VAOVAON'ALAOTRA-MANGORO

LALAM-PIRENENA FAHA-44
HANAO HAZALAMBO IREO JIOLAHY, IREO MPAMILY MANKANY ALAOTRA

Tsy tanty intsony. Hentitra ny filazan'ireo mpamily sy tompona fiara ny amin'ny hirosoan'izy ireo hanao savahao ireo mpitoraka mpandrava fiara mpitatitra eny amin'ny lalam-pirenena mampitohy an'i Moramanga sy Vohidiala.

Eo am-piketrehana fatratra ny fomba entina manatontosa izany izy ireo tato ho ato, indrindra tamin'ny fotoana nahatapaka ny fifamoivoizana tamin'ity zotra ity noho ny fahapotehin'ny tetezana tao Andrindra, 27 kilaometatra miala an'i Moramanga, tao anatin'ny andro vitsivitsy nanomboka tamin'ny alakamisy faha-16 febroary teo.

Vaky "parebrise"

Kamiao be feno hazo no fototra nahatonga izany fahasimbana izay nitarika ihany koa lonilony isan-tsokajiny, ka isan'izany ny teo amin'ny samy mpitatitra.
"Tsy fantatra mazava teny am-boalohany na ireo mpitondra fiara vaventy sasany izay hita ho tsy faly tamin'ireo fiara madinika afaka mbola niampita no naneho hatezerana, fa dia voatery niverin-dàlana ilay taksiborosy izay vaky "parebrise" vokatry ny toraka variraraka nahazo azy teo Andrindra. Niverina izy avy eo niaraka tamin'ny zandary. Nisy olona azon'izy ireo, saingy tsy naseho anay izany fa tonga dia nentina an-tsokosoko tsy hay mazava hoe aiza. Omaly aza izahay saiky mbola tavela tao noho ny fitiavan-tenan'ireo mpamily fiara vaventy ireo raha tsy nampiasa angovo natao bontolo be", hoy ireto mpamily izay nilaza ihany koa fa somary gaga amin'ny tsy fandraisana andraikitra fenon'ireo mpitandro filaminana mikasika ny fandrindrana na koa fepetra tokony apetraka amin'ny tranga toy izany.
"Vokatr'ireo toe-javatra ireo, sy ireo rehetra efa nisy sy nihatra taminay hatrizay, dia leo izahay, ary mihevitra ny handray fepetra anay manokana mihitsy izahay mba hamongorana ireo jiolahy sy mpandrava fiara", hoy hatrany ireto mpitatitra tao Ambatondrazaka, ny maraindrainan'ny faha-20 febroary. Voalazan'izy ireo moa fa nisy fahaverezana entana izay mbola tany anaty fitoerany teo Andrindra tamin'ireo taksiborosy vaventy izay tsy afa-nandeha ihany koa toy ireo kamiao. "Eo Andrindra sy Marovoay ary Morarano no tena betsaka ny fianihana fiara eny am-pandehanana sy tena isehoan'ny toratoraka na koa fandravàna", hoy izy ireo.


MANOHANA NY EZAKA ATAON'NY BNGRC AMBATOVY

Niditra an-tanety tao amin'ny faritra Atsinanana izay misy ny foiben'Ambatovy ny rivodoza Giovanna ny alin'ny 13 hifoha 14 febrorary 2012 lasa teo. Tsy niteraka faharatrana ho an'ny mpiasa na fahavoazana goavana teo amin'ny fotodrafitrasan'Ambatovy anefa izany ary tsy dia niteraka faharavana betsaka hoan'ny tanànan'i Toamasina. Ny tao Brickaville sy ireo mponina manamorona ny lalam-pirenena faharoa kosa dia tsy dia nieren-doza loatra. Manohana ny ezaka ataon'ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC Ambatovy manoloana izany loza voajanahary izany ary nanokana helikôpitera iray hampiasaina hanarenana ny fahavoazana ao anatin'ny fotoana fohy sy hanenjehana ireo asa ilaina maika. Iarahana misalahy amin'ny fikambanana hafa misahana ny vonjitaitra izany asa izany mba hijerena ny fanampiana tena maika. Miara miasa akaiky amin'ny mpiombonantoka aminy Ambatovy ary manamafy ny fahavononany hanohana hatrany ny mpiray monina.

