Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes | Vaovao ![]()
|
Ohabolana Malagasy : " Vari-vory amin'abatoraka (karazam-bary) : totoina tsy miray fotsy, ahandroin-tsy miray masaka. " |
OKTOBRA 2010 | NOVAMBRA 2010 | DESAMBRA 2010
Mahonena raha ny tatitra azo avy amin’ireto olona, mpanabe, avy any Bekobaka momba ny fahamaizan’ny tanàna izay nonenan’izy ireo. Tafo vitsy dia vitsy sisa, miisa 7, no afa-bela tamin’ity loza nahatsiravina nitranga tany an-toerana ity. Trano fiangonana sy sekoly ary tranon’olon-tsotra, noho izy ireo miorina somary lavidavitra ny tanàna ireo tsara vintana ireo.
“Tsy misy ho raisina ireo mponina na dia kely aza amin’izao. Ny akanjo an-koditra no mba hany sisa avotra niaraka tamin’ny vatatenan’ny tsirairay. Ny ankoatra izay dia lasa lavenona avokoa ka isan’izany ireo vary izay notehirizina tao amin’ny tranoambo (fitehirizam-bokatra) saika hatao karaman’ireo mpanabe anivon’ny sekoly naorin’ny fokonolona (FKL)”, hoy Jean-Marie Ranaivoson sy Charles Razafinjiona, isan’ireo mpanabe nanainga vatana nizaha ifotony ity loza tao Bekobaka Anosibe An’Ala. Naneho ny hagagàny izy ireo noho ny tsy mba isian’ireo tompon’andraiki-panjakana nijery akaiky ny manjo ireo mponina hatramin’izao. Vola azo tamin’ny alalan’ny tsipaipaika vonjy rano vaky nataon’ireo mpanabe naman’izy ireo no natolotra ireo mpampianatra 3 mianadahy izay isan’ireo kila trano amam-pananana ihany koa tao amin’ity toerana ao anatin’ny Zap-n’Ampandroantraka ity.
30 kilaometatra miala an’Anosibe An’Ala, miantsinanana, no misy an’i Bekobaka. Atao an-tongotra ny 15 kilaometatra amin’io elanelanelana io. Efa nisy
tompon’andraikitra ambony anivon’ny goveranementa izay sendra tonga nanao fitsidihana tao Anosibe An’Ala, ny alakamisy 4 novambra lasa teo, notolorana tatitra momba ireo fahavoazana, raha araka ny vaovao voaray farany. Andrasan’ireo mponina fatratra izay mba mety ho fihetsika hataony.

Volana maromaro izao, araka ny fanamarihana nataon’ireo mponina, no tsy mba nahenoam-baovao intsony teo anivon’ny radio sy ny fahitalavim-panjakana ny any Anosibe An’Ala. Nisy ihany izany teo aloha, saingy rehefa niova ny olona notendrena hisahana ny fiandraiketana ny raharaha ho fampandehanana io sampana io, dia nanjavona tanteraka hatrany amin’ny fandaharana fantatry ny rehetra hoe “Ampitapitao” ity distrika izay zary faralahin-jaza hatrany, na teo amin’ny nisian’ny rafitra faritany na koa amin’izao ankatoky ny fanamafisana izany miaraka amin’ny fitsinjarana ara-paritra izao.
“Toerana nandefi-dava ny tety hatrizay ka hatrizao. Mbola isan’ireo manana mponina sy mpianatra voatery mandeha an-tongotra lavitra dia lavitra raha te mba ho isan’ireo hahita fandrosoana. Izany rehetra izany anefa dia inoana marina fa tsy misy mpahalala, indrisy, noho ny tsy mba fiasian’ny olona afaka midradradradra azy amina haino aman-jery. Ilaozan’ireo tompon’andraikitra miraviravy tànana fotsiny, hany ka na amin’ny Ampitapitao aza dia tsy misy momba anay intsony mihitsy. Jereo anefa ohatra ireny fahamaizan’ny tanàna tao Bekobaka ireny”, hoy ireto olona tonga mivarotra vokatra ao an-tampon-tananan’Anosibe An’Ala. Avy any Sahafasenina sy Ambohipenon’Ambatoharanana izy ireo, nandeha an-tongotra tsy latsaky ny 30 kilaometatra, no izao mitondra vokatra kafe sy akondro kely ary vorona hamidy izao.
“Mba manaraka filazam-baovao amin’ny radiom-pirenena izahay isak’ireo ora isian’izany, saingy velon-tsento hatrany eny amin’ny farany fa tsy mba misy tamingana Anosibe An’Ala voalaza. Adino angamba ny fisianay”, hoy kosa indray ry zareo avy any Sahakely Ampasimaneva. Marihina fa rakotry ny tambajotra Telma Anosibe An’Ala. Io irery moa hatramin’izao no misy any an-toerana. Marihina ihany koa fa tonga any an-toerana tsara avokoa ireo gazety an-tsoratra isan’isany ary tena manjifa azy ireny ny mponina, na dia tara andro iray amin’ny daty nivoahany aza izany vokatry ny làlana.
An-dàlana amin’izao ny famitàna ny trano vaovao manana efitrano telo ao amin’ny lisea Anosibe An’Ala. Fandraisana anjara avy amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra no ampahany betsaka hamatsiana ity tetikasa fampitomboana isa ny efitranon-tsekoly ity. Efa vita tanteraka kosa ny trano manana efitra miisa 2 ao amin’ny CEG ary efa ampiasaina. “Novinavinaina ho vita niaraka ireo trano vaovao roa ireo, saingy antony somary nampitarazoka kely ny iray ny fahateren’ny ray aman-dreny teo amin’ny ara-bola. Tsy anomezana tsiny n’iza n’iza anefa akory izany fa iaraha-mahita ny fahasarotana. Ohatra amin’izany ny fanomanana ny fampidirana ny ankizy any an-tsekoly izay tena tsy zava-mora tokoa ety aminay”, hoy Jean Viève Randriasimalala, lehiben’ny faripiadidiana fampianarana any an-toerana. Tsahivina fa Anosibe An’Ala no nitana hatrany ny laharana voalohany, nanomboka ny taona 2006, teo amin’ny taham-pahafahana fanadinana bakalorea aty amin’ny foibem-paritra fanabeazana Alaotra-Mangoro. Ambony koa ny azy ny tahan’ny fidiran’ny zaza an-tsekoly raha mitaha amin’ny an’ireo cisco sasantsasany tato ho ato. “Mba isorohana ny fitsoahan’ny zaza ny sekoly dia miandoha amin’izao fotoana ny antsoinay hoe cantine scolaire. 70 ariary, isan-taona ary isaky ny mpianatra no tapaka fa mba fandraisana anjara avy amin’ny ray aman-dreny amin’izany ho fampandehana io tetikasa io”, hoy hatrany ity tompon’andraikitra nanampy fanazavana mikasika ity hoe cooperative scolaire ity.
Ankoatran'izay moa dia nandalo fiofanana toy ireo mpanabe tany Andilamena koa ireo mpanabe niisa tany ho any amin’ny 450 tany an-toerana, andro vitsy lasa izay. Hateloana no nanaovana izany tao amin’ny EPP Anosibe An’Ala, ka ny momba ny paikady enti-mampianatra sy ny lafiny fandrafetana soritr’asa matotra sy mahomby no niompanan’ny fiofanan’ireto mpanabe avy tamin'ny Zap niisa 13 any an-toerana. Nisahana izany moa ireo teknisiana avy ao amin’ny Dren Alaotra-Mangoro.


