|
Alina no androny
ny alina madiva...aminy dia vola
hanefainy ny atoandrony
Fa alina no asany
indrindra ny alin'ny ririna
marobe reo mangatsiaka
mila azy ho fihinina
eny anjoronjoron'hirika
hianoka ny hafanany
sy ny nofy nofo mielina
apongatry ny vatany
Dia ekeny ny hoviraina
tera-dinitra ny tavany
miontsokontsona ny tratrany
misefosefo koa ny vavany
anefa...
Tsy ilàny fiantrana
ny anton-diany hikarama
ny hany azonao atao
rehefa vita izay natao
DIA NY VOLA NO APETRAHO
Fa miandry izao ny zanany
Miandry koa ny akaniny
Ny Peniko, 13 febroary 2012
|
|
Raha tahiany misy tsiky
Heverinao fa ho ahy irery
Dia apetaho lay solonify
Fa tsy vitako ny hijery
ny vavanao misokasoka
mangodana tsisy endriny
Izay aminao dia tena laniko
Raha mikombona ny vava
Fa mahadiso ny adisaniko
Rehefa injay lay tsiky banga
no miainga manodoka
ndeha hamboraka ny heviny
Ny bikanao moa tsara rafitra
Mitsatoka tsy misy tsiny
Ny indrokely hoy ny mpandrafitra
Ny nifinao tsy ampy dimy
Ny Peniko, 12 febroary 2012
|
|
matoa ianao nidify
dia fantatro mihitsy
fa tsy zakanao
ny vaiky ny sotako
matoa ianao nanolo
dia satria ny tontolo
nampiainako anao
feno ny haromotako
Fa matoa ianao niverina
dia satria nahatelina
ilay fanahy fizarako
ary matoa ianao tonga
dia navesatra fanonja
tam-ponao lay fitiavako
Ny Peniko, 15 janoary 2012
|
Ny siotsiokam-boronkely
mifaliavanja raha maraina
ny akon'ny riana
mamakivaky,...
iny kizon'ala iny
mandrotsy ny voahary
any andohasaha mangina
no ataoko solon-kira
ampombaiko firariana
hirariako anao
hahatratra soa ny taom-baovao
...
hivalonan'ny tsy nety
hahamoana ny tsy fahombiazana
hisondrotanao Mpietry
ka hahatonga anao ho tazana
eny anivonivon-kintana
hahatò reo nofinofy
sy reo revirevinao
tao an'alina mangina
koa dia mirary indrindra
mirary ho anao
ny taona vaovao
ho taom-pitahiana
NY PENIKO 28 desambra 2011
|
Andriamanitra ô!
izay anjarako anio
raha mety Ianao dia avilio
ho an'ireo kamboty ireo
Ny tandrifin'hafanako
hanomezo, tsinjarao
hifalian'ireo mahantra
mitampify an-tranobongo
Izay sombim-pahafahako
anapilaho ho azy koa
hiposahan'ny masoandrony
ahitany ny hazavana
Fa ny vaingam-pahantrako
aza aseranao akory
eo ambany takolany
fa animbino kely
ho lanjain'ireo mahery
NY PENIKO, 30 janoary 2012
|
|
Tia anao aho Rahavako…
dia izao no fivavako
ho Tia anao
amin'ny fo, fanahy, saiko
ho Tia anao
hatramy farafofonaiko
ho tia anao
…
ka ny androm-pahavelomako
tsy mba misy hanesorako
fa hitiavako anao
…tia anao aho!!!
tena tia,
tena tia…ka
matokia!
NY PENIKO – 02 desambra 2011
|
Fa iza moa ianao?
iza... mba lazao
mitady hambabo izany foko
zay efa manan-tompo
Satria ny zavatra tsaroako
rehefa mifanojo isika
dia misy hery miampita
alefanao ami-fijery
dia tsapako mamerivery
izay efa nivoadiko
Ka iza moa ianao?
iza... mba lazao
no mitady hanafotr'ahy
r'ilay mpakafanahy
NY PENIKO 26 novambra 2011
|
maditra hono ialahy
mpifoka,
mpigoga,
mpiloka,
tsy vitan'izany
fa olo-tia ady
ary ambonin'izany
mpanitsa-bady
nefa anie,...
ny fijeriko an'ialahy
toa mba olon'ny fanahy
toa olona tsotra
mandeha sy mizotra
ami-lala-mahitsy
F'ilay fandrefesany angamba no diso
na ny fony mihitsy no efa misy kitro
Fa rehefa tena nohadihadiako
hay!!! sipa voadonan'ialahy tany ho any
fa mbola mahatsiaro ny kaso-bilany
mbola mikiky lay fery ao anaty
dia manaratsy no ataony ho valifaty
NY PENIKO 18 novambra 2011
|
|
Tompo ô!