NAHAZO FANKASITRAHANA INDROA MIANTAONA NY TOBIM-PAHASALAMANA AO VOHITRAMBATO

Fanindroany izao no nahazo ny fankasitrahan'ny sampandraharahan'ny distrika misahana ny fahasalamam-bahoaka ao Toamasina II ny tobim-pahasalamana ao Vohitrambato izay isan'ireo toeram-pamindràna ny mponina ho an'ny Tetikasa Ambatovy ao Toamasina II. Izany dia noho ny vokatra mahafapo ny taona 2011.
Tamin'ny taona 2011 tokoa dia nosokajian'ny sampandraharahan'ny distrika misahana ny fahasalamam-bahoaka ao Toamasina II ho laharana voalohany amin'ireo tobim-pahasalamana tsy miankina ny tao Vohitrambato. Efa hatramin'ny taona 2010 io tobim-pahasalamana io no niavaka satria dia mihoatra ny tanjona napetraky ny fari-piadidim-pahasalamana hatrany ny zava-bitany eo amin'ny tahan'ny fitsaboana marary avy any ivelany, ny tahan'ny fiterahana, ny tahan'ny fanaovam-bakisiny ary ny fampiasana fanabeazana aizana.



VARAMANDADY, VARAMAINA
AFO MISARIN'AKOHOLAHY MENA LAVA SANGA AVOKOA NO ISEHOANY

"Niandry omby aho taloha. Efa zava-pahitako hatrany ny hoe varatra milatsaka. Maina tanteraka izay hazo iantefàny. Ny omby koa matetika dia asiany. Miendrika sarin'akoholahy mena midorehitra lava sanga izy. Mitsoriaka mila tsy ho araky ny maso ny fandehany. Mitovitovy amin'ireny vilia baolina antonony ireny ny habeny". Ireo no famariparitana tsotsotra azo avy tamin'Andriamatoa S. momba ity loza sy antambo mamely tsy miera toy ny fahafatesana ity. Raim-pianakavina efa loa-jafy hatramin'ny ela ingahy S, monina any amin'iny faritra Ambatondrazaka iny. Nisafidy ny tsy hitonona anarana izy sy ireo namany, ary nandà ny halaina sary. Nambarany fa zavatra saro-pady loatra ity resahina. "Misy ny varamandady, ary ny varamaina. Mamely amin'ny andro mazava ity farany, ary tsy mateti-piseho. Tsy voatery ho natoraly avokoa ny varatra rehetra, fa misy amin'izy ireny no olona mpahay milalao azy no mahatonga azy hiseho, ka ny andro avy orana no tena hanamparan'izy ireny ny "talentany" amin'izany", hoy izy.

Hamonoana

Araka ny fanadihadiana natao tany amin'iny faritra Ambatondrazaka iny hatrany no nandrenesana fa ny varatra dia ampiasain'ireo olona manana fahafahana manokana amin'ny fibaikona azy mba hanatanterahana ny fanirian'izay olona te hisompatra na hamaly faty. "Any amin'iny faritra Antsakoamadinika iny, andrefan'Amparafaravola, any amin'ny alan'i Didy ihany koa, dia misy olona tena mahay. Be ny olona taloha no milaza fa mpankany, ary nilaza fa samy nahazo fahafaham-po tamin'ny valifaty izay niriany ho tanteraka. Tsy enjehin'ny fiaraha-monina ny olona mahay varatra. Ny antony dia tsy fantatro mazava hatramin'izao ary tsy mbola nampanontany tena ahy koa. Ny hany azoko lazaina dia toy ny lasa reharehan'ny tanàna izay manana azy aza ny olona manana io fahaizana manokana io", hoy hatrany ny fanazavana avy tamin'ingahy S. Nomarihiny fa tsy voatery iray toerana amin'izay olona kendrena no misy ny mpibaiko varatra. Azony atao tsara, hoy izy, ny manatontosa ny zavatra hataony na hatraiza na manahoana halaviran'ny elanelana amin'izay "hasiana". Na omby, na olona no voany ka matiny, dia sady maina kinkona ary tsy misy lela avokoa avy eo.




