany.
Kitihina kely
Vokatrin'ny tsy fanamboarana sy fanarenana ity fihotsahan-dàlana andalovana ranotrambo, dia mandray ny faha dimy taonany amin’izao ity lavaka niforona ao Ampasambazimba ao Ambatondrazaka ity. Tsy mitsaha-mihitatra anefa ny vavany isak’izay misy orana mirotsaka ka somary manao be fiavy. Tamin’ny taon-dasa dia nametrahana tsatoka roa misy takelaka fampitandremana amin’ny andaniny roa misy ity loza ity. "Mba efa zava-dehibe aloha ny mbola tsy nangalaran’ny sasany ireo tsato-by ireo hatreto. Ny ataonay eto izao indray dia fametrahana tsatoka hafa fanampiny mba hamerana ny vesatry ny fiara mandalo eto. Tsy tokony hihoatra ny 2,5 taonina ny vesatra mandalo eto manomboka izao", hoy kosa ireto mpiasa anivon’ny kaomina Ambatondrazaka. Andro vitsy lasa tokoa izay no nasiana tatokazo roa avy indray mifanila amin’ireo tsato-by teo aloha. Raha bangoina dia nakelezina izany ny velaran-dàlana, ka lanjana fiara madinika sisa farafahabetsany no vesatra afaka mifamoivoy eo.

|
Ankoatr'ireo loza maro be efa nitranga hatrizay nahaterahany, dia nahazo fiara tsy mataho-dàlana iray indray ity toerana hatao jobily atsy ho atsy ity ny alin’ny alakamisy 16 desambra lasa teo. Avy be ny orana tamin’izay. Tsy naharaka namoaka ny rano entin’ireo tatatra lehibe roa izay mihaona eo aminy ireo vava-bizo eo amin’ity toerana ity. Ny rano tena nisy, ny fako koa nahay...nanentsina. Araka ny mahazatra dia lasa ony be amin’izay ity ampahan-dàlana ity. Tsy hay mazava intsony izay faritra misy ny hany sisa sisin-dàlana. Noho ny fisorohan'ny hivarina any amin’ny ilany andrefana misy ilay tevana mahafaty, dia nanisina avy tety amin’ny ilany atsinanana ilay mpamily. Nivarina an-tatatra ihany anefa ry zareo. Nifatratra tamin'ny vavahadin’olona sy nahatapaka fantson-drano, ary dia teo nandritran'ny telo andro. Nanafarana milina matanjaka nanala azy tao. Varavaran-kely no nampiasain’ireo olona tao amin’ity trano nivezivezena nivoaka sy niditra sy natsaka rano satria ny vavahady tsy azo nampiasaina noho ity “haza be”-n-dralavaka sy ny namany. Olona avy namonjy alina masina ireto sendran'ny loza voa-janahary ireto. |
Nandalo fiofanana, nandritra ny hateloana nanomboka tamin’ny faha-16 desambra lasa teo, ireo mpanabe fiaraha-monina miisa enina avy aty amin’ny faritra Alaotra-Mangoro. Tany an-drenivohitra no nanovozona ireo fanampim-pahalalana miodidina ny lafiny momba ny zon’olombelona, ny tontolo iainana, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny IST sida, ny fahalalam-pomba sy fiovan-toetra ary koa ny resaka mahakasika tontolom-piaraha-monina. Loha-hevitra niisa 12 ireo indray nanovozana traikefa tamin’izao hetsika izay niraisana tamin’ireo solon-tena nahatratra 60 mahery avy any anivon’ireo fari-piadidiam-pampianarana anatin'ny foibem-paritra fanabeazana niisa 11, ka isan’izany ireo avy aty Alaotra-Mangoro.
Vanona hanara-penitra
"Tena goavana ilay sehatr’asa satria ny fiaraha-monina mihitsy no ho sahanina fa tsy ny eny am-pianarana fotsiny. Amin’ny maha fanabeazana ho olom-pirenena azy dia tsy mandeha irery ihany koa ny ezaka fa mifamatotra amin'ny lafin-javatra mivelatra be. Iza moa no nieritreritra teny am-boalohany fa ny resaka maha olom-banona dia misy ifandraisany ihany koa amin’ny lafiny sakafo sy ady amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo", hoy ireto mpiofana avy aty Alaotra-Mangoro. Avy ao amin’ny cisco Andilamena, Amparafaravola, Moramanga, Anosibe An’Ala ary Ambatondrazaka izy ireo. Nitarika ny delegasiona avy eto an-toerana kosa ny delegem-paritra OEMC (office de l’éducation de masse et de civisme) anivon’ny foibem-paritra fanabeazana eto Ambatondrazaka. Raha akapoka dia hanarina ireo mpivarilavo sy tsy andairam-panentanana ho tena olom-pirenena modely ireto tompon’andraikitra ireto. Hanabe sy hitari-dàlana indrindra koa ireo izay hita fa marefo ka ahiana hivily mora foana any amin’ny fenitra izay lavitry ny maha olom-banona feno.