Omeo hery aho anio
hahaizako miondrika
hijery ireo madinika
resy sy jambena
Amorony fo madio
manaiky ny hietry
afaka mandinika
ny lalam-pamonjena
Androtsahinao Fanahy
handreseko ny ambom-poko
hisainako ny hafa
hanaovako asa tsara
Mba ho tena lehilahy
hiasa sy hampandroso
hanarina ny lasa
amim-po mahay mizara
NY PENIKO 5 novambra 2011
|
Navelako noraisiny
Sady nohakakaisiny
Ireo tanan-dreniny
Navelako ho lazainy
Izay rehetra tao an- tsainy
Fa tsy hisy hafeniny
Fa anio no andro farany
Hanononana ny anarany
Dia tsy ho hita intsony
Anio no andro farany
Ahitany izany tavany
Toa renoky ny Tory
NY PENIKO 19 septambra 2011
|
Angamba...
Tsy ny lanitra manga
na ny hakanton'ny maraina
tsy izay somboniaina
no mahamirana ny saiko
fa ianao anilako eo
Angamba...ilaiko ihany
ny taratr'andro eny antsinanana
ny diavolam-penomanana
saingy...
ho malok'ila ihany
ny fiainako eto an-tany
raha toa lavitra anao
NY PENIKO 8 novambra 2011
|
|
Notapenany ny vavako
tsy hizara tsikitsiky
tsy hiloa-peo mihitsy
Afa-tsy aminy ihany
Nojambainy koa masoko
tsy hijerijery hafa
tsy afaka hikasa
afa tsy izy irery ihany
Dia talanjona ny foko
raha nanala antsokosoko
ity tampina napetrany
Hay iny tsikiko iny
raha sendra mba mivily
tsy mba fahafinaretany
Hay ny masoko nirirana
nijery vilambilana
nanimba ny fiheverany
Dia ny feoko mba nikalo
nampiherika mpandalo
mbola tiany ho feperana
NY PENIKO 14 oktobra 2011
|
malalako,…
mba satriko
hanonona tsy miato
ny anaranao
hijery tsy ankijanona
ny salovanao
hiaina tena ela
ny tsikitsikinao
mba satriko,
malalako,…
banjininao maharitra
amin'ireo masonao
hahare matetika
izany feonao
hizara isanandro
fitiavana aminao
mba satriko e!
mba satriko…
ry Tiako sady sampiko
ho feno anao ny amiko
NY PENIKO 27 novambra 2011
|
kanefa matokia...
fa izy dify iny
mbola hiverin'eto ihany
hanova ny anio
ho andro vaovao
NY PENIKO 13 novambra 2011
50 taona hono
50 taona izay
no nambara f'efa afaka
nefa...
50 taona koa
50 taona indray
nivarinana an-davaka
NY PENIKO 17 novambra 2011
|
|
Harivariva tamin'ny dimy
masoandro mody andrefan'iny
Andeha hatsaka no nialana
Nierana tao an-trano
Niova tampoka ny dia
ho ery ambody mantalia
eo no mifanorokoroka
mifanaikinaiki-molotra
Mbola ao hatramin'izao
ny anarako sy anaranao
lay nosokirina fahiny
Mbola ao tokoa lay diany
Inoako fa tsaroanao
harivariva toy izao
nifampisioka haka rano
hay fantatry ny tao an-trano
Isika roa moa tsy nahalala
fa nentin'ity fo adala
Ho eny am-body mantalia
hifamboraka fitia
KANJO!!!!!!
Hay dadanao dia efa niandry
miaraka amin'ny langilangy
Dia nitsoaka aho nandositra
tsemboka aho, tera-kovitra
Tsiahy iny mba nandalo
Dia narindra ho tononkalo
Raha manam-potoana ianao
Mandalova any izao
fa tena mbola ao tokoa
lay anaran-tsika roa
NY PENIKO 19 septambra 2011
|
Niady mivady
Vao maraindraina
Ry zareo tato atsimo
Ny zanany vavy
No teo nitaraina
Dia izay aho vao nino
F'ilay rangahy
Toa tsotsotra ihany
Fa tsy be resaka firy
Fa madama indray
Tsy torak'izany
Fa be tafasiry
Dia nanontaniako
Ilay zazavavy
Hoe inona no antony
Nahatonga ny ady
Tamin'izy mivady
Ka namoa-tsampona
Dia namaly Rakala
Sady nisento
No tsy te hilaza
Fa nisy fofona manitra
Manentoento
Ny akanjon'ny Dada
NY PENIKO 29 jolay 2011
|
Tsy haninona ny tany
raha toa ka banga anao
Tsy hampiova lokon'andro
ny fahalasananao
Tsy haharitra ony akory
ny tsy fiverenanao
Fa vao maik'aza hampitony
ny oram-baratra mitrao
NY PENIKO 27 oktobra 2011
Raha lazaina ho nofy ihany
izao hita rehetra izao
Dia tohanako tsy hiodina intsony ny tany
Mba ho alina foana hanofisako anao
Raha ankamantatra indray ny ampitso
mety tsy ho hita sy saro-patarina
Dia tokana ihany ny setriny omeko
ianao dia ianao no lay valiny marina
Raha toa indray ka angano sy arira
ilay tantara niarahantsika roa
Dia mahatoky sy mino aho fa maro no liana
hamerina hihaino fa tsy afa- po
NY PENIKO 7 oktobra 2011
|