Hanafaizana

Tany amin'iny faritra amin'ny ilan'ny atsinananan'ny distrikan'Ambatondrazaka iny, hoy kosa indray ingah N. dia olona nofaizina no hitan'ny masony. Renim-pianakavina nitaizakely izy io tamin'izany, havan-dry zareo, ary olona nivantanany tamin'ny fivanihanany tamin'izany. Nilaza fohifohy ny zava-nitranga izy. "Tsy natoky ny fitondran-tenan'ity zaobaviny ireto anabavin-drazazalahy tamin'ny nananany ilay zaza. Tsy nifidy ny hamono azy anefa ireto zaobaviny fa ny hanafay azy no nanatonan'izy ireo olona afaka manao izany. Misy tongony moa ny trano fa tsy tonga dia mifototra avy hatrany amin'ny tany any amin'iny faritra manakaiky ny faritra Betsimisaraka iny. Avy tany ambanin'ny trano, andro antoandro be nigaina izao, no nipoiran'ny varatra. Sahala tamin'ny akoholahy be mena sy masiaka milelalela mivoaka afo no zavatra tazana nifontroaka io, no sady narahina feo nirefodrefotra nitalakotrokotroka tsy nifandrenesana. Nipitika teny ambaravaravana toy ny nisy nanipy ilay zaza mena vava teo ambony fandriana. Ny nahagaga dia tsy nisy naratra ity farany na koa bitsoka na may. Ilay ramatoa kosa niantefan'ilay akoholahy teo amin'ny fitombenany. May kila io faritra taminy io. Nentina notsaboina tany amin'olona izy taorian'ny tsy fahombiazan'ireo mpitsabo teny amin'ny tobim-pahasalamana. Maimbo vanja avokoa eran'ny trano tamin'ny fotoana nisian'io zava-doza io, ary dona-tsetroka be no nisy teo amin'ilay fandriana. Ilay ramatoa kosa nipitika tery ambony gorodona. Ny fitantarany ny zavatra tsapany no nakanay sary an-tsaina fa angamba karazana herin'aratra mahery vaika be arahina vanja sy afo no singa misy amin'ny varatra iray".

Lalaovina

Matetika, hoy kosa indray ingahy M. izay tsy naharitra ity resaka nifanaovana, no mifaninana mampiseho ny heriny fotsiny ireo mpahay rehefa tsy hamely olona na biby fiompy. "Mivezivezy eran'ny tokontany ny laona fitotoam-bary. Efa imbetsaka aho no nahita izany. Varatra baikon'olona no mahatonga io fivezivezena io. Laona eo amin'ny tokontany misy anao io, fa tsy hoe any amin'ny an'olona any. Rehefa avy eo dia iny no tsy hitanao intsony izay niafaran'ilay laona. Tsy hay hoe nankaiza. Raha mahay mamaly indray kosa ireo mpahay hafa izay manaraka ny lalao, dia mahatafaverina ilay laona teo amin'ny nisy azy teny am-boalohany indray. Ady sahala amin'izay ny fifampitsapana", hoy ingahy M. nanazava. Nolazainy koa fa misy toerana izay indraindray ampiasan'olona varatra entina mamaky hazo atao kitay.