Tao amin’ny efitra fivoriana ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ao Anosy moa no nanatanterahana izao hetsika fanao isan-taona izao. Namatsy ara-bola kosa nentina nanatontosana izany tamin’ny alalan’ny PNUD ny Fonds des Nations Unies pour la Démocratie (UNDF).

Zara raha any amin’ny 5 kilaometatra atsimon’ny tanànan’Ambatondrazaka no misy ity toerana antsoina hoe Manakambola ity. Mahatsikaiky ihany anefa fa eo no mifarana ihany koa ny dia rehefa amin’ny fotoanan’ny oram-be iny. Na hiditra ny tanàna na koa hivoaka ity renivohi-paritra ity dia mampamangy avokoa izay programa rehetra any fa rano be sy fotaka mandrevo tsy hita hatao ahoana no indro manoloana rehefa mihetsika any andron’i Manakambola. Na fiara vaventy na koa irony voalaza fa tsy mataho-dàlana irony dia samy miandry ny rariny eo. Ny rariny andrasana moa amin’io dia ny hatsaram-panahin’ireo mpandraharaha izay manana ireny milina matanjaka afaka manala fotaka ireny. Raha tsy eo izany izy ireny na koa mahatsapa fa mba efa be no vitany (an-tsitrapo) dia tsara amin’ity renivohi-paritra ity tokoa, araka ny resaky ny olona, no afindra toerana isaky ny fotoam-pahavaratra raha tiany ny tsy ho tapaka fifandraisan amin’ireo manodidina azy.
Manakambola
Izay tena nahatonga ny anarany aloha dia tsy fantatra mazava, fa ny afitsony dia tena manakam-bola tokoa. Toerana fandalovana ranotrambo be avy any an-tanety (atsinanan-tanàna) izy ity na irony atao hoe "radier" irony. Tsy rano ihany anefa no migororona avy any fa arahina antsanga sy fasika tsy hita noanoana izany. Ireto farany no miangona sy miantsavovona eo amin’ny faritra manapaka ny arabe, ka izany no mahatonga ny fahatapahan’ny fifamoivoizana. Tsy misy afa-tsy eo anefa no hany vavahady hidiran’ireo entam-barotra ho eto Ambatondrazaka, eo ihany koa no lalana ivoahan’ireo vokatra hihazo toeran-kafa. Mampimenomenona ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha-44 tokoa hatrizay nisian’izany lalam-pirenena izany ity am-pahan-dalana kely dia kely ity. Kely kanefa toa tsy hita ihany izay tena vahaolana matotra momba azy, am-polon-taonany maro dia maro izao. Nandalo teo, vao andro vitsy lasa izay, ny tompon’nandraiki-panjakana lehibe iray momba ny asa vaventy. Voatery nitodidoha niverina namonjy an-Antananarivo anefa satria tsy afa-nanohatra tamin’ny nafitsok’i Manakambola. Tsy fantatra marina moa izay tena antondian’io olo-maventy io tety tamin’izany.

Krismasy : Efa zava-panao isan-taona, ary tsy hita izay maha ratsy azy, ny fizarana gisa ho an’ireo mpiara-miasa rehetra mpikambana anivon’ny sosialin’ny foibem-paritra fanabeazana Alaotra-Mangoro. Avy amin’ireo latsak’emboka isam-bolana ataon’ny mpikambana no enti-manana izany hetsika izany. Tamin’ity dia ny alarobia 22 desambra tolakandro teo, tao amin’ny birao misy ity fiadidiana ity, eto Ambatondrazaka, no nanaovana izany. Nisy tamin’ireo mpikambana no nigonongonona fa kely hono raha mitaha amin’ny an’ny hafa ny anjara gisa voarambiny tamin’ny alalan’ny antsapaka.

Fakona kapaoty. Izany no maro an’isa tamin’ireo fako noraofin’ireo mpikambana anivon’ny AMI (Avaradrova Mitambatra Iray) ny asabotsy lasa teo, tao amin’ny renivohitry ny faritra Alaotra-Mangoro.