Fampielezan-kevitra : Nafotaka raha ny hetsika notanterahin’ny komity mampandany ny “ENY” teto Ambatondrazaka sy tany Amparafaravola. Hetsika izay nahitana ny fahatongavan-dRamandehamanana Richard, tale mpiara-mitantana ity vondrona ity eo amin’ny sehatra nasionaly. Ny 30 sy 31 oktobra teo no nanaovana izany. Nifalihavanja ihany koa ireo mponina tamin’ireto distrika roa ireto nandritra izany fa tao ny tarika Jean Aimé sy ireo tovovavy mpandihiny izay nampitolagaga.

Ady amin’ny tazo moka : Hiandoha amin’ny alatsinainy 8 novambra izao ny hetsika ifotony hizaràna ireo lay misy ody moka ato anatin’ny fiadidiam-pahasalamana Alaotra-Mangoro. Efa matipaika sy vita lamina tsara avokoa amin’izao ny pitsony rehetra ho enti-miatrika izany. Efa nitondra fanazavana feno sy mivantana tamin’ireo olona miara-miasa amin’izy ity kosa ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny PSI Toamasina teo amin’ny resaka tambin-karama izay nanaovan’ny olona sasany tia hanakorontana ireo tsaho be tetsy sy teroa ka saiky nahatonga fitokonana.
Hilatsaka : Rehefa hiroso ho isan’ireo mpifaninana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny Me Jacques Andriamanirison Nampoizina Nirina, ben’ny tanànan’Ambatondrazaka am-perin’asa amin’io fifidianana vinavinaina hatao amin’ny volana desambra ho avy io. Raha izany dia tsy maintsy hametra- pialana ny tenany, araka ny didy aman-dalàna manan-kery, ka ny Me Joel Randrianajason, lefitra voalohany, no handimby toerana azy vonjimaika.
Tsy mety milatsaka : Tsy misy orana hatramin’izao aty Ambatondrazaka sy ny manodidina, na dia eo aza ny efa fahatafidirana tanteraka amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra. Ahiana mafy araka izany ny haha taraiky indray ny fotoam-pambolena. Mba nisy tsitaitaikan’orana ihany kosa tany Amparafaravola, saingy nitsahatra ihany koa izany. Miseho indray izany amin’izao ny vokadratsin’ny dorodoro (tanety, zetra…) tsy manam-pahataperana, nefa tsy mety resy lahatra hatrany ireo sakaizan’ny afo.
OKTOBRA 2010 | NOVAMBRA 2010 | DESAMBRA 2010
Site mise à jour le 18/05/2012
Actualités
| Accueil | Ambassades | Archives | Artistes d'AlMan | Contact | Forum | Interviews |
Livre d'or | Nécrologie | Recettes |
Vaovao ![]()