Manatody

Ireto olona rehetra nanaovana fanadihadiana sy nijoro vavolombelona dia samy nilaza avokoa fa misy izany "atodimbaratra" izany. Tsy mbola nisy nahita maso izany anefa izy ireo, ary tsy maniry ny hahita maso izany ihany koa. "Ny varatra rehefa miantefa amin'ny hazo iray, dia mamela atody ao amin'ilay hazo. Ny taona manaraka dia halainy io atodiny io, izany hoe miverina mamely ilay hazo izy, ary mamindra ilay atodiny ho eny an-toeran-kafa indray. Dia toy izany hatrany. Ho an'ny olona matiny kosa indray dia efa misy olona azo alaina hitsabo ny fasana andevenana azy mba tsy hiavian'ny varatra haka ilay atody amin'ilay olona ka handrava ny fasana mihitsy avy eo", hoy ireto telolahy izay efa zokiolona be ihany.

Tsy misy fanafany

Tsy nanakambara kosa anefa izy ireo raha nanontaniana ny amin'ny tokony hatao mba hiarovana tena amin'izany loza misy "mpahay" mamorona izany mba hamelezana izay ananana lonilony na koa tiana ho somparana fotsiny izao. "Na i mômpera aza, hoy izy ireo lasam-borona, dia mba efa isan'ny ny niaiky ihany koa hoe ny aza voany ihany. Rehefa kendren'olona amin'izany dia tsy maintsy voa, na nanao ahoana ala-nenina na inona fahaizana sy fahamailoana. Ianao tsy hahavatra rahateo hoe tsy handeha raha tsy eny amin'ny toerana feno fandribaratra. Ny tokony hatao dia ny miezaka ny ho tsara fiaraha-monina aman'olona hatrany. Nefa moa akory hatao raha toa izany toetra izany koa dia efa ampy hankahalain'olona ny tena".


MPIANATRA MENDRIKA

Tsy ataon'ny Cisco Amaparafaravola hodian-tsy hita ireo ezaka vitan'ireo mpianatra ao aminy eo amin'ireo ambaratonga rehetra misy. Nomena mari-pankasitrahana noho izany ireo ankizy mendrika tamin'ireo fanadinana isan-tsokajiny. Solosaina, kojakojam-pianarana no azon'izy ireo tamin'izany. Natao tao Amparafaravola sy Tanambe ny lanonana momba izany ny faha 31 janoary sy alakamisy faha-02 febroary lasa teo. Avy tamin'i Guy Ramarosandratana, mpikambana ao amin'ny kongresin'ny Tetezanita ny ampahany tamin'ireo loka.

















TETIKASA AMBATOVY
TOHANANA NY EZAKA ATAON'NY MPONINA NAFINDRA TOERANA

Loka maherin'ny 400 no nozaraina ny alarobia 1 sy alakamisy 2 febroary lasa teo ho an'ny mponina ao Vohitrambato sy Marovato, toerana izay namindran'Ambatovy ireo olona nonina teny amin'ny faritra nananganana ny ozinina. Ireo nisongadina sy niavaka teo amin'ny sehatry ny fambolena, ny fahasalamana, ny filaminana, ny fanabeazana, ny fanatanjahantena ary ny kolontsaina nentindrazana no nahazo ny loka. Manolotra loka isan-taona ho an'ireo mponina mendrika amin'ny alalan'ny fifaninanana isan-karazany ny orinasa mba ankaherezana sy ampirisihina azy ireo amin'ny asa fampiroboroboana ny lafiny sôsialy sy toekarena ary mba ampahaleo tena tanteraka ireo tanàna roa ireo.

Ampirisihina

Notolorana fitaovam-pambolena sy omby ireo mpamboly mahafatrapo ary nahazo bisikileta ny mpanentana eny anivon'ny fiarahamonina sy ny mpanentana ara-pahasalamana nahavita be. Finday sy fanilo mandeha amin'ny herinaratra ary akanjo aro orana kosa no azon' ireo andrimason-tanàna mendrika. Notolorana taratasy fanamarinana ireo nahatontosa ny fianarana mamaky teny sy manoratra. Ankoatra izay dia nahazo fanaka ireo tokantrano niavaka teo amin'ny lafiny fahadiovana. Ny mpanao fanatanjahantena sy vako-drazana nisongadina kosa dia notolorana baolina sy zava-maneno. Olona avy eo anivon'ny kômitin'ny famindra-monina, ireo olobe eo an-toerana ary solontenan'ireo mponina no nitsara ny fifaninanana.
Nifarana tamin'ny taona 2008 ny famindra-monina ary manohy manohana hatrany ireo mponina Ambatovy manaraka ny Drafitra ankapoben'ny fampandrosoana ny sôsialy izay novolavolainy ary mikendry ny hanatsarana ny fiainan'ny mponina. Araka ny voalazan'Atoa Fety Paul, filohan'ny fokontany ao Vohitrambato sady isan'ny mpanentana ara-pahasalamana nahazo loka dia "miha-mahavita tena ny mponina nanomboka tamin'ny taona 2011 ary vokatry ny fanampiana sy ny fanohanana ataon'Ambatovy dia manomboka tsy miankin-doha amin'ny orinasa izy ireo".