"Nahagaga sy nahamenatra raha ny hamaroan’ny kapaoty izay noraofinay teo niaraka tamin’ireo fako teto amin’ity toerana ity. Kapaoty efa avy nampiasaina daholo izy ireo araka ny fanamarinana natao", hoy ireto mpikambana izay hita fa mbola samy tao anatin’ny hagagany tokoa. "Midika izany fa ataon’ny olona toerana fanaovany lafin-javatra mamoafady izany ity toerana ity. Nefa anie rangahy dia an-kalamanjana be toy izao ve no misy sahy manao izany ? Tena tokony handraisana fepetra matotra ity toerana ity raha izany", hoy kosa ireo lohandohan’ny mpisorona anivon’ny fikambanana. Tao ireo nanolotra soson-kevitra ny amin’ny tokony tsy hamelana an’iza an’iza hipetrapetraka eo amin’ity faritra ity amin’ny alina, izay sady tokony hatao faritra mena rahateo noho izy manamorona avy hatrany ny fonjabe ao Ambatondrazaka. Tao kosa ireo nahita ny hoe asiana jiro maro be hanazava ilay toerana.
Isan-kariva tokoa dia maro olona (tanora lahy sy vavy) tazana mipetrapetraka eo amin’ireo faritra nasiana seza vato eo amin’ny La Place ity. Misy koa ireo mifanondakondana ambonin’ireo biriky natao sisin’ny zaridaina sy ireo izay novolena ahimaitso. Tsy lazaina intsony koa ny zava-misy amin’ireo "trano chalet"
Tsy misalasala
Io asabotsy faha-04 desambra lasa teo io, nanontolo andro dia tsy nisalasala ireto mpikambana maro mianadahy anivon’ny fikambanana AMI nirongo kifafa amam-pitaovana isan-karazany nanadio ity toerana midadasika misy ny lapan’ny tanàna ao Ambatondrazaka ambonivohitra ity. Hetsika ara-tsosialy fanindroany izao nataon’izy ireo ity. Asa natao tamin-kafaliana sy fahavononana, koa poa toy izay dia sady niverina nadio sy voavoly voninkazo ilay toerana izay zary ataon’ny sasany tsinontsinona. "Efa nisy ny hetsika fanarenana làlana nataonay talohan’izao. Tao amin’ny fokontany misy anay ihany no nanaovana azy io. Aorian’izao dia hiroso hamboly hazo indray izahay raha tahiany ka tsara filatsaka ny orana", hoy Evariste Randriamahefa, filohan’ny fikambanana. Vao ny volana janoary teo no niforona ity fikambanana ivondronan’Avaradrova Avaratra sy Atsimo ity, nefa dia efa nahavita sehatr’asa maromaro sahady. Maherin’ny zato isa amin’izao fotoana ireo mpikambana. "Tsy manakatom-baravarana amin’ireo olona avy any amin’ny fokontany hafa izahay amin’ny fandraisana mpikambana", hoy hatrany ity filoha. Filoham-boninahitra kosa ny Me Jacques Nampoizina Nirina Andriamanirison. Nampindrana trakitera ny AMI moa ny kaomina Ambatondrazaka nitaomana ireo fako hafa kely.



Hentitra ny tenin’ny sekretera jeneralin’ny faritra Alaotra-Mangoro, Stanislas Randriantoandro, fa tsy handefitra ry zareo eo amin’ny fampiharana ny lalàna amin’ireo izay minia handika izany amin’izao fotoam-pikatonana ho an’ny jono sy fanaratoana hanomboka amin’ny alatsinainy amin’ny misasakalina izao manerana ny faritra izay iandraiketany. Fikatonana izay haharitra hatramin’ny faha-15 janoary 2011.
Tsy anavahana
"Na iza na iza dia eo ambanin’ny lalàna avokoa fa tsy hisy olona afaka hihoa-pefy. Handraisana fepetra matotra izay tsy fanarahan-dalàna rehetra mitranga. Rehefa lalàna dia lalàna, ka na ireo fianakaviako aza izay mba maro amin’izy ireo koa no mivelona amin’ny fikirakirana hazandrano, dia nanaovako fanentanana mafy (...) Tokony hahatsapa koa ny rehetra fa andraikitry ny daholo be ny fanaraha-maso", hoy ity tompon’andraikitra ity tamin’ny feo feno fahavononana fa hanao izay tratry ny heriny amin’ny fanatanterahana ity fanapahana ity.
Nisy mihitsy tamin’iny herinandro iny ny fidinana ifotony tamin’iny manamorona ny farihin’Alaotra iny, aty amin’ny ilany atsinanana izay ahitana ny ankabezan’ireo mpanarato lehibe. "Tamin’izany no niezaka nitondra fanentanana izahay tompon’andraikitra. Nisy ihany fahasarotana tam-boalohany teo amin’ny fanatonana an’ireo mpanjono sy ireo mpandraharaha amin’ny jono. Saingy rehefa nandeha ny fifampiresahana dia hita fa samy vonona ny hanaja ny lalàna tokony ho izy ny rehetra", hoy ny avy ao amin’ny fiadidiam-paritra momba ny jono sy ny harena anaty rano. Lafiny momba ny teknika moa no nentina nandresen-dahatra ireo olona.
"Tokony tsy kotabaisina na jonoina ireo hazandrano amin’ny fotoana tokony hanatodizany. Isika ihany no tsinjovina voalohany amin’izany…", hoy ny lehiben’ny federasiona jono nanoloana ireo mpivarotra hazandrano navorin’ny Faritra tao amin’ny EPP Amparabonga Ambatondrazaka, ny tolakandron’ny alakamisy lasa teo. Takian’ireto mpivarotra kosa etsy andaniny ny fanatsarana ny toeram-pivarotana trondro rehefa hakatona ihany. Nilaza Stanislas Randrianantoandro fa hifandinika amin’ny kaomina momba io lafiny io.

Nisy ny fanamarihana faobe ny andro iraisam-pirenena amin’ny ady atao amin’ny aretina Sida sy izay rehetra mety ho areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. Tsy diso anjara tamin’izany fanamarihana izany ny renivohi-paritra Alaotra-Mangoro ny voalohan’ity volana diavina ity, dia ny 1 desambra izany.
Niazakazaka
Araka ny lamina niainga avy tany amin’ny mpikarakara ny hetsika tao Ambatondrazaka, dia nifamotoana nanoloana ny biraon’ny faritra eo Sabotsy ireo rehetra izay nandairan’ny fanentanana mba hiara-hanamarika iny vanim-potoana iny. Tamin’ny 7 ora maraina mahery ary dia indreo fa samy tazana teo avokoa ireo mpandray anjara izay saiky avy tamin’ireo sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana avokoa no an-kamaroany. Tamin’ny 8 ora sy sasany moa vao raikitra amin’izay ny fanombohan’ny hetsika. Hazakazaka nihazo an’Atsimondrova no natao. Nitohy hatrany amin’ny manamorona ny 67 ha (Avaradrova Avaratra) izany rodobe izany. Somary niverina nihazo ny làlana mandalo ny sekoly Mb Terezy, niserana ny FJKM Avaradrova Atsimo, niporoaka teny an-tsena ary nifarana teo amin’ny banja malalaka manoloana ny Jovenna. Tazana nandray anjara tamin’izany ihany koa ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny taksi bisikileta. Nisy ny "assouplissement" mirindra niarahana nanao rehefa tapitra tonga teo avokoa ireo mpihazaka. Ingahy Seta Rabemanantsoa, delege rezionalin’ny tanora sy fanatanjahan-tena, no teo amin’ny fandrindrana io fihetsika io izay nahavariana olona maro tokoa noho izy tsy dia fahita eny an-dalam-be.
Raikitra ihany avy teo ny kabary isan-tsokajiny rehefa voavaha ihany nony farany ny olana teo amin’ny fanamafisam-peo. Nambara moa fa na dia mbola vitsy aza ireo tranga voamarina amin’ny efa fisian’ny olona mitondra ny tsimokaretina sida ao Ambatondrazaka, dia zava-dehibe tokoa ny fandraisana anjaran’ny daholo be eo amin’ity ady mangotraka ity. Ny lanonana rehetra moa dia nohaingoina tamin’ny alalan’ny fizarana kapaoty. Nomena maromaro avokoa ireo niazakazaka, hatramin’ny mpian-tsena izay maro ihany no hita fa saikatra handray izany, indrindra ireo andriambavilanitra izay tsikaritra fa tsy nanam-po fa andro lehibe ity nodiavina.