Ampianarina

Olon-dehibe 103 no mahay mamaky teny sy manoratra nanomboka ny taona 2008. Ao anatin'ny tantsoroka ho an'ireo mponina nafindra toerana dia namolavola fandaharanasa entina hanafoanana ny habadoana ho an'ireo olon-dehibe ao amin'ireo toerana roa ireo Ambatovy, miaraka amin'ireo mpiombonantoka samihafa. Nahatratra 103 noho izany ireo olona avy amin'ny tanànan'i Vohitrambato sy Marovato no afaka nanaraka ny fandaharanasa fampianarana mamaky teny sy manoratra izay natomboka ny taona 2008 ka hatramin'izao. Fomba fampianarana mamaky teny sy manoratra haingana ary azo ampiharina avy hatrany izay mifototra amin'ny fampandrosoana na ny "alphabétisation fonctionnelle intensive pour le développement" (AFI-D) no nosafidiana tamin'izany. Misy dingana efatra ny fandaharanasa izay maharitra enim-bolana ka aorian'izany ireo mpandranto fahalalàna dia mahatratra faripahaizana mifandraika amin'ny kilasy faha-7 amin'ny rafi-pampianarana ôfisialy. Tolorana maripahaizana mira lenta amin'ny CEPE izy ireo any amin'ny faran'ny fianarana.


Ampahalalaina

Nomena torohay momba an'Ambatovy ireo mpitaridalana eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany (guides touristiques). Manohy hatrany ny hetsika fampahafantarana mikasika ny zavatra rehetra mahakasika azy Ambatovy. Izany no atao dia mba ampahafantarana ny zavatra ataony ka hanomezana fahafahampo ireo mponina manodidina mangetaheta vaovao. Maneho hatrany ny fahavononany hizara fanazavana bebe kokoa Ambatovy mba hanalana ireo ahiahy sy hevi-diso mikasika sehatra maro tahaka ny tontolo iainana sy ny fahasalaman'ny mponina. "Guides touristiques" efapolo teo ho eo no nanaraka fihaonana fampahafantarana an'Ambatovy ny volana Janoary lasa teo tao amin'ny biraon'ny "Madagascar national Parks" tao Andasibe. Nanovo fahalalàna mikasika ny Fandaharanasa miompana amin'ny tontolo iainan'Ambatovy sy ny Drafitra Fiarovana ny Zavamananaina ihany koa ireto mpitaridalana ireto izay mivondrona ao anivon'ny fikambanana telo dia ny Fikambanan'ny Mpitaridalan' Andasibe, ny Fikambanana Mitsinjo ary ny Fikambanana Mitambatra, ary nampian'ireo mpiasan'ny "Madagascar National Parks". Miezaka Ambatovy hanome ireo mpitaridalana ny torohay betsaka indrindra mikasika ny asa sahaniny mba ahafahan'izy ireo mamaly araka ny tokony ho izy ny fanontaniana izay mety hapetrak'ireo mpitsidika ny valanjavaboahary.


Site mise à jour le 22/02/2012

Dr Herizo association zanakantsihanaka association BAMAMI Office Régional du Tourisme de l'Alaotra-Mangoro ONG Mihary Ylang.net Rain'Dago Restaurant au goût de Madagascar