Tapaka fa "Fandinaka 2011" no anarana hisaloran’ny lalao an-tsekoly sehatra nasionaly handraisan’ireo foibem-paritra fanabeazana miisa 22 anjara amin’ity taona ity. Tsahivina fa hatao eto amin’ny renivohi-paritra Alaotra-Mangoro izany amin’izao andiany manaraka izao araka ny fanapahana niaraha-nanaiky tany Antsohihy nandritra ireo lalao andiany teo aloha izay natao nanomboka ny faramparan’ny volana septambra. Fivorian’ny komity ivondronana rantsamangaika maro ato anatin’ny faritra no nandrosoana ireo teny rehetra manana hevitra mifandraika amina fifaninanana; teny izay misy ao anatin’ireo distrika 5 mandrafitra an’Alaotra-Mangoro. Tapaka ary fa ity Fandinaka ity no lany tamin’ny faha-26 novambra lasa teo tao Amparafaravola izay toerana nivoriana. Teny avy eto Ambatondrazaka izy io, ary mahafeno tsara ny hevitry ny hoe fifaninanana. Manjaka amin’izany ny fananana toe-tsaina vonon-kandresy nefa manaja ihany koa ny fitsipika rehetra maha lalao ny lalao. Misy fiteny mora ahazoana ny heviny amin’ny an-kapobeny, dia ny hoe: "Tsy mahadinaka anà alà raha hiazaka" (Tsy ampy ahy ialahy amin’ny hazakazaka). Dia raikitra avy eo ny fifaninanana atrehin’ny tovolahy sy tovovavy maro. Na ny resy na izay mpandresy anefa dia mivonona hatrany fa any andro iray mbola hifandinaka indray izy ireo na amin'ny hazakazaka na koa amin'ny taranja hafa. Dia toy izay hatrany.

Fisarahana no niafarany ny an’ireto mpivady vokatry ny fisian'ny kapaoty maromaro saron-dramatoa tao am-paosin-drangahy tamin’ny alarobia alina lasa teo, tao amin’ny fokontany iray eto Ambatondrazaka. Rangahy moa efa varimbariny be ihany no tonga tao an-trano, ka tonga dia natory tsy niova fitafiana. Ny maraina vao gagagaga fa nanjavona niaraka tamin’ny ankizy ramatoa. Mety ho fimailo tamin’ireo fimailo nozaraina tamin’ilay fanamarihana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny sida anefa ireo tongany tao an-trano ireo. Ny zoma no re fa nody ihany ramatoa sy ny ankizy rehefa resy lahatra tamin’ireo vaovao navoakan’ny haino aman-jery sy ireo olom-pantany nitatitra ilay hetsika natao. Nilaza moa ingahirainy fa na izy koa aza hono mba gaga tamin’ny nahatongavan’ireo kapaoty tao am-paosiny. Fanambaràna izay saiky mbola nampisondrotra mafy ny tambavin-dramatoa moa avy teo. Mba mailo ihany, hoy ny hehiben’ireo sendra nahalala ny fandehan’ny zava-nitranga.
Vidim-bary : Mbola tsy mitsaha-miakatra ny vidim-bary eto an-tampon-tananan’Ambatondrazaka, indrindra amin’izao ankatokin'ny fetifety isan-tsokajiny izao. Vidiana ariary 350 ny fotsim-bary iray kapoaka eny amin’ny mpaninjara. 320 ariary kosa izany ho an’ny vary vao, izany hoe ireo vary vokatra avy amin’ny volivary ririnina. Manodidina ny 1200 ariary ny kilao amin’izany raha 700 ariary kosa ho an’ny akotry vary tranainy. 650 ariary ny vao. Marihina moa fa vary tsy dia fahita firy aty Ambatondrazaka sy ny manodidina ilay antsoina hoe "stock tampon" noho izy io tsy misy mpividy raha mitaha amin’ny makalioka sy ny vary dista.
Niaka-bidy ny gisa : Hafa be ny tamin’ity, hoy ireo mpankafy gisa. Ny hafa be lazain’izy ireo amin’izany dia ny vidiny. Nisondrotra izay tsy izy tokoa mantsy ny vidin’ity biby ity. Tato anatin’ny tapa-bolana izao dia niakatra mananika ny avo roa heny ny 15.000 ariary nahazatra ireo mpividy. Gisa salantsalany io. Tsy mampisalasala ireo mpiantoka kosa ny manombana ho 45.000 ariary ireo gisa vaventy eto an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka. Tsy mahagaga loatra moa izany satria efa nahita làlana nihazo an’Atsinanana sy Analamanga avokoa ireo gisan’Antsihanaka izay tsy azo lavina fa manana ny mampiavaka azy eo amin’ny tsirony. Tompony mangatak’atiny isika izany, hoy ny olona.
OKTOBRA 2010 | NOVAMBRA 2010 | DESAMBRA 2010
Site mise à jour le 18/05/2012
Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes |
Vaovao ![]()